Toko faha 17

1 De ny Filistinina namory ny tafikan-dreo hiady. Nivory tao Soko, ze an'i Joda reo. Nivory teo agnelagnelan'i Soko sy Azeka, tao Efasa-damima reo. 2 I Saoly sy ny Israely lihilahin'Israely de nivory sady nibotry tao amin'ny lohasahan'i Elaha, sady nandamigna ny filaharan-dreo amin'ny ady mba hifanehitsa amin'ny Filistina. 3 Nitsangagnateo ambony tendrombohitsa tegny apita ny Filistina, de ny Israely nitsangagna tegny ambony tendrombohitsa tarý apita tarý lohasaha ro nagnelagnelagna an-dreo. 4 Lihilahy matanjaka raika ro nienga hatagny amin'ny tobin'ny Filistina, lihilahy akehina hoe Goliata avy hatagny Gata, ze enina kahiko sy ray jehy ro halavany. 5 Nanao satroka fiarovan-doha varahogna teo amin'ny lohany i, sady niakanjo fiarova-tratra. Varahogna dimy arivo sekely ro lanjan'ny akanjo. 6 Nanao fiarovan-dranjo varahogna sy lefogna varahogna teo agnelagnelan'ny sorogna i. 7 Lihibe ny zara-defony, miaraka amin'ny tady volomboloana fanipazana anazy tahaka ny tady eo amin'ny vodi-tenony mpanenona. Ny lohan'ny lefony de vy milanja sekely eninjato. Nandeha teo alohany pitondra ampingany. 8 Nitsangagna i sady nitabataba mahery tamin'ny filaharan'Israely: "Nahoana agnareo ro avy hilahatsa hiady? Nga tsa Filistina ve aho, de agnareo panompon'i Saoly? Misafidiana lihilahy raika aminareo de aoka i hidigna aty aminahy. 9 Lehe mahay miady aminahy de mahafaty anahy i, de ho panoponareo agnay. Fa lehe mandresy anazy sady mahafaty anazy aho, de ho panoponay agnareo de hiasa ho anay." 10 De zao ndraika ro nataon'i Filistina hoe: "Manao fanamby amin'ny filaharan'Israely aho androany. Ameo lihilahy raika mba afaka hiady aminahy aho." 11 Sy efa nandre anize notarognin'i Filistina i Saoly sy ny Israely aby de kivy reo, de natahatsa mafy. 12 De i Davida de zanaka lahin'i Efratita hatagny Betlehema ao Joda, i Jese ro agnarany. Nananjanaka lahy valo i. Jese de efa lihilahy antitsa tamin'ny andron'i Saoly , tena antitsa teo amin'ny lihilahy. 13 Ny zokin'ny telo amin'ny zanaka lahin'i Jese de nagnaraka an'i Saoly tagny amin'ny ady. Ny agnaran'ny zanaka lahiny telo ze nandeha agny amin'ny ady de Eliaba ro lahimatoa, faharoa magnaraka anazy i Abinadaba, de i Sama ro fahatelo. 14 Davida ro zandriny ndrindra. Ny telo zokiny ndrindra ro nagnaraka an'i Saoly. 15 I Davida de nandroso sy nipody teo amin'ny tafik'i Saoly sy ny ondrin'ny rainy tao Betlehema, mba hamahagna an-dreo. 16 Maraigna sy hariva nandritsy ny efapolo andro ny lihilahin'ny Filistina matanjaka ro avy nandrìny mba hanolotsa ny tegnany ho amin'ny ady. 17 De zao ro nataon'i Davida zanany hoe: "Mangalà raika efaha amity vary voaendy ty de reto mofo rety ho an'ny rahalahinao, de fero malaky agny amin'ny toby reto ralahinao reto. 18 Fero agny amin'ny kapiteniny arivo hiany koa reto fromazy folo reto. Jireo hoe manao akory ny ralahinao de mitondrà porofo mipody aty fa tsa nahoana reo. 19 raka amin'i Saoly y ny lihilahin'Israely aby agny amin'ny lohasahan'i Elaha, miady amin'ny Filistina ny ralahinao." 20 Nifoha aloha i Davida sy maraigna de namela ny andian'ondry aman'osiny nokarakarain'ny mpiandry ondry raika. Nangalaka ny fitaovana i de roso, araka ny nandidian'i Jese anazy. Avy teo amin'ny toby i lehe igny nandeha nienga teo amin'ny toby i lehe igny nandeha nienga teo amin'ny sahan'ady mba hihiaka ady igny ny tafika. 