1
Misaora an'i Yaveh, fa soa I, ary mandrakizay ny famondram-pony.
2
Aoka reo navotan'i Yaveh hilaza izay, de izay navotany teo an-tanan'ny fahavalo.
3
Nangoniny hatagny amin'ny tany hafa maro reo, de zay hatagny atsinanana sy hatagny andrefana, hatagny avaratsa sy hatagny atsimo.
4
irenireny tany an'efitsa teny amin'ny lalana hay reo ary tsa nahita tanàna hitoerana.
5
Satria noana sady nangetaheta reo, de heniky ny faharerahana reo.
6
De nikaika mafy an'i Yaveh tamin'ny andro fahoriany, ka namonjy andreo tamin'ny fahoriany I.
7
Nitondra andreo tamin'ny lalana mahitsy I mba ahafahandreo mandeha any amin'ny tanàna zay hipetrahany.
8
Hidera an'i Yaveh anie reo ona nohon'ny famindram-pony sy reo raha soa aby nataony tamin'ny olombelogna!
9
Fa nanome fahafaham-po ny faniriandreo zay nangetaheta I, ary ny faniriandreo noana de vokisany raha soa.
10
Ny sasany mitoatsa agnaty aizina sy aloky ny fahafatesana, voagadram-pahoriana sy reo rojo vy.
11
Nisy izay satria nikomy nanohitsa ny tarogn'Andriamagnitsa reo ary nanary ny torolalan'ny Avo Indrindra.
12
Nampietry ny fondreo tamin'ny raha sarotsa I. Tafintohina reo ary tsa nisy ona hanampy andreo hitraka.
13
De nikaika an'i Yaveh tamin'ny fahoriany reo, ka nofinerin'i Yaveh hiala hatagny amin'ny fahoriany.
14
Nitondra andreo hivoaka ny maizina sy ny haizim-pito I ary novinakiny ny fatorandreo.
15
Hidera an'i Yaveh anie reo ona reo nohon'ny famindram-pony sy reo raha mahagaga nataony ho an'ny olombelogna!
16
Fa namotika ny vavahady varahina I ary nanapaka reo hidy vy.
17
Gegy reo tamin'ny fikomiana nataony ary ory noho reo helony.
18
Very ny faniriany hihinana aby ny hanigna , ary niha-nanakaiky ny vavahadin'ny fahafatesana reo.
19
De nikaika mafy an'i Yaveh reo tamin'ny fahoriany, de nitondra andreo hivoaka amin'ny fahoany I.
20
Nandefa ny tarogny I ka nanasitrana andreo, de novonjeny tamin'ny fahapotehiny reo.
21
Ny ona anie hidera an'i Yaveh nohon'ny famindram-pony sy reo raha mahagaga nataony tamin'ny olombelogna!
22
Aoka reo hanolotsa reo fanati-pisaorana ka hanambara ny asany lihibe amin'ny fihirana.
23
Zay miantsambo eny an-dranomasina sy manao raharaham-barotsa agny ampitan-dranomasina.
24
Reo de nahita ny asan'i Yaveh sy ny fahagagany teny an-dranomasina.
25
Fa I ro mibaiko sy maniraka ny tafio-drovotsa zay mampisondrotsa ny ranomasina.
26
Nanakatsa ny lagnitsa reny; ary nidigna tany amin'ny laligna. Ketraka ny fahoriana ny fiainandreo.
27
Nisangodigna sady nivembena sahala reo mamolava reo de roso tagny amin'ny fahaverezan-tsaina.
28
Ary nikaika an'i Yaveh tamin'ny fahoriany reo, ka noferiny nivoaka tamin'ny fahoriany reo.
29
Nampijanona ny tafio-drivotsa I, ary nampitony ny onjan-dranomasina.
30
Ary de niravoravo reo satria nitony ny ranomasina, ary nitondra andreo ho eny amin'ny morony niriandreo I.
31
Ny ona anie hidera an'i Yaveh nohon'ny famindram-pony sy amin'ireo raha mahatalanjona nataony tamin'ny olombelogna!
32
Aoka reo hanandratsa Anazy eo amin'ny fiangonan'ny ona ary hidera Anazy eo amin'ny filan-kevits'ireo loholona.
33
Mamadika reo ony ho efitsa I, loharano ho tany maina,
34
ary tany mahavokatsa ho tany hay noho ny faharatsian'ny ona.
35
Mamadika ny efitsa ho farihin-drano I ary tany maina ho loharano maro.
36
Atoatsany any zay noana, ary hanorina tanàna hitoerana reo.
37
Hanorina tanàna hisy saha reo, ho atao tanim-boaloboka, ary hamokatsa be.
38
Hitahy reo I ka ho maro an'iza izay. Tsa avelany hihavitsy ny biby fiompiny.
39
Fa nihena sy nietry reo nohon'ny fahoriana maharary sy hirifiry.
40
Mandraraka fanamavoana amin'ireo mpitarika I ary mampirenireny andreo any an'efitsa, zay tsa misy lalana.
41
Fa miaro reo mahantra nohon'ny fahoriana koa I ary miahy reo fianakaviany sahala ny andian'ondry.
42
Hahita zay ny ol-mahitsy ka ho faly, ary reo ratsy fagnahy aby manakombom-bava.
43
Zay hendry de aoka handray an-tsoratsa zay raha hihevitsa reo asa famindram-pon'i Yaveh.