1 De niala tagny i Davida ko nilefa tao an-dava-baton'i Adolama. Lehe nahare anizay ny rahalahiny sy ny akohonan-drainy aby, de nidigna tagny aminazy reo. 2 Ny ona aby ze ao agnaty fahoriana, ny ona aby ze tao agnaty trosa, de ny ona aby ze tsa faly--i aby de nivory tao aminazy. Nanjary kapitenin'ny piambigna teo amin-dreo i Davida. Nisy teo amin'ny efajato lahy teo ro niaraka taminazy. 3 De niala tao handeha agny Mizpa ao Moaba i Davida. Zao ro nataon'ny tamin'ny panjakan'i Moaba hoe: "Mba maingavy roa aoka ny raiko sy ny reniko hienga hiaraka aminao mandra-pahafatarako ze hataon'Andriamagnitsa ho anahy." 4 Navelany niaraka tamin'ny panjakan'i Moaba reo. Ny rainy sy ny reniny nitoatsa niaraka taminazy tamin'ny fotoagna aby naha tao amin'ny fiarovany mafy an'i Davida. 5 De i Gada paminany nitarogna tamin'i Davida hoe: "Aza miegnina ao amin'ny fiarovana mafy. Mitsangana de mandihiana agny amin'ny tanin'i Joda." Ko de niala tao i Davida de nandeha tao amin'ny alalan'i Hareta. 6 Ren'i Saoly fa hita niaraka tamin'ny lihilahy ze niaraka taminazy i Davida. De nitoatsa tagny Gibea tambaniny hazo tamariska tao Sama i Saoly, niaraka tamin'ny lefony tegny an-tagnany, de ny panompony aby nitsangagna magnodidigna anazy. 7 Zao ro nataon'i Saoly tamin'ny panompo magnodidigna anazy: "Heno zao, ry vahoakan'i Benjamina, nga hagnome saha na tanimboaloboka ho an'ny tsiraidraika aminareo ny zanaka lahin'i Jese? Nga hanao anareo aby ho kapiten'ny tafika an'arivony sy an-jatony i, 8 ho takalony tetikareo aby hanohitsa anahy? Tsa nisy taminareo napahafantatsa anahy sy efa nanao fagnikena tamin'ny zanaka lahin'i Jeze ny zanako lahy. Tsa nisy taminareo nangoraka anahy. Tsa nisy taminareo napahafatatsa fa anahy fa ny zanako lahy de nampirisika an'i Davida mpanopoko hanohitsa anahy. Androany de misitrika sy miandry anahy i sady mety hanafika anahy." 9 De i Doega Edomita, ze nitsangagna teo amin'ny panompon'i Saoly, namaly hoe: "Hitako nandeha agny Noba ny zanaka lahin'i Jese, tao amin'i ahimeleka zanaka lahin'i Ahitoba. 10 Nivavaka tamin'i Yaveh i mba hagnapeny anazy, de nameny anazy ny vatsy sy ny sabats'i Goliata Filistina". 11 De ny panjaka nagniraka ona mba hagnaika an'i Ahimeleka pisorogna zanaka lahin'i Ahitoba sy ny akohognan-drainy aby, ny pisorogna ze tao Noba. I aby reo de avy teo amin'ny panjaka. 12 Zao ro nataon'i Saoly: "Heno ary, ry zanaka lahin'i Ahitoba:" De namaly i hoe: "Itito aho, tompoko. " 13 de zao ro nataon'i Saoly taminazy: "Nahoana agnao ro mitetika ny hamono anahy, agnao sy ny zanaka lahin'i Jese, tamin'ny nagnomezanao anazy mofo, sy sabatsa, de nivavaka tamin'andriamagnitsa mba hagnapeny anazy, mba hitsanganany hanohitsa anahy, mba hisitrika agny amin'ny takogna, tahak'izao ataonay androany zao?" 14 De i Ahimeleka namaly ny panjaka nanao hoe: "Ia tamin'ny panomponao aby moa ro mahatoky fatratsa tahaka an'i Davida, ze vinato lahin'i panjaka ro sady piambigna anao koa, de omem-boninahitsa ao an-dragnonao? 15 Androanay ngaha ro fotoagna voalohany nivavako tamin'Andriamagnitsa mba hagnapeny anazy? Sagnatria aminahy anie zay! Aza mamela ny panjaka hagnisy na ina ina amin'ny panompony na amin'ny akohognan-draiko aby. fa ny panomponao de tsa mahalala na ina na ina amizao raharaha aby zao." 16 Namaly ny panjaka hoe: "Tsy maintsy ho maty tokoa agnao, ry Ahimeleka , agnao sy ny akohognan-drainao aby. " 17 De nitarogna tamin'ny piambigna nitsangagna nagnodidigna anazy ny panjaka hoe: Mitodiha de vono ny pisorogn'i Yaveh. Satria ny tagnan-dreo hiany koa de miaraka amin'i Davida, de satria nahafatatsa reo fa nisitrika i, kanefa tsa nitarogna anizay taminahy. fa ny panompony mpanjaka nefa de tsa te hagnatsotra ny tagnany hamono ny pisoron'i Yaveh. 18 De nitarogna tamin'i Doega ny panjaka hoe: "Mitodiha de vono ny pisorogna. De nitodika sy namely ny pisorogna i Doega Edomita; namono ona dimy amby valopolo ze niakanjo efoda rongony fotsy tamizay andro zay i. 19 Tamin'ny lelatsabatra ro nanafihany an'i Noba, tanĂ nan'ny pisorogna, na apela na lihilahy, kilonga na zaza, de ny omby sy ny apondra sy ondry. Namono anazy aby tamin'ny lelatsabatra i. 20 Fa ny raika tamin'ny zanaka lahin'i Ahimeleka zanaka lahin'i Ahitoba , nakehina hoe Abiatara, nikefa nagnaraka an'i Davida. 21 De i Abiatara nitarogna tamin'i Davida fa novonoan'i Saoly ny pisorogn'i Yaveh. 22 Zao ro nataon'i davida tamin'i Abiatara: "Fantatso tamin'igny andro igny, fa lehe tao i Doega Edomita, de tsy maintsy nitarogna tamin'i Saoly i. Iaho ro tompon'andraikitsa tamin'ny fahafatesana aby tamin'ny fianakavian-drainao! 23 Miagnena miaraka aminahy de aza matahatsa. Fa ny ona ze mififi ny ainao de mifofo ny anahy koa. ho voaaro agnao miaka aminahy. "