Toko faha 14

1 Ndray andro, i Jonatana zanak'i Saoly nitarogna tamin'ny zatovo pitondra ny fiadiany hoe: "Andao, handeha tsika hiapita egny amin'ny toby miaramilan'ny Filistinina egny apita." Nefa tsa notarogniny ny rainy 2 Nitoatsa teo amin'ny magnodidigna an'i Gibea ambanin'ny hazon'apongamben-dagnitsa ze tao migrona i Saoly. Teo ho eo amin'ny lihilahy eninjato teo ro niaraka taminazy, 3 anisan'izay i Ahia, zanak'i Ahitoba(rahalahin'i Ikaboda) zanak'i Finehasa zanak'i Ely, ny pisorogn'i Yaveh tao Silo, ze niakanjo efoda. Tsa fantatsy ny vahoaka hoe nandeha i Jonatana. 4 Teo amin'ny lafy tsiraidraika amin'ny fitàna nirian'i Jonatana handihianana mba hoagny amin'ny miaramilan'ny Filistina, de nisy harambato teo amin'ny andagniny de harambato hafa teo amin'ny agnilany. Ny harambato raika nakehina hoe Bozeza de ny harambato raika hafa nakehina hoe Sene. 5 Ny harambato raika nitsangagna teo avaratsa nanologna an'i Mikmasy, de ny hafa teo atsimo teo alohan'i Geba. 6 Zao ro nataon'i Jonatana tamin'ny zatovo pitondra fiadiany: "Andao, handeha tsika hiapita egny amin'ny miaramilan'ny namana tsa foavora reo.Ngamba i Yaveh mba hiasa ho antsika, fa tsa misy na ina na ina mahasakana an'i Yaveh amin'ny famonjena amin'ny betsa na amin'ny ona kely. " 7 Namaly ny pitondra ny fiadiana hoe: "Ataovo aby ze raha ao aponao. Mandrosoa, io, aminao aho, mba hagneky ny bekonao aby." 8 De zao ro nataon'i Jonatana hoe: "Hiapita egny amin'ny lihilahy tsika, de hiboaka eo amin-dreo. 9 Lehe mitarogna amintsika reo hoe: "Andrazo egny mandra-piavinay egny aminareo'__de hiegnina eo amin'ny toerantsika tsika ko hiapita egny amin-dreo. 10 Kanefa lehe namaly reo hoe: 'Mandihiana aty aminay', de hiapita tsika; satria efa natolotsy Yaveh ho eo an-tagnantsika reo. Izay ro ho famatarana ho antsika." 11 Ko samy niboaka teo amin'ny toby miaramilan'ny Filistina reo. Zao ro nataon'ny Filistina: "Io, mienga hatagny agnaty lavaka ze nasitri-dreo ny tegnany ny Hebreo . " 12 De nangaika an'i Jonatana sy ny pitondra fiadiany ny lihilahin'ny miaramila, ko nanao hoe: "Miakàra aty aminay, de hatoronay raha agnareo. "Zao ro nataon'i Jonatana tamin'ny pitondra ny fiadiany: "Magnaraha anahy ao afara, satria efa natolots'i Yaveh eo an-tagnan'ny Israely reo." 13 Nihanika tamin'ny tagnany sy tongony i Jonatana, de nagnaraka tao afarany ny pitondra ny fiadiany. Novonoana teo alohan'i Jonatana ny Filistina, de ny pitondra ny fiadiany namono ny tao afarany. 14 Zay ro faafihana ze nataon'i Jonatana sy ny pitondra ny fiadiany, de nahafaty ny tokony ho lihilahy roapolo tao amin'ny faritsy ny atsasa-kektara. 15 Nisavoritaka be tao an-toby, tagny antanimboly, sy teo amin'ny vahoaka.Neko de ny miaramila sy ny panafika aza de natahotsa. Nihovotsovotsa ny tany, sady nisy tahotsa lihibe. 