Toko faha 15

1 Zao ro nataon'i Samoela tamin'i Saoly: " Yaveh nagniraka ahy hagnosotra anao ho mpanjaka eo amin'ny Israely olony. Ankehitriny de henoy ny tenin'i Yaveh. 2 Zao ro lazain'i Yaveh tompon'ny maro: 'Efa tsinjoko ny nataon'i Amaleka tamin'ny vahoakan'Is- raely tamin'ny nanoherany an-dreo tengy an-dalagna, sy efa niakatsa avy hatagny Egypta reo. 3 Ankehitriny mandehana ko tafiho i Amaleka de poteho tanteraka ze hanagnan-dreo. Aza miaro ana-dreo, fa samy vono na ny lahy na ny vavy, ny kilonga sy ny zaza, ny omby sy ny ondry, de ny rameva sy ny boriky." ' 4 Napangaika ny vahoaka i Samoela de nagnisa an-dreo tao amin'ny tanànan'i Telaima: lihilahy nandeha tongotsa roa hetsy, de lihilahin'i Joda ray aligna. 5 Avy eo i Saoly dia avy tagny amin'ny tanànan'i Amaleka de niandry tagny an-dohasaha. 6 De zao ro nataon'i Saoly tamin'ny Kenita: "Mandihiana, mialà, mienga hategny amin'ny amalekita, mba tsa handringianako anareo miaraka amin-dreo. Fa nanoro hatsara-pagnahy tamin'Israely aby agnareo, taminy agnao avy tagny amin'ny tany Egypta reo. " Sy zay de niala tamin'ny Amalekita ny Kenita. 7 Sy avy eo de namely ny Amalekita i Saoly, hatragny Havilaha zizika agny Sora, ze agny atsinaninan'i Egypta. 8 De nataony sambob-elogna i Agaga mpanjakan'i Amalekita; naringany tateraka tamin'ny lelantsabatra ny vahoaka aby. 9 Fa niaro an'i Agaga, sy ny ondry, ômby, ômbivavy mifahy, de ny zanak'ondry soa indrindra i Saoly sy ny ona. ny raha aby ze soa, de tsa nopotehin-dreo. Fa nopotehin-dreo ny raha aby ze namavoina sy tsa misy dikany. 10 De avy tamin'i Samoela ny tarogn'i Yaveh, nanao hoe: 11 "Nanignienako ny nanaovako an'i Saoly ho panjaka, fa niala tamin'ny fagnarahana Anahy i sady tsa nagnateraka ny didiko." Nasiaka i Samoela; nitabataba mafy tamin'i Yaveh i mandritsy ny aligna manontolo. 12 Nifoha maraigna i Samoela mba hihaogna amin'i Saoly sy maraigna. Nilaza tamin'i Samoela hoe: "Avy tagny Karmela i Saoly de nanangagna tsangambato ho an'ny tegnany, de nitodi-doha ko nanohy nidigna nandeha tagny Gilgala." 13 De avy tagny amin'i Saoly i Samoela, de zao ro nataon'i Saoly taminazy hoe: "Tena voatahin'i Yaveh agnao! Tanteraka ny didin'i Yaveh." 14 Zao ro nataon'i Samoela hoe: " Ina zao fitregnan'ny ondry ao antsofiko zao, sy ny fitregnan'ny ômby zao reko zao?" 15 Namaly i Saoly hoe: "Efa noferin-dreo hatagny amin'i Amalekita zay. Fa niaro ny ondry sy omby soa ndrindra ny ona, mba hanaovana sorogna ho an'i Yaveh Andriamagnitsao. Efa naringanay tateraka ny sisa tavela. " 16 De zao ro nataon'i Samoela tamin'i Saoly hoe: "Andrazo, de ho lazaiko anao ze notarognin'i veh taminahy tamin'ny aligna." De zao ro nolazain'i Saoly taminazy hoe: "Mitarôgna!" 