Toko faha 20

1 De i Davida nilefa avy hatgny Naiota agny Rama ko nandeha agny amin'i Jonatana sady nanao hoe: "Fa ina ro nataoko? Ina ro heloko? Ina ro fahotako teo agnatrehan'ny rainao, ro mitady hifofo ny aiko i" 2 Jonatana nanao tamin'i Davida hoe: "Sagnatria anie zay; tsa ho maty agnao. Tsa manao raha lihibe na kely ko tsa milaza anizay aminahy ny raiko. Nahoana ro tokony hanitrika anizay aminahy ny raiko? Tsa izay mihintsy." 3 De nivoady ndraika i Davida ko nanao hoe: "Fantatsy ny rainao soa fa nahita sitraka teo imasonao aho. Efa nilaza i hoe: 'Aza avela ho fantatsy Jonatana zao, lehe tsa izay de halahelo i.' Nefa lehe velogna marina i Yaveh, sady lehe vona velogna ko agnao, de kely fotsiny ny elagnelagna eo aminahy sy ny fahafatesana." 4 De zao ro nataon'i Jonatana tamin'i Davida: "Na ina na ina lazainao, de hataoko ho anao." 5 Zao ro nataon'i Davida tamin'i Jonatana: "Sy apitso ny voaloham-bolagna, ko tokony hitoatsa hiaraka hihinana amin'ny panjaka ho. Nefa avilao aho handeha, mba hisitrika agny atanimboly zizika harivan'ny andro fahatelo. 6 Lehe mahatsiaro anahy ny rainao, de ataovo hoe: 'Nanao fierana fatratsa tminahy i Davida mba hamonjy an'i Betlehem tanànany; satria efa akatoky ny sorogna isan-taogna ho an'ny fiaakaviana manontolo agny. ' 7 Fa zao ro nataony hoe: 'Soa zay, de hana-piadagnana ny panomponao. Fa lehe nasiaka mafy i, de fantatso fa nanapa-kevitsa hanao ratsy i. 8 Noho izay de mifagnaraha soa amin'ny panomponao. Fa efa nitondra ny panomponao ho amin'ny fagniken'i Yaveh niaraka taminao agnao. Nefa lehe misy fahotana aminahy, de agnao ro hamonjy anahy; ko nahoana aho ro ferinaoa agny amin'ny rainao?" 9 Zao ro nataon'i Jonatana: "Sagnatria aminahy anie zay! Lehe nahafantatsa aho fa nanapakevitsa ny hanao ratsy ny raiko, de tsa hilaza anao ve aho?" 10 De zao ro nataon'i Davida tamin'i Jonatana: "Ia ro hitarogna aminahy Lehe sagnatria mamaly anao amin'ny tarogna mafy ny rainao?" 11 Jonatana nanao tamin'i Davida hoe: " Andao, handeha tsika hienga agny atsaha." Ko nienga tagny antanimboly i roalahy. 12 Zao ro nataon'i Jonatana tamin'i Davida: "Yaveh, Andriamagnits'Israely anie ro ho vavolombelogna. Sy efa avy nagnotany an-draiko aho sy apitso amizao ora zao, na amin'ny andro fahatelo, Jireo , lehe misy raha maintso ho an'i Davida, nga tsa hagniraka ho agny aminao sy hapahafatatsa anao nha iaho? 13 Lehe mahafaly an-draiko ny hanao ratsy anao, Yaveh anie hanao anizay amin'i Jonatana sady mihoatsa aza lehe tsa mapahafantatsa anizay aminao sy mandefa anao aho, mba handihiananao am-piadagnana. Homba anao anie Yaveh, tahaka ny efa nombàny ny raiko. 14 Fa lehe vona velogna ko aho, nga tsa hanoro anahy ny tsa fivadiham-pagniken'i Yaveh nga agnao, mba tsa ho maty aho? 15 Aza manapaka ny tsa fivadiha-pagnikenao hiala amin'ny akohonako mandrakizay--nako de foagnan'i Yaveh eo amin'ny tany aza ny fahavalon'i Davida aby. 16 De Jonatana nanao fagnikena tamin'ny akohognan'i Davida ko nanao hoe: "Yaveh anie hitaky ny honitsa eo amin'ny tagnan'ny fahavalon'i Davida. " 17 Napanao voady an'i Davida ndraika i Jonatana noho ny fitiaany anazy, satria te anazy tahaka ny fitiavany ny fagnahiny hiany i. 18 De zao ro nataon' i Jnatana taminazy: "Sy apitso ny voaloham-bolagna. Ho tsaroana agnao satria foanagna ny sezanao. 19 Sy efa miegnina telo andro agnao, de midìgna malaky sady mandihiana agny amin'ny toerana ze nisitrihanao sy efa teo am-pelatagnana ny raharaha, de miandraza eo agnilan'ny vatolampy Ezela. 20 Handefa zanatsipìka telo eo agnilan'izay aho, tahaka ny hoe mitifitsa raha kindrena. 