Toko faha 13

1 Telopolo taogna i Saoly ro nanomboka nanjaka; sy efa nanjaka efapolo taogna teo amin'Israely i, 2 de nifatigna lihilahy telo arivo teo amin'Israely. Roa rivo ro niaraka taminazy tagny Mikmasy sy tagny amin'ny havoan'ny tanànan'i Betela, lehe ny arivo kosa niaraka tamin'i Jonatana tagny Gibean'i Benjamina. Ny miaramila sisa tavela de nalefa nody, ny lihilahy tsiraidraika samy handeha agny n-dainy aby. 3 Nandresy ny toby miaramilan'ny Filistinina i Jonatana ze tagny Geba sady nandre anizay ny Filistinina. De nitsoka tropetra nanerana ny tany i Saoly, nitarogna hoe: "Aoka handre ny Hebreo." 4 Ren'ny Israely aby fa i Saoly de nandresy ny miaramilan'ny Filistinina, de ny Israely hiany koa de tonga-pofogna io ho an'i Filistinina. De ny miaramila de napangehina hivondrogna hagnaraka an'i Saoly agny Gilgala. 5 Niara-nivondrogna ny filistinina mba hiady hanohitsa ny Israely: kalesy telo arivo, lihilahy enina arivo hitondra ny kalesy, de antoko betsaka an'isa tahaka ny fasika egny amoron-dranomasina. Niakatsa reo de nitoby tagny Mikmasy, atsinaninan'i Betavena. 6 Sy efa hitan'ny lihilahin'Israely fa nisavoritaka reo__fa ory ny vahoaka, de nisitrika tao amin'ny zohy, tao amin'ny kirihits'ala, tao amin'ny haram-bato, tao amin'ny famorian-drano, de tao agnaty lavaka ny vahoaka. 7 Ny sasany tamin'ny Hebreo niapita an'i Jordana ho agny amin'ny tanin'i Gada sy Gileada. Fa i Saoly kosa vona tagny Gilgala, de ny vahoaka aby nagnaraka anazy tamik'ovitsa. 8 Niandry nandritsa ny fito andro i, ny fotoagna ze namen'i Samoela. Fa Samoela tsa avy tagny Gilgala, de ny vahoaka de niparitaka niala teo amin'i Saoly. 9 Zao ro nataon'i Saoly: " Fero aty aminahy ny fagnatitsa doroana sy ny fagnati-pihavagnana."De natolony ny fagnatitsa doroana. 10 Vatany vô natolony ny fagnatitsa doroana de avy i Samoela. Nienga nitsena sy niarahaba anazy i Saoly. 11 De zao ro nataon'i Samoela: "Ina ny nataonao?"Namaly i Saoly hoe: "Sy efa hitako fa niala taminahy ny vahoaka, de tsa avy teto aminahy tamin'ny fotoagna namena agnao, de ny Filistina efa nivory tagny Mikmasy, 12 de zao ro nataoko hoe: 'Androany ny filistinina de ho avy hanohitsa anahy ao Gilgala, de iaho tsa nitadia ny fankasitrahan'i Yaveh. 'Ko nanery ny tegnako hanolotsa ny fagnatitsa doroana aho. " 13 De zao ro nataon'i Samoela tamin'i Saoly hoe: "Nanao hadalana agnao. Tsa nitandrigna ny didin'i Yaveh Andriamagnitsao ze nameny anao agnao. Fa tamizay ro namitrahany Yaveh ny fanapahanao eo amin'ny Israely mandrakizay. 14 Fa akehitriny de tsa hitohy ny fanapahanao. Nitadia lihilahy raika araka ny fony hiany Yaveh, de Yaveh nanendry anazy ho andriana eo amin'ny vahoakany, satria tsa nagneky anize nandidiany anao agnao." 15 Sy avy eo i Samoela niakatsa hatagny Gilgala ho agny Gibean'ny Benjaminina. De i Saoly nagnisa ny vahoaka ze avy niaraka taminazy teo, teo ho eo amin'ny enin-jato lahy teo. 16 Saoly Jonatana zanany lahy, de ny vahoaka ze avy niaraka tamin-dreo, de nitoatsa tao Gibean'i Benjamina. Fa ny Filistina ro nitoby tagny Mikmasy. 17 Nienga hatagny amin'ny tobin'ny Filstina tamin'ny vondrogna telo ny panafika . Ny vondrogna raika nandeha agny Ofra, agny amin'ny tanin'i Soala. 18 Ny vondrogna raika hafa nandeha agny Beti-horona, de ny vondro raika hafa nandeha agny amin'ny sisin-tany ze hahatsinjovana ny lohasahan'i Zeboima magnatrika ny tany efitsa. 19 Tsa nahitana panefy nagnodidigna ny Israely aby, satria zao ro nataon'ny filistinina: "Lehe tsa zay ny Hebreo de hagnamboatsa sabatsa na lefogna ho an-dreo." 20 Fa ny lihilahin'Israely aby de efa zatsa nidigna nandeha agny amin'ny Filistinina, ny tsiraidraika mba handrangitsa ny tendron'angadiny, ny fihadiana ny tanin'ny, ny famakiny, de ny mesam-bilogna. 21 Ny sarany de roa apahatelon'ny sekely ny tendron'angady, sy ny fihadianan-tany, de raika apahatelon'ny sekely ny fandragnitana ny famaky sy ny fagnitsiana ny fanindrognana. 22 Ko tamin'ny andron'ny ady, de tsa nahitana sabatsa na lefogna teo antagnan'ny miaramila ze niaraka tamin'i Saoly sy Jonatana; i Saoly sy Jonatana zanany hiany ro nanagna anizay. 23 Ny miaramilan'ny Filistinina de nienga nandeha agny amin'ny lalan'i Mikmasy.