16 De ny pitilin'i Saoly tagny Gibean'ny Benjaaamina nijery; niparitaka ny vahoakan'ny miaramilan'ny Filistina, De nandeha tetsy sy teroa reo. 17 De zao ro natan'i Saoly tamin'ny vahoaka ze niaraka taminazy: " Isao de jireo ze tsa eto ny avy hatamitsika." Sy efa nagnisa reo, de i Jonatana sy ny pitondra ny fiadiany ro tsa teo. 18 Zao ro naton'i Saoly tamin'ny Ahia: "Fero aty ny fiaran'Andriamagnitsa, " fa tagny amin'ny vahoakan'i Israely zay tamizay fotoagna zay. 19 Lehe vona niresaka tamin'ny pisorogna i Saoly, de nitohy sy nitombo ny tabataba tao amin'ny toby ny Filistina. De zao ro nataon'i Saoly tamin'ny pisorogna: "Ahimoro ny tagnanao." 20 Nivondrogna sady nandeha tagny agn'ady i Saoly sy ny vahoaka ze niaraka taminazy.Ny sabatsy ny Filistina tsiraidraika e namely ny piray tanàna taminazy, sady nisy fifanjevoana lihibe tokoa. 21 De ny hebreo ze niaraka tamin'ny Filistina taloha reo, sy zeniaraka tamin-dreo tagny an-tobyaza de mba nikambagna tamin'ny Israelita ze niarka tamin'i Saoly sy Jonatana. 22 Sy efa ren'ny olon'Israely aby ze nisitrika tagny amin'ny havoagna agnilan'i Efraima fa nilefa ny Filistina, de nodozorin-dreo zizika tagny agn'ady reo. 23 Ko tamizay andro zay de nagnavotsa ny Israely i Yaveh, de nihoatsa hatragny Betavena ny ady. 24 Ory ny olon'Israely tamizay andro zay satria i Saoly nametraka ny vahoaka to ambany fianiagnana sady nanao hoe: "Voaozogna ny ona ze mihinan-kanina mandra-pahariva sady aho de hamaly faty ny fahavaloko."De tsa nisy ona avy ao amin'ny atoko nanendry hanina. 25 De niditsa tao agnaty ala ny vahoaka aby de nisy tantely teo amin'ny tany. 26 Sy efa niditsa tao agn'ala ny vahoaka, de niraraka ny tantely, nefa tsa nisy ona nanao ny tagnany tao agnaty vava satria natahotsa ny fianiagnana ny vahoaka. 27 Nefa tsa ren'i Jonatana fa namatotsa ny vahoaka tamin'ny fianiagnana ny rainy. De nanandratsa ny tendron'ny tehigna ze tegny atagnany i sady nagnatsoboka anizay tao agnaty tohon-tantely. Napiakatsa ny tagnany teo ambavany i, ko nagnazava ny masony. 28 De ny raika tamin'ny vahoaka, namaly hoe: "Novisaran'ny rainao tamin'ny fianiagnana henjagna tokoa ny vahoaka, tamin'ny notarognany hoe: 'Voaozogna ny ona ze mihinan-kanina amity andro ty', neko de malemin'ny hanoanana aza ny vahoaka." 29 De zao ro nataon'i Jonatana hoe: "Nagnakorotagnana ny tanin'ny raiko. Jireo fa nanjary nazava ny masoko satria nagnandragna kely tamin'ity tately ty aho. 30 Maika lehe nihinana am-pahalalahana tamize voaroba tamin'ny fahavalon-dreo ze hitany androany ny ona? Satria tsa lihibe teo amin'ny Filistina ny famonoana amizao." 31 Taminio andro io de nanafika ny Filistina nanomboka tao Mikmasy hatragny Aialona reo. Reraka tanteraka ny vahoaka. 32 Niridiridy fatratsa tamn'ny varoboba ny vahoaka ko nangalaka ondry, ômby sy zanak'ômby,de namono anireo teo amin'ny tany. Nihinana anizay niaraka tamin'ny rà ny vahoaka. 33 De zao ro nataon-dreo tamin'i Saoly : "Io, Nanota tamin'i Yaveh tamin'ny fihinanana niaraka tamin'ny rà ny vahoaka. "Zao ro nataon'i Saoly: "Nanao ze tsa matoky agnareo. Androany, magnagiridìgna vato lihibodaka ateto ho anahy." 34 Zao ro nataon'i Saoly: "Mienga hatagny amin'ny vahoaka, de lazao an-dreo hoe: 'Aoka ny ona tsiraidraika samy hitondra ny ômbiny sy ny ondriny, vono eto reo, de hoano. Aza manota amin'i Yaveh amin'ny fihinanana rà. " ' Ko ny tsiraidraika tamin'ny vahoaka de nitondra ny ômbiny niaraka taminio aligna io sady namono anizay teo. 35 Namboatsa alitara ho an'i Yaveh i Saoly, zay ro alitara namboariny voalohany ho an'i Yaveh. 