Toko faha 115

1 Tsa ho anay, roa Yaveh, tsa hoa anay, fa ho an'ny agnaranao ro hagnateram-boninahitsa, fa ho an'ny fagnekenao mahatoky sy ho an'ny fahamendreham-pitokianao. 2 Nahoana ro mitarogna reo firenena reo hoe:" Aia ny Andriamagnin-dreo?" 3 Ny Andriamagnitsay agny an-dagnitsa agny, manao ze tiany atao aby. 4 Volafotsy sy volamena reo sampin'ny firenena, asan-tagnan'ona. 5 Manam-bava reo sampy reo, fa tsa mitarogna; mana-maso reo fa tsa mahita; 6 manan-tsofigna reo, fa tsa mandre; managn'orognareo, fa tsa manimbolo. 7 Reo sampy reo manan-tagnana, fa tsa mahatsapa; manan-tongotsa reo, fa tsa mandeha; leko de ny mitarogna amin'ny vavany aza. 8 Reo ze nanao anazy de mitovy aminazy, salan'zay aby mitoky aminazy. 9 Israely o, matokia an'i Yaveh; I ro famonjenao sy ampinganao. 10 Ry taranak'i Arona , matokia an'i Yaveh; I ro famonjenao sy ampinganao. 11 Agnao ze magnome voninahitsa an'i Yaveh, matokia Anazy; I ro famonjenao sy ampinganao. 12 Mahatsiaro atsika Yaveh ko hitahy; hitahy ny taranak'Israely I; sady hitahy ny taranak'i Arona. 13 Hitahy ze magnome voninahitsa Anazy I; leko tanora leko atitsa. 14 Avilao Yaveh hampitombo isa anareo hiany, ny anao sy ny taranakao. 15 Yaveh ze nanao ny lagnitsa sy ny tany anie hitahy anao. 16 An'i Yaveh ny lagnitsa; fa ny tany nomeny ho an'ny olombelogna. 17 Ny maty tsa mba midera an'i Yaveh, leko ze mirorogna agny amin'ny mangingina tsa manao an'zay; 18 fa hisaotsa an'i Yaveh agnay androany ko ho mandrakizay. MiderĂ  an'i Yaveh.