1 De nalaka ny tavoara nisy diloilo i samoela, nadraraka anizay teo amboniny lohan'i Saoly, sady nagnoroka anazy. Zao ro nataony hoe: "Nga ve i Yaveh tsy efa agnosotsa anao ho panapaka ny lovany? 2 Sy efa handao anahy agnao androany, de hahita lihilahy roa eo agnilan'ny fasan-dRahely, ao amin'ny faritanin'i Benjamina ao Zelza. Hitarogna aminao reo hoe : 'Ny boriky ze efa notadiavinareo de efa hita. Amizao ny razam-benareo de niegnina tsa niahiahy ny amin'ny boriky sady nagnahy ny momba anao, mitarogna hoe: "Ina ro tokony hatao ny mahakasika ny zanak lahy ?'' ' 3 De nandeha lavidavitsa hatagny agnao, de ho avy eo amin'ny hazo terebitan'i Tabara. Hihaogna amin'ny lihilahy telo mandeha ho agny amin' Andriamagnitsa agny Betela agnao, ny raika mitondra zanak'Osy telo, ny sasany mitondra mofo telo, de ny hafa mitondra sinin-divay hoditsa. 4 Hiaraba anao reo hagnome mofo roa anao, ze halainao hategny an-tagnan-dreo. 5 Afaran'izay, de hipody eo amin'ny tendrom-bohits'Andriamagnitsa agnao, ze misy ny miaramilan'ny Filistinina. Sy efa avy ao amin'ny tanàna agnao, de hihaogna amin'ny andiana paminany hidigna hatagny amin'ny toerana ambony miaraka amin'ny lokanga, aponga tapaka, kiatsody, de valiha eo alohan-dreo; haminany reo. 6 Ny Fagnahin'i Yaveh hidigna eo aminao, de haminany miaraka amin-dreo agnao, ko hiova ho lihilahy hafa. 7 De sy efa avy aminao reo famatarana reo, de ataovo aby ze hitany tagnanao fa tokony hataonao, satria Andriamagnitsa momba anao. 8 Midìgna mialoha anhy ho agny Gilgala. Dehidigna agny aminao aho hanolotsa ny fagnatitsa doroana sady hanao sorogna fagnatim-pihavagnana. Miandaza fito andro mandram-pandehako ho eo aminao de hatoroko anao ze tokony hataonao." 9 Sy efa nitodi-damosigna handao an'i Samoela i Saoly, de namen'Andriamagnitsa anazy ny fo vaovao. De avy ny famatarana aby ny taminizay andro zay. 10 Sy efa avy tegny amin'ny tendrombohitsa reo, de nisy andiana paminany nihaogna taminazy, de ny fagnahin'Anriamagnitsa nidigna teo aminazy ko naminany niaraka tamin-dreo i. 11 Sy efa nahita nanazy niaraka tamin'ny paminany ny ona aby ze nahalala anazy teo aloha, de kapiteny ny ona hoe: "Ina ro nahazo ny zanaka lahin'i Kisy? Anisany raika amin'ny paminany koa nga i Saoly? 12 Nisy lihilahy raika nipetraka teo aminio toerana io namaly hoe: "De ia ro rain-dreo?" Sy zay, de nanjary fomba fitarogna ny hoe: "Anisany paminany koa nga i Saoly?" 13 Sy efa nahavita ny faminaniana i de nandeha ny amin'ny fitoerana ambony 14 zao ro nataon'ny dadatoan'i Saoly tamin'ny panompony hoe: "Taia ro nandihiananareo? " Nmaly i hoe: "Nitadia ny boriky. Sy efa hitanay fa tsa nety hita reo, de nandeha tagny amin'ny Samoela agnay." 15 Zao ro nataon'i Dadatoan'i Saoly hoe: "Mba tarogno aminahy roa ze raha notarognin'i Samoela taminareo." 16 Namaly ny ralahin-drainy i Saoly hoe: "Nitarogna taminay mazava soa i fa efa hita ny boriky. "Fa tsa nilaza taminazy ny momba ny resaka fanjakana, ze efa nolazain'i Samoela i. 17 De nangehin'i Samioela hiaraka teo ano- loan'i Yaveh tao Mizpa reo vahoaka. 18 Zao ro nataony tamin-dreo olon'Israely hoe:"Iaho ro raha notarognin'i Yaveh, Andriamagnitsy ny Israely: 'Namoaka an'Israely Aho sady nagnavotsa anareo teo amin'ny tagnan'ny Egyptiana, de tamin'ny tagnan'ny fanjakana aby ze napijaly anareo. ' 19 Fa amizao efa nandà ny Andriamagnitsareo Ze niaro anareo tamin'ny loza sy fahorianareo aby agnareo; de nilaza taminazy agnareo hoe: 'Amitraho panjaka eo aminay.' Androany atoloro eo alohan'i Yaveh araka ny fokonareo sy ny vondrognareo ny tegnanareo." 20 De nandriny an'i Samoela ny fokon'ny Israely aby, de ny fokony benjamina ro voafidy. 21 Sy avy eo de noferiny nandriny ny fokon'ny Benjamina; de ny fokon'ny Matrita ro voafidy, fa sy efa nandeha nitadia anazy reo, de tsa nety hita i. 22 Sady ny ona tena te hametraka fagnotaniana betsaka tamin'Andriamagnitsa hoe: "Vona misy lihilahy hafa ho avy ve? "Yaveh namaly hoe: "Nagnafigna ny tegnany eo amin'ny entagna i." 23 De niridiridy reo sady nangalaka an'i Saoly hatao. Sy efa nitsangagna teo amin'ny ona i, de lava mihoatsa ny ona aby hategny atsorony ro ho miakatsa i. 24 De zao ro nataon'i Saoly tamin'ny ona hoe: "Hitanareo ve ny lihilahy ze voafidin'i Yaveh? Tsa misy ona tahaka anzy eo amin'ny vahoaka aby!" Ny ona aby nangaika hoe: "ho ela velogna ny panjaka!" 25 De nilaza tamin'ny vahoaka ny fomba sy ny fitsipiky ny fanjakana i Samoela, nanoratsa ny tao agnaty boky, sady nametraka anizay teo agnatrehan' Yaveh. Sy avy eo de nalefan'i Samoela ny vahoaka aby, handeha agny amin'ny tragnony aby. 26 Nody tagny andragnon'ny tagny Gibea koa i Saoly, sady niaraka tamin'ny lihilahy matanjaka sasany, ze nokasihin'Andriamagnitsa ny fony. 27 Fa ny sasany tamin'ny ona tsa misy dikany nanao hoe: "Aminina ro afahan'io lihilahy io magnavotsa anay?" Nagnaraby an'i Saoly ny ona sady tsamba nitondra fagnomezana ho anazy. Fa nangina nefa i Saoly.