36 De zao ro anaton'i Saoly: "Andao tsika handodotsa ny Filistina handroba an-dreo zizika maraigna; andao tsa hisy hasiantsika velogna dreko raika aza.'' Namaly reo hoe: "Ataovo aby ze raha hitanao fa mety soa aminao." Nefa zao ro anaton'ny pisorogna: "Andao tsika hagnatogna an'Andriamagnitsa eto." 37 Nagnotany an'Andriamagnitsa i Saoly hoe: "Tokony handodotsa ny Filistina ve aho?"Hatolotsao eo atagnan'Israely ve reo?Nefa tsa namaly anazy Andriamagnitsa taminio andro io. 38 De zao ro nataon'i Saoly: "Avia ateto, agnareo pitarika ny vahoaka aby; fantaro de jireo ny fomba nidrangan'izao fahotana zao androany. 39 Fa, lehe vona velogna koa i Yaveh, ze magnavotsa ny Israely, neko de ao amin'i Jonatana zanaka aza zay, de ho maty tokoa i." Nefa tsa nisy ona teo amin'ny vahoaka aby namaly anazy. 40 De zao aby ro nataon'Israely: "Mitangàna eo agnilany, de iaho sy Jonatana de ho eo amin'ny andagniny." Zao ro nataon'ny vahoaka tamin'i Saoly: "Ataovo ze mety ho soa aminao." 41 Ko de zao ro nataon'i Saoly tmin'i Yaveh, Andriamagnitsy ny Israely: "Atoro ny Tomima." Jonatana sy Saoly ro haza tamin'ny filokana, fa tafiala tsa ho voafidy ny vahoaka. 42 De zao ro nataon'i Saoly: "Manaova filokana aminahy sy amin'ny Jonatana zanako." De i Jonatana ro voafidy tamin'ny filokana. 43 zao ro nataon'i Saoly tamin'ny Jonatana: "Tarogno anahy ze nataonao." Zao ro nataon'i Jonatana taminazy: "Nagnandragna kely tamin'ny tately ze tegny atagnako aho. Itito aho. " 44 Zao ro nataon'i Saoly: "Hanao anizay Andriamagnitsa de hanao anizay mihoatsa aminahyiany koa, Lehe tsa mety agnao ry, Jonatana." 45 Ce zao ro nataon'ny ona tamin'i Saoly: "Tokony ho maty ve i Jonatana, ze nahantateraka anizao fandrisena lihibe izao tamin'ny vahoakan'Israely zao? Sagnatria anie zay! Lehe vona velogna koa i Yaveh, De tsa hisy singam-bolondohany hitroraka amin'ny tany, fa niasa niaraka tamin'Andriamagnitsa i androany." Ko nagnavotsa an'i Jonatana ny vahoaka ko tsa maty i. 46 De niegnina tsa nagnenjika an'i Filistina i Saoly, de nipody tagny amin'ny toeran-dreo ny Filistina. 47 Sy efa nanomboka nanapaka an'Israely i Saoly, de niady tamin'ny fahavalony tegny amin'ny lafiny aby i. Niady tamin'i Moaba, ny Amonita, Edoma, ny panjakan'i Zoba, de ny Filistina i. Na taia na taia ro nitodihany, de napitondrainy sazy reo. 48 Niasa tamin-kerim-po lihibe i ko nandresy ny Amalekita. Namonjy ny Israely ho afaka tamin'ny tagnan'ny ze nandroba an-dreo i. 49 Ny zanaka lahin'i Saoly de i Jonatana,Jisvy, de i Mlkisoa. Ny agnaran'ny zanany vavy roa de i Meraba, vavimatoa, de i Mikala, faravavy. 50 Ahinoama ro agnaran'ny vadin'i Saoly; zanaka vavin'ny Ahimoaza i. Ny agnaran'ny kapiteny ny tarika de i Abnera zanak'i Nera, rahalahin-drain'i Saoly. 51 Kisy ro agnran'i Saoly; de Nera rain'i Abnera, ro zanaka lahin'i Abiela. 52 Nisy ady mafy teo amin'ny Filistina tamin'ny andron'i Saoly aby. Sy efa nahita ona mahery , na ona mahery fo i Saoly, de nalainy ho anazy i.