1
Misaora an'i Yaveh, keho ny agnarany; ampahafantaro amin'ireo firenena reo ny asany.
2
Mihirà ho Anazy, mihirà fiderana ho Anazy; tarony aby reo asany aby manontolo mahatalanjona.
3
Mireharehava amin'ny agnarany massina; aoka ny fondreo ze mitady an'Yaveh hifaly.
4
Mitadiava an'i Yaveh sy ny heriny; tadiavo hatrany hatrany ny fanatrehany.
5
tadidio reo raha mahagaga efa mataony, reo fahagagany sy reo lalàny avy ao am-bavany,
6
agnareo taranak'i Abrahana mpanompony, agnareo vahoak'i Jakoba, olom-boafidiny.
7
I ro Yaveh, Andriamagnitsika. Eo amin'ny tany aby manontolo reo didiny.
8
Ataony an-tsaina mandrakizay ny fanekeny, de ny teny ze nididiany ho andreo taranaka an'arivony.
9
Mahatsiaro ny fanekena zay nataony tamin'i Abrahama sy ny fianianany tamin'i Isaka I.
10
Zay ro namafisiny tamin'i Jakoba ho lalàna sy tamin'ny Israely ho fanekena maharitsa mandrakizay.
11
Hoy I:" Homeko anjara lovanareo ny tany Kanana."
12
NIlaza zay i tamin'ny vana vitsy isa reo, tena vitsy, ro mpivahiny tagnatin'ny tany.
13
Nipodopody tamin'ireo firenena sy avy any amin'ny fanjakana ho any amin'ny raika hafa reo.
14
Tsa namela na ia na ia hampahory andreo I; nandatsa mpanjaka bedebe I noho ny amindreo.
15
Hoy I hoe:" Aza mikasika reo olom-boahosotso, ary manisy ratsy reo mpaminaniko."
16
Nikaika mosary ho amin'ny tany I; nanapaka ny famatsiana mofo manontolo I.
17
Naniraka ona hialoha lalana andreo I; namidy mpanompo i Josefa.
18
nafatony tamin'ny tady vy ny tongony; tamin'ny tendany nasiany rojo vy,
19
ambara-pahatanteraka ny teniny, de nitsapa anazy ny tenin'i Yaveh.
20
niraka reo mpanompoa hamotsotra anazy Yaveh; nanafaka anazy ny mpanapaka ny vahoaka.
21
Nataony nisahana ny tranony ho mpanapaka reo fananany aby manontolo i
22
mba hampianatsa reo andriany araka ze iriany sy hampianatsa fahendrena reo loholony,
23
De nankany Egypta ny Israely, ary jakobaivahiny tagnatin'ny Hama.
24
Nampamokatsa ny vahoakany Yaveh, ary nampatanjaka andreo mihoatsa reo nampatanjaka reo fahavalony.
25
Nataony mankahala ny vahoakany ny fahavalondreo, mba hampijaly reo mpanompony.
26
Naniraka an'i Mosesy, mpanompony, sy Arona, zay efa nofidiany I.
27
Nanatanteraka reo famantarany tamin'ireo Egyptiana reo, reo fahagagany tao amin'ny tany Hama.
28
Nandefa aizina sy nampamaizina ny tany I, nefa tsa nankato reo didiny ny vahoaka tao.
29
Namadika ny ranondreo ho rà I ro namono ny hazan-dranony.
30
Rakotsa sahona ny tanindreo, na de ny tao an'efitranondreo mpanapaka anazy.
31
Nitarogna I, ka de avy nanerana ny tanànandreo ny renin-dalitsa sy moka.
32
Navadiny ho havandra ny orandreo, niakatsa tamin'ny afo nidedadeda tamin'ny taniny.
33
Nopotehiny ny voaloboka sy ny hazon'aviavindreo reo hazo tao an-tanànandreo.
34
nitarogna I, de avy ny valala, valala maro be.
35
Lanin'ireo valala aby ny zava-maniry tao amin'ny tanindreo; lanindreo aby ny vokatsy ny tany.
36
Novonoiny aby ny lahimatoa tao amin'ny tany, ny voaloham-bokatsy ny herindreo aby manontolo.
37
Noferiny nivoaka niaraka tamin'ny volamena reo Israelita; tsa nisy tamin'ireo fokony tafitohina teny an-dalana.
38
Ravoravo Egypta lehe lasa reo, satria natahotsa andreo ny Egyptiana.
39
Nampiboely ny rahona ny fandrakofana I de nanao afo hampazava ny aligna.
40
Nangataka hanina ny Israelita, ka de nitondrany papelika ary nataony afa-po tamin'ny nofo hatagny an-dagnitsa.
41
Namaky vatoampy I, na nigororoana teo ny rano; nikoriana tany agn'efitsa tahaka ny renirano reo.
42
Fa nahatsiaro ny fampanantiniany masina zay nataony tamin'i Abrahama mpanompony I.
43
Notarihiny nivoaka tamim-pifaliagna ny vahoaka; tamin'ny hiakam-pandresena ny ona voafidiny.
44
Nomeny andreo ny tanin'ireo firenena; naka fananana tamin'ireo haren'ny vahoaka reo
45
mba hitandremany ny didiny sy hankatoavany ny lalàny. Miderà an'i Yaveh.