1
Hino ny taraignako Aminao.
2
Aza asitrika aminahy ny tavanao amin'ny andro-pahoriako. Hino aho. Lehe mangaika Anao aho, de valeo malaky aroa.
3
fa mandalo salamin'ny setroka ny androko, sady mandoro salamin'ny afo ny taolako.
4
Torotoro ny foko, sady salamin'ny ahitsa malazo aho. Tsa tsiaroko aby ny mihinan-kanina.
5
Noho ny fisentoako hiany,de niha nahia mihintsy aho.
6
Salamin'ny sama agnagn'efitsa; niova salamin'ny vorondolo agn'antanàna haolo.
7
Tsa mahita tory sahala ny vorona mandeha rery aho;iaho rery ro ao ambonin-drihagna ao.
8
Magnopa anahy aby ny fahavaloko isan'andro zao; ny magneso anahy mampiasa ny agnarako ho fagnozognana.
9
Mihignana lavenona sahala ny mofo ary mampifangaro ny raha fisotro amin'ny ranomaso.
10
Noho ny haviniran'ny fahatezeranao, no nanandratanao anahy mba handavoana anahy.
11
Salamin'ny aloka malazo ny androko; sady nalazo tahaka ny ahitsa aho.
12
Nefa, Agnao, ry Yaveh, de velogna mandrakizay, ary ho andreo taranaka aby ny lazanao.
13
Hitsangagna Agnao ko hamindra fo amin'i Ziona. Zao ro fotoagna hamindrana fo aminazy; avy ny fotoagna voatondro.
14
Fa ny mpanomponao mitagna ny vato malalany sady mangoraka ny vovoky ny faharingagnany.
15
Hagnajay agnaranao ny firenena, Yaveh, sady hanandratsa ny voninahitsao aby ny mpanjakan'ny tany.
16
Hagnamboatsa an'i Ziona ndraika i Yaveh de hipoitsa ao ny voninahiny.
17
Amizay fotoagna zay, de hamaly ny fivavaky ny mahantra i; tsa handà ny vavakan-dreo I.
18
Hosoratana ho an'ny ze taranaka ho avy zay,ary ny ona tsa vona teraka de hidera an'i Yaveh.
19
Fa efa niondrika nijery hatagny amin'ny toerana avo masina I; hatagny an-dagnitsa Yaveh ro mitsinjo ny tany,
20
mba handre ny fisenton'ny gadra, mba hamototsa ze voaheloka ho maty.
21
De hitarogna ny agnaran'i Yaveh agny Ziona sy agny Jerosalema ny ona
22
sy miara-mivory mba hanompo an'i Yaveh ny vahoaka sy ny fanjakana.
23
Efa nalainy taminahy teo agnivon'ny fiaignako ny heriko.Nafoheziny ny androko.
24
Hoy aho hoe:" Andriamagnitsa o, aza alaina eo apovoan'ny fiaignako aho; fa eo maneragna ny taranaka aby manotolo Agnao.
25
Nametraka ny tany tamin'ny fitoerany Agnao fahiny; asan'ny tagnanao ny lagnitsa.
26
Ho levogna reo, fa Agnao hitoatsa; hiha-antitsa salan'ny fitafiana aby reo; salan'ny akanjo, ho alaina reo, de hanjavogna.
27
Nefa Agnao tsa miova, sady tsa hanam-piafarana ny taognanao.
28
Ny zanaky ny mpanomponao reo ho velogna, sady ho velogna eo amin'ny fagnatrehanao ny tarana-dreo."