Toko faha 108
1
Tonon-kira, salamo natan'i Daviva. Tafatoetsa ny foko, Andriamagnitsa o; hihira aho, eka, hihira fiderana amin'ny foko ravoravo koa aho.
2
Mifohaza, ry valiha sy lokanga; hifoha vao mangiran-dratsy aho.
3
Hisaotsa Agnao aho, ry Yaveh, eny amin'ny ona aby; hihira fiderana ho Agnao aho eny amin'ny firenena aby.
4
Fa ny famindram-ponao de lihibe abonin'ny lagnitsa ary mipaka eny amin'ireo habakabaka ny fahamendreham-pitokianao.
5
Misandràta, Andriamagnitsa o, any ambonin'ny lagnitsa, ary aoka ny voninahitsao hisandratsa manerana ny tany aby.
6
Mba ho voavonjy reo malalanao, vonjeo amin'ny tanana ankavananao aho ka valio.
7
Nitarogna tamin'ny fahamasinany Andriamagnitsa ka nanao hoe: "Hifaly aho ary hizara an'i Sekema; ary hizara ny Lohasahan'i Sokota.
8
Anahy i Gileada, ary anahy i manase, arolohako koa i Efraima; tehim-panjakako i Joda.
9
Tavindrano fanasako i Moaba eo amin'i Edoma ro hanipazako ny kapako; hihiaka fandesena Aho noho i Filistia.
10
Ia ro hitondra Anahy any amin'ny tanàna matanjaka? Ia ro hitarika Anahy ho any Edoma?"
11
Andriamagnitsa o, tsa efa nanary agnay ve Agnao? Tsa hivoaka amin'ny ady miaraka amin'ny tafikay Agnao.
12
Meo fanampiana agnay hanohitsa ny fahavalo, fa zava-poagna ny fanampian'ny ona.
13
Miaraka amin'ny fanampian'Andriamagnitsa ro haharesentsika; hanitsahany reo fahavalontsika.