1 Nisy lihilahy hatagny Benjamina, lihilahy ambony raika. Ny agnarany de i Kisy zanaka lahin'i Abiela zanaka lahin'i Zerora zanaka lahin'i Bekorata zanaka lahin'i Afia, ny zanaka lahina Benjamita raika. 2 Nanan-janaka lahy nakehina hoe Saoly i, tovolahy soa tarehy raika. Tsa vona nisy ona soa tarehy tahaka anzy teo amin'ny olon'Israely. Manomboka eo amin'ny sorony ro ho miakatsa de lava nohony ona aby i. 3 De ny apondran'i Kisy, rain'i Saoly de very. Ko nitarogna tamin'i Saoly zanany i Kisy nanao hoe: "Mangalà raika amin'ny panompo hiaraka aminao, mitsangana de mandihiana mitadia ny apondra. " 4 Ko de mamakivaky ny tany havoan'ny Efraima i Saoly de naneha tamin'ny tanin'ny Salisa,fa tsa hitan-dreo zay. De namakivaky ny tanin'i Salima reo, nefa tsa tagny reo. Sy avy eo de namakibaky ny tanin'i Benjamita reo, fa tsa nahita reo. 5 Sy efa avy teo amn'ny tanin'i Zofa reo, de nitarogna tamin'ny panompony ze niaraka tamin'i Saoly hoe: "Andao, handeha tsika hipody, fa mety tsa hagnahy ny amin'ny apondra koa ny raiko fa hanomboka hagnahy ny momba atsika." 6 Fa zao ro nataon'ny taminazy hoe: "Heno, misy lihilahin'Andriamagnitsa amin'ity tanàna ty. I de lihilahy namem-boninahitsa; ze raha notarogniny de tanteraka aby. Andao tsika ho agny; mety hitarogna amitsika ze lalagna tokony handihiananatsika amin'ny diatsika i." 7 De zao ro nataony Saoly tamin'ny panompony hoe: "Fa lehe mandeha tsika, ina ro mety ho feritsika ho an-dra lihilahy? Ny mofo aganty ny sandrifitsik efa lany, de tsa misy fagnomezana mba ho feritsika ho an'ny lihilahin'Andriamagnitsa. Ina ro hanagnatsika? " 8 Ny panompo namaly an'i Saoly ko nanao hoe: "Zao, Iaho managna sekely volafotsy ze hameko ny lihilahin'Andriamagnitsa, mba hitarognany amitsika ze lalagna tokony handihianatsika." 9 (Taliha tagny Israely, sy efa misy lihilahy mitadia ny fahalalana ny sitrapon'Andriamagnitsa, de mitarogna i hoe: "Andao, handeha tsika ho agny amin'ny pahita. "Fa pahita ro nagehina taliha ze akehitsika hoe paminany amizao.) 10 Sy avy eo de nitarogna tamin'ny panompony i Saoly hoe : "Soa ny voalazanao. Andao, andao tsika handeha." de nandeha reo nandeha agny amin'ny tanàna ze nisy ny lihilahin'Andriamagnitsa. 11 De sy efa niakatsa ny tendrombohitsa tao an-tanána reo, de nahita an-dra kiala vavy nienga hitaogna rano; de zao ro nataon'i Saoly sy panompony tamon-dreo hoe: "Eto ve ny pahita? " 12 maly reo, ko nanao hoe: "Eto i; zao, ao alohanareo kely ao fotsiny i. Mandihiana malaky, fa hoa avy an-tanà i androany, satria hanao sorogna eo amin'ny toerana ambon'ny vahoaka androany. 13 Lehe vatany vo miditsa ny tanàna agnareo de hahita anazy, alhan'ny hiakaran'ny amin'ny toerana ambony hihinanany. Tsa hihinana ny vahoaka man-drapiaviny, satria i ro hitson-drano ny sorogna; afaran'izay de hihinana reo ze nasaina. Ko miakara izizao, fa hahita anazy avy hatragny agnareo." 