Toko faha 12

1 Zao ro nataon'i Samoela tamin'ny Israely aby: "Efa nihieno aby ny raha ze nolazainareo taminahy aho, sady efa nanendry ny panjaka teo aminareo. 2 Androany, io mandeha eo alohanareo ny panjaka; de efa antitsa sy fotsy volo aho; sady, ny zanako eo aminareo. Efa nandeha teo aminareo hatraminy taloha ko zizika androany aho. 3 Itito aho; mijoro vavolombelogna hanohitsa anahy eo agnatrehan'i Yaveh sy eo agnatrehan'ny voahosony. Ombinia ro efa nalaiko? Apondran'ia koa ro efa nalaiko? Ia ro efa nambakaiko? Ia ro efa napijaliako?Avy tamin'ny tagnania ro efa nadraisako kolikoly mba hahatapigna ny masoko? Mijoroa vavolombelogna hanohitsa anahy, fa hapodiko aminareo zay." 4 Zao ro nataon-dreo hoe: "Tsa namitaka anay agnao, tsa napijaly anay, na nangalaka na ina na ina tamin'ny tagnan'olo." 5 De zao ro nataon-dreo hoe: "Yaveh ro vavolombelogna aminareo, de ny voahosony ro vavolombelogna androany, fa tsa nahita na ina na ina teo an-tagnako agnareo. " Reo namaly hoe: "Yaveh ro vavolombelogna." 6 Zao ro nataon'i Samoela tamin'ny vahoaka hoe: "Yaveh ro nanendry an'i Mosesy sy Arona, de nitondra ny razambenareo niakatsa hatagny amin'ny tany Egypta. 7 Koa androany, atoloro ny tegnanareo, mba hahafahako mifandahatsa aminareo eo agnatrehan'i Yaveh mahakasika ny asa marin'i Yaveh, ze nataony ho anareo sy ny razambenareo. 8 Sy efa avy tagy Egypta i Jakoba, de nitaraigna tamin'i Yaveh ny razambenareo, de nandefa an'i Mosesy sy Arona i Yaveh, ze nitarika ny razambenareo hienga an'i Egypta de nitoatsa tamin' ity toerana ty reo . 9 Fa ny nagnadigno an'i Yaveh Andriamaniny; ko nivarotsa an-dreo teo an-tagnan'i Sisera, pitarika ny tafik'i Hazora i, teo an-tagnan'ny Filistinina, de teo an-tagnan'ny panjakan'i Moaba; reo aby ro niady tamin'ny razambenareo. 10 Nitaraigna tamin'i Yaveh reo sady nanao hoe: 'Efa nanota agnay, satria efa nahafoa an'i Yaveh sady efa nanompo an'i Bala sy ny Astarta. Fa androany magnafaha anay eto an-tagnany fahavalonay, de hanompo anao agnay.' 11 Noho zay de nagniraka an'i Jerobala, Bedana, Jefta, de i Samoela i Yaveh, de nagnome fandresena ho anareo teo an-tagnany fahavalonareo by magnodidigna anareo, ko nahafahanareo niaigna ampilamignana. 12 Sy efa hitanareo fa avy hanohitsa anareo i Nahasa mpanjakan'ny vahoakan'i Amona, de zao ro nataonareo taminahy hoe: 'Tsa mety Fa ôka, ho panjaka ro hanjaka eto aminay'---kanefa i Yaveh Andriamgnitsareo, ro panjakanareo. 13 Io, akehitriny ro panjaka voafidinareo, ze nangatahinareo, de ze nosafidian'i Yaveh hanjaka eo aminareo androany. 14 Lehe matahotsa an'i Yaveh agnareo, de manopoa Anazy, ikeo ny feony, de aza mikomy hanohitsa ny didin'i Yaveh, de samy ho pagnaraka an'i Yaveh Andriamagnitsareo agnareo sy ny panjaka ze manjaka eo aminareo. 15 Fa lehe tsa magneky ny feon'i Yaveh agnareo, fa mikomy hanohitsa ny didin'i Yaveh, de hamely anareo ny tagnan'i Yaveh, tahaka ny namilezana ny razambenareo. 16 Ko mitsangana akehitriny de jireo zao raha lihibe ze hataon'i Yaveh eto imasonareo zao. 17 Nga tsa fotoagna filàna vary tritrika zao? Hangaika an'i Yaveh aho, mba handifasany godogna sy oragna. De ho hitanareo sy ho fantatsareo fa lihibe ny faharatsiam-pagnahinareo, ze nataonareo teo imazon'i Yaveh , tamin'ny alalan'ny fangatahanareo mpanjaka. " 18 Ko de nangaika an'i Yaveh i Samoela; de tamizay andro zay hiany de nandefa oram-baratsa i Yaveh. Ko de natahotsa mafy an'i Yaveh sy i Samoela ny vahoaka aby. 19 De zao ro nataon'i vahoaka aby tamin'i Samoela hoe:" Mivavaha ho an'ny mpanomponao amin'i Yaveh Andriamagnitsao, mba tsa ho maty agnay. Satria efa nagnampy ny fahotanay aby tamin'ny alalan'ny fangatahana panjaka agnay." 20 De namaly Samoela hoe: "Aza matahotsa. Efa nanao zao ratsy aby zao agnareo, kanefa aza miala amin'i Yaveh, fa manompoa an'i Yaveh amin'ny fonareo abiaby. 21 Aza mivily magnaraka ny zava-poagna ze tsa mahasoa na mahavonjy anareo, satria de tsa misy ilaina an-dreo 22 Fa nohon'ny agnarany lihilbe, de tsa handà ny olon'ny i Yaveh, satria mahafaly an'i Yaveh ny hanao anareo ho vahoakany. 23 Lehe ny aminahy, de sagnatriaviko ny hanota amin'i Yavehamin'ny fitsaharana ny hivavaka ho anareo. Fa zao hapianatsa anareo ny lalagna ny amin'ny soa sy ny marina aho. 24 Yaveh hiany ro atahoro de manopoa Anazy amin'ny fahamarinana amin'ny fonareo manontolo. Hivero ny raha lihibe ze efa nataon'ny taminareo. 25 Fa lehe mikiry ny hanao ratsy agnareo, de samy ho ringagna agnareo sy ny mpanjakanareo."