Toko faha 114

1 Sy namela an'i Egypta ny Israely, ny taranak'i Jakoba hatagny amizao vahoaka vahiny zao, 2 de roso fitoerany masina i Joda, eko fanjakany i Israely. 3 Nijery ny ranomasina ko nilefa; nipody ny Jordana. 4 Nifalihavanja salan'ny ondrilahy reo tendrombohitsa, reo havoagna nifalihavanja salan'ny zanak'ondry. 5 Nahoana ro nilefa agnao, ra ranomasina? Ry Jordana, nahoana agnao ro nipody? 6 Ra tendrombohitsa, nahoana agnareo ro nifalihavanja salan'ny ondrilahy? Agnareo havoana kely, nahoana agnareo ro mifalihavanja salan'ny zanak'ondry? 7 Mangivita, ra tany, manoloagna ny Tompo, amin'ny fagnatrehan'ny Andriamagnits'i Jakoba.