1 De avy tao Noba i Davida mba hijery an'i Ahimeleka pisorogna. Avy tao mba hitsena an'i Davida tamikovitsa i Ahimeleka sady nitarogna taminazy hoe: "Nahoana agnao ro irery tsa misy miaraka aminao?" 2 Zao ro nataon'i Davida tamin'i Ahimeleka hoe: "Nandefa anahy hagnatateraka iraka ny panjaka de nitarogna taminahy hoe: 'Aza avela hisy hahafatatsa na ina na ina momba ny raharaha ze hagnirahako anao, sy handidiako anao.' Nnanoro lalagna ny tovolahy handeha agny amin'ny toerana raika aho. 3 Ko ina ary no antagnanao zao? Meo mofo dimy aho, na ze aby misy ato." 4 Namaly an'i Davida ny pisorogna ko nanao hoe: "Tsa misy mofo tsotra eto an-tagnako, fa misy mofo masina__lehe naha tandrin-tegna tamin'ny apela ny tovolahy." 5 Davida namaly ny pisorogna ko nanao hoe: "Nahatandri-tegna tamin'ny apela tokoa agnay nandritsy ny telo andro zay, tahaka ny fanao isaky ny mandeha aho. Efa natokagna ny fanagnan'ny lihilahy reo nako de amin'ny iraka tsotra aza. Meka aza voatokagna ze hanagnan-dreo amizao!" 6 Ko de nagnome anazy ny mofo ze voatokagna ny pisorogna. Fa tsa nisy mofo hafatsy ny mofon'ny fagnatrehana manko tao, ze efa nalaina teo agnatrehan'i Yaveh, mba hamitrahana mofo vaovao eo amin'ny toerana zay tamin'ny andro nagnalana anizay. 7 De ny raika tamin'ny panopon'i Saoly ze tagny tamizay andro zay, de voatagna teo agnatrehan'i Yaveh. Doega Edomita ro agnarany, lihibe ny piambign'ondrin'i Saoly 8 De zao ro nataon'i Davida tamin'i Ahimeleka hoe: "Tsa misy lefogna nasabatsa azo apiasaina nga eo atagnanao? Fa tsa nahatondra akory aho na ny sabatso na ny fitaova-piadiako taty aminahy, satria tena meka tokoa ny raharahan'ny panjaka." 9 Zao ro nataon'i pisorogna hoe: "Ny sabats'i Goliata ny Filistina, ze novonoanao tagny amin'ny lohasahan'i efoda ro ato. Lehe tiànao halaina zay, de alao, fa tsa misy fitaova-piadiana hafa ato." Zao ro nataon'i Davida hoe: "Tsa misy sabatsa tahaka anizay raika zay; omeo anahy." 10 De nitsangagna i Davida de nilefa an'i Saoly tamizay andro zay ko nandeha amin'i Akisa, panjakan'i Gata. 11 Ny panompon'i Akisa nitarogna taminazy hoe: "Tsa i Davida, ny panjakan'ny tany nga ty? Tsa ty ve ny fampihirahirain-dreo tamin'ny dihy hoe: ' saoly namono agn'arivony, de i Davida namono alignaligna'?" 12 Noraisin'i Davida ampo zay tarogna zay ko natahotsa mafy an'i Akisa, mpanjakan'i Gata i. 13 Nagnova ny fihetsiny teo agnatrehan-dreo i ko nodian'ny very saigna teo an-tagnan-dreo; nanoratsoratsa teo amin'ny lelam-bavahady i de navelany hitsory teo amin'ny volombavany ny niviny. 14 Sy avy eo de zao ro nataon'i Akisa tamin'ny panompony hoe: " Io, hitanareo fa very saigna ny lihilahy. Nahoana ro ferinareo eto aminahy i? 15 tsa ampy ona adala nga iaho, ro de ferinareo aty aminahy io mba hanao fihetsika tahaka anizao eto agnatrehako? Hiditsa ao tragnoko tokoa nga io namana io?"