14 De niakatsa nandeha agny amin'ny tanàna reo. Sady te vo niditsa ny tanàna reo, de nahita an'i Samoela niboaka taminazy, mba hiakatsa agny amin'ny toerana ambony. 15 De ny andro talohan'ny niavian'i Saoly, de nitarogna tamin'i Samoela i Yaveh hoe: "Sy apitso amizao lera zao de handefa lihilahy 16 raika avy hatamin'ny tanin'i Benjamina aminao Aho, de hagnosotsa anazy ho andriana eo amin'ny Israely vahoaka agnao. Hamonjy ny vahoakako amin'ny tagnan'ny Filistina i. Fa efa nijery ny vahoakako tamin'ny fangorahana aho satria ny antso vonjin-dreo de avy taty Aminahy. 17 Sy efa an'i Samoela i Saoly, de nitarogna taminazy i Yaveh hoe: "Ity ny lihilahy ze notarognoko taminao! I ny ona ze hanapaka ny vahoakako. " 18 Sy avy eo i Saoly de nagnatogna an'i Samoela teo amin'ny vavahady de nanao hoe: "Mba lazao anahy hoe aia ro misy ny tragnon'ny pahita?" 19 Namaly an'i Saoly i Samoela ko nanao hoe: "Iaho ro pahita. Miakara amin'ny toerana ambony mialoha anahy, fa androany de miara mihinana aminahy agnao. Avelako handeha agnao amin'ny maraigna, de lazaiko anao ze ao atsainao. 20 Lehe ny amin'ny apo nranao ze very telo mahery zay, de aza magnahy ny amizay, fa efa hita zay. De napetraka taminia ny fagnirian'ny Israely aby? Tsa ho aminao sy ho amin'ny akohonan-drainao aby ve?" 21 Namaly i Saoly ko nanao hoe: "Fa tsa Benjamita ve aho, avy hatamin'ny foko kelyndrindran'Israely? Tsa ny fianakaviako ve ro kely ndrindra amin'ny fianakaviambe aby ao amin'ny fokon'ny Benjamina? Ko nahoana ro zay fomba ze norisahanao taminahy?" 22 De noraisin'i Samoela i Saoly sy ny panompony, ko nitarogna tagny agn'efitragno, de napetrany teo amin'ny fitoerana voalohany ho anize voaasa reo, ona tokony ho eo amin'ny telopolo eo ho eo. 23 Zao ro nataon'i SAmoela tamin'ny pahandro hoe: "Fero ny anjara ze nameko anao, ze nilazako taminao hoe, 'Atokano tito.' " 24 Ko nalainy pahandro ny feny sy ze nitambatsa taminazy de napetrany teo alohan'i Saoly. De zao ro nataon'i Samoela hoe: "Io ze voatokagna de napetraka teo alohanao. Hano io, satria voatokagna ho anao mandra-piavin'ny fotoagna voatendry, tamin'ny fotoagna nilazako hoe, 'Efa nanasa ny ona aho.' " De niara nihinana tamin'ny Samoela i Saoly tamin'io andro io. 25 De sy efa tafidigna hategny amin'ny toerana ambony ho amin'ny tanàna reo, de niresaka tamin'i Saoly teo an-tampon-tragno i Samoela. 26 De vô mangiran-dratsy, de nangaika an'i Saoly teo an-tapotragno i Samoela ko nitarogna hoe: "Miarena, mba hahafahako mandefa anao agny amin'ny lalanao." De nifoha i Saoly, de samy nandeha nienga ho egny an-dalagna i sy Samoela. 27 De sy efa nandeha nagnodidigna ny tanàna reo, de zao ro nataon'i Samoela tamin'i Saoly: "tarogno ny panompo mba handeha mialoha antsika" __de nandeha teo aloha i--"fa tsy maintsy miegnina eto amin'ny fotoagna kelikely agnao, mba hitarognako aminao ny hafats'Andriamagnitsa."