1 De i Saoly nitarogna tamin'i Jonatana zanany lahy sy tamin'nypanompony ny tokony hamonoan-dreo an'i Davida. Kanefa i Jonatana, zanak'i Saoly, de te an'i Davida fatratsa. 2 Ko zao ro nataon'i Jonatana tamin'i Davida: "Mitady hamono anao i Saoly raiko. Noho izay mimbena amin'ny maraigna de misitriha amin'ny toerana mangingina. 3 Iaho hitsangana eo agnilan'ny raiko eo amin'ny saha ze misy anao, de hiresaka ny mombanao amin'ny raiko aho. Lehe mahafantatsa raha aho, de hotarognoko anao." 4 Nilaza soa momba an'i Davida tamin'i Saoly rainy i Jonatana ko zao ro nataony taminazy: "Aoka tsa hanota amin'i Davida mpanompony ny panjaka. Fa tsa nanota taminao i, sady nitondra soa ho anao ny asany. 5 Fa i efa nanao ny ainy tsa ho raha ko namono ny Filistina. Yaveh efa nitondra fandresena lihibe ho an'Israely aby. Sy nahita anizay agnao ko faly. Nahoana ro nanota hanohitsa ny rà tsa manatsigny amin'ny famonoana an'i davida tsy ahoa-tsy ahoana agnao? " 6 ihieno an'i Jonatana i Saoly. Ko nianiagna hoe: "Lehe vona velogna koa i Yaveh, de tsa ho vonoana i." 7 De nangaika an'i Davida i Jonatana, de notarogniny tamin'i Davida zay raha aby zay. Noferin'i Jonatana tagny amin'i Saoly i Davida, de teo amin'ny fagnatrehany tahaka ny teo aloha ndraika i. 8 De nisy ady ndraika, de nienga hiady ndraika amin'ny Filistina i Davida ko nandresy anazy ny tamin'ny famonoana lihibe. De nilefa teo agnatrehany reo. 9 Avy tamin'i Saoly ny fagnahy ratsy avy tamin'i Yaveh lehe niperaka tao an-dragnony niaraka tamin'i lefogna tegny an-tagnany i, sady sy nitendry zava-magneno igny Davida. 10 De i Saoly nagnandragna nikiendry an'i Davida teo amin'ny rindrigna tamin'ny lefony, kanefa nilefa ny fagnatrehan'i Saoly i, ko natsatok'i Saoly teo amin'ny rindrigna ny lefogna. Niala i Davida de afa- nilefa tamin'igny aligna igny. 11 Nandefa iraka tagny an-dragnon'i Davida mba hijery anazy mba hahafahany mamono anazy i Saoly ny maraigna. Mikala, vadin'i Davida, nitarogna anazy hoe: "Lehe tsa mamonjy ny ainao androny aligna agnao, de ho vonoana agnao sy apitso. 12 Navelan'i Mikala hdigna teo amin'ny varavaraely i Davida. De nandeha i ko nilefa, sady afa-nilefa. 13 Nangalaka sampy tao an-dragnony i Mikala sady nametraka anizay teo apandrena. De nangalaka ondagna volon'osy i ko napetrany teo amin'ny lohany, de nototofany akanjo zay. 14 Lehe nandefa iraka mba hangalaka an'i Davida i Saoly, de zao ro nataony hoe: "Marary i." 15 De nandefa iraka mba hijery an'i Davida ndraika i Saoly, ko zao ro nataony: "Fero miakatsa aty miaraka amin'ny fandreny i, mba hafahako mamono anazy." 16 Lehe niditsa ny iraka, io, ny sampy ze tao an-dragnony ro teo apandrena miaraka amin'ny odagna volon'osy eo amin'ny lohany. 17 De zao ro nataon'i Saoly tamin'i Mikala: "nahoana ro namitaka anahy agnao ko namela ny fahavaloko nandeha, ko de afaka nilefa i? "Mikala namaly an'i Saoly hoe: "Zao ro nataon'ny taminahy, 'Avilao aho handeha. Nahoana aho ro hamono anao? ' " 18 De niala sy afaka nilefa i Davida, de nadeha agny amin'i Samoela tagny Rama ko nitarogna taminazy ny raha aby ze nataon'i Saoly taminazy. De nandeha i sy Samoela ko nitoatsa tagny Naiota. 19 Nisy nilaza tamin'i Saoly zay, manao hoe: "Io, ao Naiota agny Rama i Davida." 20 De nandefa iraka himbotsa an'i Davida i Saoly. Lehe nahita ny namany paminany naminany reo, de i Samoela nitsangagna ho lihiben-dreo, ny fagnahin'Andriamagnitsa avy tamin'ny irak'i Saoly, de naminany koa reo. 21 Sy efa nilaza anizay i Saoly, de nandefa iraka hafa koa i, sady naminany hiany koa reo. De nandefa iraka fagnitelony ndraika i Saoly, ko naminany hiany koa reo. 22 De nandeha agny Rama ko i sady avy teo amin'ny lava-drano tao Seko. Nagnotany i hoe: "Aia i Samoela sy Davida?" Nisy ona nitarogna hoe: "Io, ao Naiota agny Rama reo." 23 Nandeha agny Naiota agny Rama i Saoly. De avy tao aminazy koa ny fagnahin'i Yaveh, ko naminany tegny apandihianana mandrapiaviny tagny Naiota tgny Rama i. 24 Nagnala ny akanjony i sady naminany teo agnatrehan'i Samoela. Nijily mandritsy ny andro sy ny aligna aby i. Izay ro antony nagnotanian-dreo hoe: "Isan'ny paminany koa nga i Saoly?"