17 Zao ro nataon'i Samoela hoe: "Neko de kely eo imasonao hiany aza agnao, nga tsa natao ho lohan'ny fokon'Israely ngaha agnao? sady i Yaveh ro nagnosotsa anao ho panjaka eo amin'Israely, 18 de i Yaveh nagniraka anao tamin'ny lalanao nanao hoe: 'Mandihiana de aringiano tateraka ny panota, ny Amalekita, de miadia amin-dreo mandra-pahafatin-dreo.' 19 Nahoana agnao ro tsa nagneky ny feon'i Yaveh, fa nangalaka ny babo agnaosady nanao ny ratsy teo imason'i Yaveh?" 20 De zao ro nataon'i Saoly tamin'i Samoela: "Nagneky ny feon'i Yaveh tokoa aho, sady efa naneha tamin'ny lalagna efa nagnirahan'i Yaveh anahy. Efa nosamboroko i Agaga, mpanjakan'i Amaleka, de efa nofongoriko tateraka ny Amalekita. 21 Fa nangalaka ny sasany tamin'ny babo-ondry sy ômby , ny raha soa ndrindra natokagna ho an'ny fandravana, mba hanaovana sorogna ho an'i Yaveh Andriamagnitsao agny Gilgala ny ona." 22 Namaly i Samoela hoe: "Mankasitraka ny fagnatitsa dorana sy ny sorogna tokoa ve Andriamagnitsa, tahaka ny amin'ny fanka- toavagna ny feon'i Yaveh? Soa noho ny sorogna ny fankatoavagna, de ny mihaino ro soa mihoatsa ny tavin'ny ondry lahy. 23 Fa ny fikomiana de tahaka ny faho- tan'ny sikidy, de ny fahamafisan-doha de tahaka ny faharatsiana sy heloka. Satria efa nolavinao ny tarogn'i Yaveh, de tsa nagneky anao tsa ho panjaka koa I." 24 De zao ro nataon'i Saoly tamin'i Samoela hoe: "Efa nanota aho; satria nandika ny didin'i Yaveh sy ny tarognao, satria natahatsa ny ona aho de nagneky ny feon-dreo. 25 Androany, mba avilao roa ny heloko, de mipoana miaraka aminahy mba hanompo an'i Yaveh." 26 Zao ro nataon'i Saoly tamin'i Samoela hoe: "Tsa hipody hiaraka aminao aho; satria tsa nagneky ny tarogn'i Yaveh agnao, sady efa tsa nikenao ho panjaka eo amin'Israely i Yaveh.' 27 Sy hiala hitodi-doha igny i Samoela, de notanan'i Saoly ny morotongots'akanjony, ko nitriatsa zay. 28 Zao ro nataon'i Samoela taminazy: "Efa nalain'i Yaveh hiala aminao ny fanjakan'Israely androany de efa nameny ho an'ny namanao, ze soa noho agnao. 29 Sady koa, ny tanjak'Israely de tsa handenga na hapiova ny heviny mihintsiny; fa tsa ona I, ko hiova hevitsa." 30 De zao ro nataon'i Saoly hoe: "Efa nanota aho. Fa mba omeo vonininahitsa eo agnatehan'ny loholon'ny vahoakako sy eo agnatrehan'ny Israely aho androany. Miaraha mipody aminahy ndraika, mba hanopoako an'i Yaveh Andriamagnitsao. " 31 Ko nipody nagnaraka an'i Saoly ndraika i Samoela, de nanompo an'i Yaveh i Saoly. 32 De zao ro nataon'i Samoela hoe: "Fero aty aminahy amizao i Agaga mpanjakan'ny Amalekita. "De nandeha agny amin'ny Agaga mirohy gadra vy de nanao hoe: "Efa nandeha tokoa ny fangidian'ny fahafatesana." 33 Namaly i Samoela hoe: "Araka ny nanaovan'ny sabatrao ny apela ho momba, de ho momba tahaka anizay koa ny reninao eo amin'ny apela." De notapatapahan'i Samoela teo agnatrehan'i Yaveh tagny Gilgala i Agaga. 34 Nankany Rama I Samoela, de Saoly niakatsa tagny andragnony tagny Gibean'i Saoly. 35 Tsa nahita an'i Saoly i Samoela hatramin'ny andro nahafatesany, fa nalahelo mafy an'i saoly i. De nanegnina i Yaveh ny amin'ny nanaovany an'i Saoly ho mpanjaka teo amin'ny Israely.