Toko faha 104

1 Hidera an'i Yaveh amin'ny fiainako manotolo iaho, ry Yaveh Andriamagnitso o, mahafinaritsa loatsa Agnao; mitafy famirapiratana sy voninahitsa Agnao. 2 Feno fahazavana ho fitafiana Agnao;avelatsao salan'ny lamban-day ny lagnitsa. 3 Mampitoatsa ny andrian'ny efi-tragnonao ambony rahogna Agnao; nataonao ho kalesinao ny rahogna; mandeha amin'ny elatsy ny rivotsa Agnao. 4 Ataony ho irany ny rivotsa, ho mpanompony ny lelafo. 5 Nampitoatsa ny fanambanin'ny tany I, ko tsa hihozongozogna mihintsy zey. 6 Nanarogna ny tany tamin'ny rano salan'ny fitafiana Agno; nanarogna ny tendrombohitsa ny rano. 7 Ny fahasihanao ro mampihemotsa ny rano; tamin'ny fagnenon'ny fikotrokotroky ny feonao ro nampilefa andreo. 8 Nitsangagna reo tendrombohitsa, eko reo lohasaha niely tagny amin'ny tany ze efa tinendrinao ho anazy. 9 Namaritsa sisitany ho andreo Agnao mba tsa hihoarany; ko de tsa hanarogna ny tany koa reo. 10 Nampikororoka loharano tegny amireo lohasaha I; mikoriana agnelagnelan'ireo tendrombohitsa ny rian-drano. 11 Mamatsy rano ho an'ny biby agna-tamboho aby reo; de afa- keteheta ny apondradia. 12 Manambotsa ny akaniny eo amoron-drano reo vorogna. Mihira egny amin'ny ratsa-kazo reo. 13 Mandroaka reo tendrombohitsa hatamin'ny fitoeran-dranony agnan-dagnitsa I. Feno vokatsy ny asany ny tany . 14 Mampitsiry ahitsa ho an'ny biby fiompy sy voly ho an'ny ona ho volena I mba hahafahan' ona mamokatsa hanina amin'ny tany. 15 Manao divay hampifaliana ny ona I,diloilo mba hampamiratsa ny ainy. 16 Ireo hazin'Yaveh de voatondraka oram-be; de reo sederan'i Libanona ze nambolenay. 17 Eo ro agnoregnn'ny vorogna ny akaniny. Ny voronkely manao ny hazo kypreso ho fonegnany. 18 Ny osidia monigna agny amireo tendrombohitsa avo; eko ny haavon'ny tendrombohitsa ro fialofan'ny hyraka. 19 Nanendry ny volagna ho mariky ny fotoagna I; fantatsy ny masoandro ny fotoagna hilitehany. 20 Nataonao ny aizin'ny aligna sy mienga ny bibidia agnagn'ala aby. 21 Mierogna nho an'ny hazany ny liogna tanora eko mitadia ny haniny hatamin'Andriamagnitsa . 22 Sy mipoaka ny masoandro, de misitaka reo ko matory agny an-davany. 23 Mandritsan'izay fotoagna zay, ny vahoaka mienga ho amin'ny asany sy misasatsa mandra-pahariva. 24 Yaveh o, endrey ny haben'ny karazan'ireo asanao! Nataonao tamim-pahendrena i aby; feno ny asanao ny tany. 25 Ty ny ranomasina, laligna sady midadasika, mihetsiketsika miaraka amireo zava-boahary tsa voatanisa,na kely na lihibe. 26 Mandeha eo y sambo, eko eo koa ny Leviatana, ze nataonao hiregnina an-dranomasina. 27 Reo aby de mijery Anao mba hagnome ny sakafony ara-potoagna. 28 Sy magnome Agnao, de mamory reo; mamelatsa ny tagnanao Agnao , de afa-po reo. 29 Sy manitrika ny tavanao Agnao, de matahotsa reo; sy magnala ny fofonain-dreo Agnao; de maty reo ko hody vovoka. 30 Sy mandefa ny Fagnahinao Agnao, de voahary reo, ko hagnavao ny tany ndraika Agnao. 31 Haharitsa mandrakizay anie ny voninahits'i Yaveh, hisitraka ny voahariny anie Yaveh. 32 Miondrika mijery ny tany I, de mihorohoro izey; mikasika reo tendrombohitsa I; de manetroka zey. 33 Hihira ho an'i Yaveh amin'ny fiaignako manotolo iaho lehe vona velon'aigna madigna. 34 Ho mamy aminy anie ny fisaignako; hifaly amin'i Yaveh iaho. 35 Hanjavogna eto an-tany anie ny mpanota, eko aoka ho foagna ny ratsy fagnahy. Hidera an'i Yaveh amin'ny fiaignako manotolo iaho. Midera an'i Yaveh.