21 De hagniraka ny zatovo lahiko aho ko hitarogna aminazy hoe: 'Mandihiana tadiavo y zanatsipìka. ' Lehe mitarogna amin'ny zatovolahiko aho hoe: 'Io, ity agnilanao ty ny zanatsipìka; alao reo," de miavia; fa hisy fiarovana sady tsa hisy ratsy ho anao, lehe vona velogna koa i Yaveh. 22 "Nefa lehe mitarogna amin'ny tovolahy aho hoe: ' Io, ao afaranao ny zanatsipìka,' de mandihiana amin'ny lalanao, fa efa nandefa anao i Yaveh. 23 Lehe ny amin'ny fifagnarahana ze napirisahantsika, io, eo agnivotsika mandrakizay i Yaveh.' " 24 Ko nisitrika tagny antanimboly i Davida. Sy efa avy ny voaloham-bolagna, de nitoatsa nihinanak'anina ny panjaka. 25 nitoatsa teo amin'ny sezany ny mpanjaka, tahaka ny mahazatsa, teo amin'ny seza teo agnilany rindrigna. Nitsangagna i Jonatana, de Abnera nitoatsa teo agnilan'i Saoly. Nefa foagna ny sezan'i Davida. 26 Tsa vona nitarogna na ina na ina i Saoly taminio andro io, satria nieritseritsa i hoe: "Nisy raha nahazo anazy. Tsa madio i; azo antoka fa tsa madio i." 27 Fa tamin'ny andro faharoa nefa, ny apitony voaloham-bolagna, de foagna ny sezan'i Davida. Zao ro nataon'i tamin'ny Jonatana zanany lahy: "Nahoana ro tsa avy amin'ny fisakafoanana ny zanaka lahin'i Jese na tamimaly na tandroany?" 28 natana namaly an'i Saoly hoe: "Nangataka alalana fatratsa taminahy mba handeha agny Betlehema i Davida. 29 Zao ro nataony: 'Avilao aho mba handeha. Fa ny fianakavianay managna sorogna ao an-tanàna, sady ny rahalahiko mandidy anahy handeha ho agny. Androany, Sy efa nahita sitraka teo imasonao aho, de avilao moa aho handeha sady hijery ny rahalahiko.'Izay ro antony tsa niaviany teto an-databatsy ny panjaka." 30 Ko nirehitsa tamin'i Jonatana ny hasiahan'i Saoly, de zao ro nataon'ny taminazy: "Agnao ry zanaka lahin'ny pamadika, apela pikomy! Nga ve aho tsa nahafantatsa fa efa nisafidy ny zanaka lahin'i Jese ho fahamegniarana ho anao, sy ho fahamegnaran'ny fijilian'ny reninao agnao? 31 Fa lehe vona miaigna eto antany ny zanaka lahin'i Jese, de tsa ho tafapetraka na agnao na ny fanjakanao. Ko amizao, alifaso ary fero aty aminahy i." 32 Jonatana namaly an'i Saoly rainy hoe: "Fa ina ro antony tokony hamonoana anazy? Ina ro nataony?" 33 De i Saoly nanipy ny lefony taminazy mba hamono anazy. Ko de fantats'i Jonatana fa hamono an'i Davida ny rainy. 34 Nitsangagna niala tamin'ny siaka teo amin'ny latabatsa sady tsa nihinan-kanina i Jonatana ny andro faharoan'ny volagna, fa nalahelo an'i Davida i, satria nagnala baraka anazy ny rainy. 35 Sy maraigna, nandeha agny atanimboly tamin'ny andro voatokagna niaraka tamin'i Davida i Jonatana, sy ny tovolahy niaraka taminazy. 36 Zao ro nataon'ny tamin'nytovolahy: "Miridiridia de jireo ny bala ze nitifirako." De lehe niridiridy ny tovolahy, de notifiriny tamin'ny bala hatao afarany. 37 Sy efa avy teo amin'ny toerana ze nitsatohan'ny bala nalefan'i Jonatana ny tovolahy, de nangaika ny tovolahy i Jonatana sy avy eo, de nanao hoe: "Nga tsa ao afaranao nga ny bala?" 38 De nangaika ny tovolahy i Jonatana hoe: "Malàky, malaky be, aza miegnina!" De ny zatovolahin'i Jonatana namory ny bala niakatsa sady nandeha agny amin'ny topony. 39 Nefa tsa nahalala na ina na ina ny tovolahy. Jonatana sy davida hiany ro nahalala ny raha. 40 Namen'i Jonatana ny tovolahy ny fitaovapiadiana sady zao ro nataony taminazy: "Mandihiana, fero agny an-tanana reo." 41 Tehe vo nandeha ny tovolahy, de nitsangagna tao ambadiky ny dongotany i Davida, nihohoka teo amin'ny tany, sady niondrika intelo. Nifagnoroka sy nitomagny reo, De i Davida nitomagny mafy. 42 Zao ro naton'i Jonatana tamin'i Davida: "Mandihiana ampiadagnana, satria efa samy nianiagna tamin'ny agnaran'i Yaveh itsika de nanao hoe: 'Yaveh anie ro ho eo agnivontsika, sady eo agnivon'ny taranako sy ny taranakao mandrakizay.' "De nitsangagna i Davida ko nandeha, fa Jonatana ro nipody tagny an-tanàna.