Toko faha 18

1 Sy efa avy niresaka tamin'i Saoly i, de nifamatotsa tamin'ny fagnahin'i Davida ny fagnahin'i Jonatana, de notiavin'i Jonatana tahaka ny fagnahiny hiany i. 2 Nalain'i Saoly ho amin'ny fanopoana anazy i Davida taminio andro io; tsa navelany hipody agny andragnon-drainy i. 3 Sy avy eo Jonatana sy Davida nanao fagniken-pinamana satria notiavin'i Jonatana tahaka ny fagnahiny hiany i. 4 Nagnala ny akanjo lava ze nanaovany i Jonatana de nagnome anizay an'i Davida niaraka tamin'ny fiarovany, y ny sabany, ny pilotsa, de ny fehikibo. 5 De nandeha tagny amin'ny toerana nagnirahan'i Saoly anazy i Davida, de nahomby i. Nametraka anazy teo amin'ny lihilahin'ady i Saoly. Nankasitrahana teo imason'ny vahoaka aby zay de teo imason'ny mpanopon'i Saoly hiany koa. 6 Lehe nandeha nody avy nandresy ny Filistina reo, de avy hatagny amin'ny tanĂ nan'Israely aby ny apela, nihira sy nandihy, mba hitsena an'i Saoly panjaka, niaraka tamin'ny aponga tapaka, hafaliana, de raha magneno. 7 Nifandimby nihira reo. Nihira reo hoe: " Novonoan'i Saoly reo an-drivony, de Davida kosa agnaliny." 8 Nasiaka mafy i Saoly, de tsa nahafaly anazy zany hira zany . Hoy i hoe: "Efa nagnome agnaligna ho an 'i Davida reo , nefa agnarivony hiany ro nomen-dreo ho anahy . Ina hiany koa ro afaka hanagnany afa-tsy ny fitondra-panjakana ?" 9 Nijery an 'i Davida tta-piahiahiana i Saoly nanomboka tamin'io andro io. 10 Ny andro tafara de nisy fagnahy mapidi-doza avy amin'Andriamanitra nirorogna teo amin'i Saoly de nirediredy tao an-dragno i. Noho zany de nilalao zava-magnenony tahaka ny ataony isan' andro i Davida . De nanagna lefogna tegny atagnany i Saoly. 11 Natsipin'i Saoly ny lefony, satria nieritseritsa i hoe: "Ho tsondrognoko eo amin'ny rindrigna i Davida. "Kanefa indroa tafiala ny fagnatrehan'i Saoly tamizay fomba zay i Davida. 12 Natahatsa an'i Davida i Saoly, satria nomba anazy i Yaveh, fa tsa nagnampy an'i Saoly koa. 13 Ko nalain'i Saoly teo amin'ny fagnatrehany i de notindreny ho pifehy ny arivo. Izay ro fomba niengan'i Davida sy nandihianany teo alohany'ny vahoaka. 14 Nambinina tamin'ny lalany aby i Davida, satria nomba azy Yaveh. 15 Sy efa hitan'i Saoly fa nambinina i, de talanjogna taminazy i. 16 Fa te an'Israely sy Joda aby, satria nienga i de nandeha teo alohan-dreo. 17 De zao ro nataon'i Saoly tamin'i Davida hoe: "Itito i Meraba zanako vavy zokiny ndrindra. Hameko anao ho vady i. Fa managna herim-po ho anahy de miadia ny adin'i Yaveh." Fa nieritseritsai Saoly hoe: "Aza avela eo amin'ny tagnako, fa aoka ny tagnan'ny Filistina ro ho eo aminazy." 18 Zao ro nataon'i Davida tamin'i Saoly hoe: "Ia moa aho, de ia ny havako, na ny fianakavian'ny raiko agny Israely, ro tokony ho vinato lahin'ny panjaka aho?" 19 Fa tamin'ny fotoagna tokony nagnomezana an'i Davida, de namena an'i Adriela Meholatita ho vady i. 20 Kanefa i Mikala, zanaka vavin'i Saoly, de te an'i Davida. Nitarogna tamin'i Saoly reo, de nahafaly anazy zay. 21 Sy avy eo i Saoly nieritseritsa hoe: "Hameko anazy i, mba ho fandrika ho anazy, de mba hanohitsa anazy ny tagnan'i Filistina." Ko nitarogna fagnindroany an'i Davida ndraika i Saoly hoe: "Ho vinanto lahiko agnao." 22 Nadidy ny panompony i Saoly hoe: "Mirisaha manokagna amin'i Davida, de lazao hoe: 'Io, makasitraka anao ny panjaka, sady te anao ny panompony aby. Ko androany, miteza ho vinanto lahin'ny panjaka. ' " 23 Ko nitarogna anireo tarogna reo tamin'i Davida ny panompon'i Saoly. Sy avy eo i Davida de nitarogna hoe: "Raha tsa misy diksny aminao ve ny ho vinatony panjaka, satria ona mahantra aho, de atao tsinotsinona? " 24 Nitatitsa anireo tarogna ze notarognin'i Davida ny panompon'i Saoly. 25 De zao ro nataon'i Saoly hoe: "Lazao an'i Davida zao: 'Tsa magniry vodiondry ny panjaka, fa lohan-tsitsy zaton'i Filistina hiany, mba hamaliana faty ny fahavalon'ny mpanjaka. " ' De i Saoly nieritseritsa ny handavo an'i Davida tamin'ny tagnan'i Filistina. 26 Sy efa nitarogna anireo tarogna reo tamin'i Davida ny panompony, de nahafaly an'i Davida ny ho vinanton'ny mpanajaka. 27 Talohan'ny nahadilatsa anireo andro reo, de nandeha niaraka tamin'ny olony i Davida de namono Filistina roan-jato.Noferin'i Davida ny lohan-tsitsikan-dreo, de namen-dreo ho an'i panjaka aby reo, mba hanjary vinantony panjaka i. Ko namen'i Saoly anazy ho vady i Mikala zanany vavy. 28 Sy efa hitan'i Saoly, sy fantany ny momba an'i Davida i Yaveh, de i Mikala zanany vavin'i Saoly, de te anazy, 29 de natahatsa mafy an'i Davida i Saoly. De fahavalon'i Davida hatragny i Saoly. 30 Sy avy eo ny andrian-dahin'ny Filistina nienga hiady, de arakaraka ny niengan-dreo matetika, ro nahombiazan'i Davida bebe kokoa noho ny panompon'i Saoly aby, ko de nisandratsa avo ny agnarany.