21 Sy avy eo nilahatsa hiady ny Israely sy ny Filistina, tafika manohitsa tafika. 22 Namela ny fanagnany teo amin'ny pitagna ny fitaovana i, niridiridy nandeha agny amin'ny tafika , de nifakahita tamin'ny ralahiny. 23 Lehe niresaka tmin-dreo igny i, ny lihilahy matanjaka, ny filistina avy hatagny Gata, akehina amin'ny hoe:Goliata, de nienga avy hatagny amin'ny laharan'ny Filistina, ko nitarogna ny raha ze efa notarogniny teo aloha, de ren'i Davida reo. 24 Sy efa nahita ny lihilahy ny olon'Israely aby, de nilefa anazy sady natahatsa tokoa reo. 25 Ny lihilahin'Israely nitarogna hoe: "Hitanareo ve igny lihilahy maikatsa igny? Avy mba hagnanihiany ny Israely i. Hagnome harena ho anize mamono anazy ny panjaka, sady hagnome an'ny zanany ho vadiny i, sady hagnafaka ny akohonan-drainy amin'ny fandoavanan-ketsa ao Israely." 26 Zao ro nataon'i Davida tamin'ny lihilahy ze nitsangagna teo agnilany: "Ina ro hatao amin'ny lihilahy ze mamono anity Filistina ty sy hagnala ny fahafahambaraka amin'Israely? Ia ty Filistina tsa mifora ty ro hagnanihiany ny tafiky ny Andriamagnitsa velogna?" 27 De napodinolo ze nolazain-dreo sady nilaza taminazy hoe: "De tahaka anizay hiany ro hatao ho an'ny lihilhy ze mamono anazy." 28 Nadre anazy niresaka tamin'ny lihilahy i Eliaba zokiny lahimatoa. De nirehitsa tamin'i Davida ny siakan'i Eliaba, ko zao ro nataony:"Nahoana agnao ro midigna aty?" Ia ro namilànao ny ondry vitsy agny atany efitsa? Fantako ny avognavogna sy ny sompatsa ao agnatin'ny fonao; fa avy nidigna taty agnao mba hahita ny ady." 29 Zao ro nataon'i Davida: "Ina zao ro nataoko? Nga tsa fagnotaniana fotsiny ve zay?" 30 Niala teo aminazy de nandeha agny amin'ny hafa i, de nitarogna tahaka anizay hiany. De namaly ny teo aloha hiany ny ona. 31 efa re ny tarogna ze notarognin'i Davida, de nagnapody anizay tamin'i Saoly ny miaramila, d nagnaparitaka ho an'i Davida i . 32 Sy avy eo de zao ro nataon'i Davida tamin'i Saoly: "Aoka tsa lihilahy ho ketraka ny aminio Filistina io ny fony; ny panomponao de handeha ko hiady aminio Filistina io." 33 Zao ro nataon'i Saoly tamin'i Davida: "Tsa afaka ny hanohitsa anio Filistina io sady hiady aminazy agnao; satria vona tanora agnao, sady i de lihilahy agn'ady hatramin'ny fahatanorany." 34 Fa zao ro nataon'i Davida tamin'i Saoly: "Efa zatsa niambigna ny andian'ondrin'ny rainy ny panomponao. Sy efa avy mangalaka ny zanak'ondry amin'ny andian'ondry ny liona bera, 35 de nagnenjika anizay sy namely anizay aho, de nagnavotsa anizay hatagny ambavany. sy efa nitsangagna hanohitsa anahy i, de tratsako tamin'ny volombavany, nataoko i, de matiko. 36 Nahafaty liona sy bera ny panomponao. Ko io Filistina tsa mifora io de hataoko tahaka ny raika amireo, satria nila vaniny tamin'Andriamagnitsa velogna i." 37 Zao ro nataon'i Davida: "Nagnavotsa anahy tamin'ny tongotsy ny liona sy ny tongotsy ny bera i Yaveh. Hagnavotsa anahy amin'ny tagnan'io Filistina io I. " De zao ro nataon'i Saoly tamin'ny Davida: "Mandihiana, fa homba anao anie Yaveh." 38 Npiakanjoan'i Saoly tamin'ny akanjo fiadiana i Davida. Nataony teo amin'ny lohany ny satroka fiarovandoha varahogna, sady napiakanjoany akanjo fiarovan-tratra i. 39 Nandrohy ny sabany tamin'ny akanjo fiadian'i Davida. Fa tsa afaka namindra i, satria tsa vona niofagna taminio. De zao ro nataon'i Davida tamin'i Saoly: "tsa afaka ny hienga hiady hiaraka aminio aho, satria vona tsa niofagnina tamireto. "Ko nalain'i Davida reo. 40 Nalainy tegny atagnany ny tehiny de nifatigna vato malama dimy avy tamin'ny lohasahan-driaka i; de nataony tao amin'ny sandrify fiambenany ondry reo. Tegny atagnany ny pilotsa sy efa nagnatogna ny Filistina i. 41 nga de nagnatogna an'i Davida ny Filistina, de teo elohany ny pitondra ny apingany. 