Toko faha 11

1 y avy eo Nahasy Amorita nandeha de nitoby tagny Jabesi-Gileada. Zao ro nataon'ny olon'i Jabesy aby tamin'ny Nahasy hoe: "Manaova fagnikena miaraka aminay, de hanompo anareo agnay." 2 De namaly i Nahasy Amonita hoe: "Amizao fepetra zao ro hanaovako fifagnikena aminareo, de ny hagnapotsiriko ny masonareo aby akavagnana , de zay ro fomba hitondrana fahafahambaraka eo amin'Israely." 3 De ny loholon'i Jabezy namaly anazy hoe: "Avilao rery mandritsy ny fito andro agnay, mba hafahanay mandeha iraka mandeha agny amin'ny faritanin'Israely aby. De, lehe tsa misy neko raika aza hamonjy anay, de hitoli-batana aminareo agnay." 4 De avy tagny Gibea, ze notiren'i Saoly ny iraka, de nilaza anizay raha nitranga zay tamin'ny vahoaka. De nitomagny mafy ny vahoaka aby. 5 De nagnaraka ny omby hatagny atanimboly i Saoly. Zao ro nataony Saoly: "Ina ro mahazo ny vahoaka ro mapitomagny an-dreo?" De notarognin-dreo tamin'i Saoly ny raha nolazain'ny lihilahin'i Jabesy. 6 Sy efa ren'i Saoly ny raha ze nolazain-dreo, de nidigna teo ny fagn ahin'Andriamagnitsa, ko nasiaka mafy i. 7 Nangalaka ziogan'omby raika i, ko notapatapahany, sady nalefany nanerana ny Israely aby niaraka tamin'ny iraka reo. Zao ro nataony: "Ze aby tsa hienga hagnaraka an'i Saoly sy Samoela, de tahaka anio ro hanaovana ny ombiny." De nidigna tamin'ny vahoaka ny horohoron'i Yaveh, ko niara-nienga tahaka ny ona raika reo. 8 Sy efa namory an-dreo tagny Bezeka i, de nisy telo hetsy ny vahoakan'Israely, de ny olon'ny Joda de telo aligna. 9 Zao ro nataon-dreo tamin'ny iraka ze avy tagny: "Hilaza amin'ny olon'ny Jabesi-Gileada agnareo hoe: 'Sy apitso, amin'ny fotoagna mapahamay ny masoandro, de ho voavonjy agnareo." ' Ko nandeha ny iraka de nilaza tamin'ny olon'i Jabesy. de faly o. 10 De zao ro nataon'ny olon'i Jabesy tamin'i Nahasy: "Hitolo-batagna aminao agnay sy apitso, de afaka ataonaoa inay ze hitanao fa mety." 11 Ny apitso de napetran'i Saoly tao agnaty vondrogna telo ny vahoaka. De nandeha teo agnivon'ny toby tamin'ny fiambenana maraigna reo, sady nanafika reo ko naharesy ny Amorita mandar-pahamay ny andro. Reo ze vona velogna de nahely, mba tsa hisian'ny roa hiara-tavela. 12 De zao ro nataon'ny vahoaka tamin'i Samoela hoe: "Ia ro nitarogna hoe: 'Hanjaka eto amitsika nga i Saoly?'Fero ny ona, mbahafahatsika mamono an-dreo." 13 Fa zao ro nataon'i Saoly: "Aoka mba tsa hisy ho maty neko raika amity andro ty, satria nagnavotsa an'Israely Yaveh droany." 14 Sy avy eo de zao ro nataon'i Samoela tamin'ny vahoaka hoe: "Andao, handeha tsika hoa agny Gilgala sady hagnavao ny fanjakana agny ndraika." 15 Ko nandeha tagny Gilgala ny vahoaka aby de nanao an'i Saoly ho panjaka teo agnatrehan'i Yaveh tagny Gilgala. Tagny ro nanaovan-dreo sorogna fagnati-pihavagnana teo agnatrehan'i Yaveh, de i Saoly sy ny lihilahin'Israely de feno hafaliana tateraka.