1
Misaora an'i Yaveh, fa soa I, fa maharitsa mandrakizay ny famindram-pony.
2
Ia ro afaka hanisa reo asa lihibe zay natan'i Yaveh na hanonona feno reo asa mendri-piderany?
3
Hotahiana anie reo ze manao ny marina, sy reo zay manao asa marina mandrakizay.
4
Tsaroy Aho, ry Yaveh, sý mampiseho sitraka amin'ny onanao Agnao; ampio aho lehe mamonjy andreo Agnao.
5
Ary de hahita ny fanambinan'ireo voafidinao aho, hiravoravo amin'ny fifalian'ny firenenao sy hanome voninahitsa amin'ny lovanao.
6
Nanota sahala reo razambeny agnay, nanao ny tsa nety agnay, ary nahavita ratsy.
7
Tsa nankatoavin'ireo razanay reo asa soanao tany Egypta; tsa niraharaha ny habetsaky ny famindram-ponao reo; ka nikomy teny amin'ny ranomaina, teny amin'ny Ranomasina Mena.
8
Na de izay aza, novonjeny reo nohon'ny agnarany mba hahafahany mampiseho ny heriny.
9
Notaroniny mafy ny Ranomasina Mena, de ritra izay. De nitarika andreo nita reo laligna I, sahala ny nita efitsa.
10
Namonjy andreo tamin'ny tanan'ireo zay nankahala andreo I, ary nanavotsa andreo tamin'ny tanan'ny fahavalo. Fa nosaronan'ny rano reo fahavalondreo;
11
tsa nisy na de raika amindreo aza ka avotsa.
12
Ary nino ny tarogny reo, ka nihira fiderana Anazy.
13
Nefa nalaky nanadino zay nataony reo; tsa niandry reo torolalany.
14
Fatra-pila tany an'efitsa ka nitadia hihoatsa an'Andriamagnitsa tagny an'efitsa.
15
De nomeny ny fangatahany, saingy nandefa aretina handany ny vatandreo I.
16
Tany an-toby de nialona an'i Mosesy sy Arona, mpisorona masin'i Yaveh, reo.
17
Nisokatsa ny tany ka niteligna an'i Datana ary nanarona reo mpanaraka an'i Abirama. Nirehitsa teo amindreo ny afo;
18
ka nandevona ny ratsy fagnahy ny afo.
19
De nanao zanak'ombilahy tao Horeba reo ka nanompo ny sarin-draha vy.
20
Natakalndreo sarin'ombilahy voasokitsa zay mihinana ahimaitso ny voninahits'Andriamagnitsa.
21
Nanadino an'Andriamagnitsa Mpamonjy andreo reo, zay nana asa lihibe tagny Egypta.
22
Nanao raha soa mahafinaritsa tao an-tanin'i Hama sy raha mahery tao amin'ny ranomasina Mena I.
23
Ary nandidy ny fandringanana andreo I, lehe tsa i Mosesy, zay voafidiny, ro niditsa an-tsehatra teo amin'ny fanapahana mba hanova ny fahatezerany amin'ny fandringanana andreo.
24
De nataondreo tsinontsinona ny tany mahavokatsa; tsa nnino ny fampanantiniany reo;
25
fa nimonomonona tao an-dainy reo, ary tsa nankatò an'i Yaveh.
26
Noho izay de nanangana ny tanany i ary nianiana tamindreo fa hamela andreo ho faty any an'efitsa,
27
hampiely ny taranakandreo erak'ireo firenena ary hampiely andreo any amin'ny tany hafa.
28
Nanompo an'i Bala Peora reo ary nihinana reo sorona natolotsa ho an'ny maty.
29
Nihantsy Anazy ho tezitra tamin'ny fihetsiny reo, ka de namely andreo ny areti-mandringana.
30
De nitsangana i Fineasa ka nirotsaka an-tsehatra, ary nitsahatra ny areti-mandringana.
31
Anisan'ny asa marina ho anazy mandrakizay izay hatrany amin'ny taranaka fara mandimby.
32
Nampatezitra an'i Yaveh koa reo tarogna amin'ny ranon'i Meriba, ka nijaly i Mosesy noho reo.
33
Nampahory an'i Mosesy reo, ka de nitarogna mafy i.
34
Tsa nandringana reo firenena araka ny nandidian'i Yaveh andreo,
35
nefa reo niharo tamin'ireo firenena sy nianatsa ny fanaony
36
ka nanompo reo sampiny, zay lasa fandrika ho anazy.
37
nao sorona reo zanany lahy sy reo zanany vavy ho an'ireo demonia reo.
38
Nandatsaka ny rà tsa manan-tsiny reo, ny ràn'ireo zanany lahy sy ny an'ireo zanany vavy zay natandreo sorona ho an'ireo sampin'i Kanana; ka nanimbazimba ny tany tamin'ny rà.
39
Voaloto tamin'ireo asany; sahala reo mpijangajanga reo noho ny nataony.
40
Ka de tezitra tamin'ny ona i Yaveh, ary nataony tsinontsinon ny vahoakany.
41
Nameny ho eny an-tanan'ireo firenena reo, ary reo nankahala andreo ro nanapaka taminazy.
42
Nampahory andreo ny fahavalony, ary noferiny hanaiky ny fahefany reo.
43
Sy ndraika avy nananpy andreo I, fa reo koa ro nikomy ary naletiky ny fahotany ihany.
44
Na izay aza de nijery ny fahoriandreo I sý nitaigno andreo nitagny hovonjena.
45
Nampatsiaro ny fanekeny tamindreo I ka nanenina nohon'ny fitiavany tsa miova.
46
De nataony niantra andreo ny mpamabo aby.
47
njeo agnay, ry Yaveh, Andriamagnitsay. Ary angony hatagny amin'ireo firenena, mba haisaoragnay ny Agnaranao Masina sy hanomezanay voninahitsa amin'ny fiderana Agnao.
48
Ho deraina anie Yaveh, Andriamagnits'Israely, hatrizay ka ho mandrakizay. Ary nitarogna aby ny ona hoe: "Amena". Miderà an'i Yaveh. Boky fahadimy.