1 Zao ro nataon'i Yaveh tamin'i Samoela hoe: "Zizika amiviana agnao ro hisaogna an'i Saoly, satria nolaviko tsa ho panjaka manerana ny Israely i? Feno diloilo ny tandrokao de mandihiana. Hirahiko ho agny amin'i Jese hatagny Betlehela agnao, fa efa nisafidy mpanjaka ho anahy amin'ny zanany lahy aho. " 2 ao ro nataon'i Samoela hoe: "Manao akory ny fomba andihianako?Raha mandre anizay Saoly, de ho vonoany aho. "Zao ro nataon'i Yaveh hoe: "Mitondrà ômivavy kely miarka aminao de tarogno hoe: ' Avy hanao sorogna ho an'i Yaveh aho. ' 3 Akeho amin'ny sorogna koa i Jese, de ho toroko anao ze hataonao, Hognosotsa ny raika ze ho tarognoko anao ho Anahy aho agnao. " 4 Nanao arakizay notarognin'i Yaveh i Samoela sady nandeha tagny Betlehema. Nihorohoro ny loholon'ny tanàna sy efa avy hihaogna amin-dreo de nitarogna hoe: "Avy mba hiavagna ve agnao?" 5 Zao ro nataony hoe: "Hihavagna; avy hanao sorogna ho an'i Yaveh aho. Miomàgna agnareo hanokagna ny tegnanareo de miarahà aminahy hande agny amin'ny fanaovana sorogna." De nanokagna an'i Jese sy ny zanany lahy i sady nanasa an-dreo ho agny amin'ny fanaovana sorogna. 6 Sy efa avy tagny reo, de nijery an'i Eliaba i sady nitarogna tamin'ny tegnany hoe nitsangagna manoloagna anazy tokoa ny voahosots'i Yaveh. Kanefa zao ro nataon'i Yaveh tamin'i Samoela hoe: "Aza mijery ny endriny ivelany, na ny hahavony tsangagnany; satria efa tsa nagneky anazy Aho. 7 Fa i Yaveh de tsa mijery tahaka ny fijerin'olombelogna; ny olombelogna mijery ny endrika ivelany, fa i Yaveh ro mijery ny ao am-po." 8 Sy avy eo de nangaika an'i Abinadaba i Jese sady napandalo anazy eo alohan'i Samoela. De zao ro nataon'i Samoela hoe: "Tsa nifidy anio raika io hiany koa i Yaveh. " 9 Sy avy eo de napandalo an'i Sama i Jese, fa zao ro nataon'i Samoela hoe: "Tsa nifidy anio hianykoa i Yaveh. " 10 Napandalovin'i Jese teo alohan'i Samoela ny fitoamin'ny zanany lahy. De zao ro nataon'i Samoela tamin'ny Jese hoe: " Tsa nifidy aniania taminio i Yaveh." 12 Nandeha i jese de nitondra anazy niditsa. de io tovolahy io de mena volo sy baribary maso sady soa endrika ivelany. Zao ro nataon'i Yaveh hoe: "Mitsangàna, hosoro i; fa io ro izy." 13 De noraisin'i Samoela ny tandroka misy diloilo de nohosorany teo agnivon'ny rahalahin'ny i. Nirotsaka tamin'i Davida ny Fagnahin'i Yaveh tamizay andro zay. Sy avy eo de nitsangagna i Samoela de nandeha tagny Rama. 14 De namela an'i Saoly ny Fagnahin'i Yaveh, ko nisy fagnahy ratsy hatamin'ny Yaveh napatahotsa anazy. 15 Zao ro nataon'ny panompony tamin'azy hoe: "Io, misy fagnahy ratsy hatamin'Andriamagnitsa mapikorotagna anao. 16 Aoka sady ny toponay handidy ny panomponao ze feno traikefa amin'ny fitindrena lokanga. De sy efa eo aminao ny fagnahy ratsy avy hatamin'Andriamagnitsa , de hitendry anizay i de ho soa agnao." 17 Zao ro nataon'i Saoly tamin'ny panompony hoe: "Itadiavo lihilahy mahay mitendry soa aho de fero aty aminahy aty i. " 18 De namaly ny raika tamin'ny tovolahy, sady nanao hoe: "Efa nahita ny zanaka lahin'i Jese Betlemita aho, ze tena mahay mitendry , matanjaka, lihilahy be heripo, lihilahin'ady, mahay mandahan-teny, lihilahy soa tarehy; sady momba anazy i Yaveh. " 19 Ko de nandefa pitondra hafatsa tagny amin'i Jese i Saoly, sady nitarogna hoe: "Alifaso aty aminahy i Davida zanakao lahy, miaraka amin'ny ondry." 20 Nangalaka boriky raika hitatitsa mofo, divay ray siny, sy zanak'osy i Jese, de nandefa an-dreo niaraka tamin'i Davida zanany lahy handeha agny amin'i Saoly. 21 Sy avy de avy teo amin'i Saoly i David de nanomboka ny fanopoany. tiàn'i Saoly loatsa i, ko nanjary pitondra ny fiadiany. 22 gniraka an'i Jese i Saoly ko nanao hoe: "Aoka i Davida hitsangagna eto alohako, satria nahita teto imasoko i." 23 Isaky ny teo amin'i Saoly ny fagnahy ratsin'Andriamagnitsa, de nanagalaka ny lokanga i Davida de nitendry anizay i. Ko velombelogna sy tony i Saoly, de niala teo amin'ny lay ny fagnahy ratsy.