Toko faha 101

1 Salamo nataon'i Davida. Hira ny fagnekena mahatoky sy fahamarinana aho; ho Anao, Yaveh, hihira fiderana aho. 2 Hizotsa amin'ny lala-marina aho. Eh, sy viana ro ho avy eto aminahy eto Agnao? Hizotsa amin'ny fahitsiana aho ao andragnoko ao. 3 Tsa hagnisy fahadisoana alohan'ny masoko aho; tsa te ny ratsy aho; tsa hifikitsa aminahy mihintsy zey. 4 Hiala aminahy ny mpamadika; tsa hankasitraka ny ratsy aho. 5 Ho potehiko ze magnendrikendrika mangingigna ny namany. Tsa bhandefitsa ny ona ze managna fihetsika mieboebo sy toe-tsaigna miavognavogna aho. 6 Hizaha ny ona mahatoky eo amin'ny tany aho mba hitoatsa eoagnilako. Ze mandeha amin'ny lala-marina ro mahazo manompo anahy. 7 Tsa hitoatsa an-dragnoko mihintsy ny ona mpamitaka; tsa hitomoatsa eo alohan'ny masoko ny mpandenga. 8 Isa-maraigna isa-maraigna ro hamotehako ny ratsy fagnahy amin'ny tany; halaiko hatagny amin'ny tanĂ nan'i Yaveh ny mpanao ratsy.