42 Sy efa nijery ny magnodidigna ko nahita an'i Davida ny Filistina, de nanao tsinotsinona anazy, satria vona zaza i, mena volo, de soa endrika. 43 De zao ro nataon'ny Filistina tamin'i Davida: "Amboa ve aho, ro avy amin'ny hazo eto aminahy agnao?," de nagnozogna an'i davida tamin'ny andriamaniny Filistina. 44 Zao ro nataon'ny Filistina tamin'i Davida: "Mandihiana aty aminahy, de hameko ho an'ny vorogna egny an-agnitsa sy ho an'ny bibidia agny an-tsaha ny nofonao." 45 Namaly ny Filistina i Davida hoe: "Avy eto aminahy miaraka amin'ny sabatra, de lefogna agnao. Fa iaho avy eto aminao miaraka amin'ny agnaran'i Yaveh tompon'ny maro, ny Andriamagnitsy ny tafik'Israely, ze nihatsianao. 46 Androany de hagnome fandresena anao i Yaveh, ko hamono anao aho de hagnala ny lohanao amin'ny vatanao. Androany de hagnome ny fatin'ny tafiky ny Filistina ho an'ny vorogna egny an-dagnitsa sy ho an'ny bibidia aty an-tany aho, mba hahafataran'ny tany aby fa misy Andriamagnitsa ao israely, 47 de hahafatarany vory aby reo fa i Yaveh de tsa magnome fandresena amin'ny sabatra na lefogna. Fa an'i Yaveh ny ady, ko hanolotsa anareo eo an-tagnany i." 48 Sy efa nitsangagna nagnatogna an'i Davida ny Filistina, de niridiridy malaky nandeha egny amin'ny tafika ny fahavalo i Davida mba hitsena anazy. 49 Napidiriny tao agnaty sandrify ny tagnany, nangalaka vato tao i, nalefany tamin'ny pilotsa zay, ko nahavoa ny Filistina teo amin'ny handrin'ny Filistina ny vato, ko niigietraka tamin'ny tavany teo amin'ny tany i. 50 Resin'i Davida tamin'ny pilotsa sy vato ny Filistina. Voa ny Filistina ko maty. Tsa nisy sabatra tegny atagnan'i Davida. 51 Sy avy eo de niridiridy i Davida ko nitsangagna teo ambonin'ny Filistina sy nangalaka ny sabany, napienga anizay hatagny andragnony, namono anazy, namono anazy, de nanapaka ny lohany tamizay. Sy efa hitan'ny Filistina fa maty ny lihilahy matanjaka reo, de nilefa reo. 52 Sy avy eo de nitsangagna sady nitabataba ny Lihilahin'Israely sy Joda, de nandodotsa ny Filistina hatragny amin'ny lohasaha sy ny vavahadin'i Ekrona. Ny Filistina maty de natory teo amin'ny lalagna mandha agny Saraima, sy ny lalagna aby mandeha agny Gata de Ekrona. 53 Nipody avy hatagny fagninjehana ny Filistina ny olon'Israely, de nandroba ny tobin'dreo. 54 Nalain'i Davida ny lohan'iFilistina de noferin'ny tagny Jerosalema zay, fa ny akanjo fiadiany de natoatsany tao amin'ny lainy. 55 Sy efa nahita an'i Davida nienga nanohitsa an'ny Filistina i Saoly, de zao ro nataon'ny tamin'i Abnera, kapitenin'ny tafika: "Ry Abnera, zanakia io tovolahy io?" De zao ro nataon'i Abnera: "Lehe vona velogna koa agnao, ry panjaka, de tsa fantako" 56 Ny panjaka nitarogna hoe: "Agnotanio ze mety mahafantatsa, hoe zanakia io zazalahy io. " 57 Sy efa nipody tagny amin'ny famonoana ny Filistina i Davida, de nangalaka anazy i Abnera, de nitondra anazy teo agnatrehan'i Saoly niaraka tamin'ny lohan'i Filistina tegny an-tagnany. 58 Zao ro nataon'i Saoly taminazy: "Zanakia agnao, ry tovolahy?" Namaly i Davida hoe: "Zanak'i Jese Betlehemita mpanomponao aho. "