Toko faha 23

1 De zao ro nataon-dreo tamin'i Davida: "Io, miady amin'ny Keila ny Filistina de mandroba ny famoloana." 2 Ko nivavaka tamin'i Yaveh i Davida mba hagnampy anazy ko nagnotany hoe: "Tokony handeha hanafika ny Filistina reo ve aho? " De zao ro nataon'i Yaveh tamin'i Davida: " Mandihiana de tafiho Filistina de vonjeo i Keila. " 3 De zao ro nataon'ny lihilahin'i Davida taminazy: "Io, matahotsa atsika eto Joda. ko vo maika handeha agny Keila ko hiady amin'ny tafiky ny Filistina? " 4 De vona nivavaka tamin'i Yaveh ndraika i Davida mba hagnampy anazy. Namaly anazy i Yaveh hoe: "Mitsangàna, midigna mandeha agny Keila. Fa hameko anao ny fandrisena ny Filistina. " 5 De nandeha agny Keila i Davida sy ny lihilahiny de niady tamin'ny Filistina. Noferiny lavitsa ny biby fiompy de namely an-dreo tamin'ny famonoana lihibe i. Ko voavonjin'i Davida ny panompon'i Keila. 6 Sy efa nilefa tagny amin'ny Davida tao Keila i Abiatara zanaka lahin'i Ahimeleka, de nidigna niaraka amin'ny efoda tegny an-tagnany i. 7 De nolazina tamin'i Saoly fa nandeha agny Keila i Davida. Zao ro nataon'i Saoly: "Efa namen' Andriamagnitsa anahy eo ampelatagnako i.Ko voahidy ao i satria niditsa tao amin'ny tanana misy vavahady sy fefy." 8 Napangaika ny tafiny aby i Saoly mba hiady, hidigna handeha agny Keila, de hanao fahirano an'i Davida sy ny lihilahiny. 9 De fantatsy Davida fa manao teti-dretsy hamono anazy i Saoly. De zao ro nataon'ny tamin'i Abiatara pisorogna hoe: "Fero aty ny efoda." 10 De zao ro nataon'i Davida: " Ry Yaveh, Andriamagnitsy ny Israely, efa reny panompona tokoa fa i Saoly de mitady handeha agny Keila, mba handringagna ny tanána tratsany ny aminahy. 11 Hanolotsa anahy eo anatagnany ve ny olon'i Keila? Hidigna ve i Saoly, araka ny reny panomponao? Ry Yaveh, Andriamagnitsy ny Israely, miatalaho aminao aho, miangavy roa mba tarogno ny panomponao." De zao ro nataon'i Yaveh hoe: "Hidigna i." 12 De zao ro nataon'i Davida hoe: ''Hatolotsy ny olon'i Keila eo an-tagnan'i Saoly ve aho sy ny lihilahiko ? De zao ro nataon'i Yaveh hoe: "Hanolotsa anao reo. " 13 De nandeha i Davida sy ny lihilahiny . ze tokony ho tamin'ny eninjato, ko niala avy hateo Keila, De nandeha nifindrafindra toerana. Nilaza tamin'i Saoly fa nilefa avy hatagny Keila i, de napiagneniny ny fandozorana. 14 Niegnina tao agnatiny fiarovana mafy tagny agn'efitsa i Davida tegny amin'ny tany ambony tany agn'efitsy Zifa. Nikaroka anazy isan'andro i Saoly, nefa Andriamagnitsa tsa manolotsa anazy teo an-tagnany. 16 Sy Jonatana, zanaka lahin'i Saoly, nitsangagna ko nandeha agny amin'i Davida tagny Horesa, sady nankahery ny tagnany tao amin'Andriamagnitsa. 17 Zao ro nataon'ny taminazy hoe: "Aza matahotsa. Fa ho hitan'i Saoly raiko agnao. Agnao ro ho panjaka eo amin'Israely, de iaho de ho eo agnilanao. fantats'i Saoly raiko zay. " 18 Nanao fagnikena teo alohan'i Yaveh reo. De niegnina tao Horesa i Davida, de i Jonatana nandeha nody tagny amin'ny fonegnany. 19 De nagnatogna an'i Saoly tao Gibea ny Zifita ko nitarogna hoe: "Tsa i Davida ve ro misitrika agny aminay ao agnatin'ny batery fiarovana mafy agny Horesa, agny amin'ny havoana Hakila, ze agny atsimon'i Jesimona? 20 Androany midìgna, ry panjaka! Araka ny sitrakao, midìgna! Hanolotsa anazy eo apelantagnan'ny panjaka ro anjaranay 21 De zao ro nataon'i Saoly: "Yaveh anie hitahy anaoreo. fa nangoraka anahy agnareo. 22 Mandihiana, ataovo azo antoka soa. Fantaro sy tadiavo ny toerana ze hisitrihany sy ze nahita anazy tagny. Nolazaina taminahy fa fetsy tokoa i. 23 Ko jireo, de fantaro ny toerana aby ze hagasitrihany ny tegnany. De mipodiana ndraika aty aminahy hilaza marimarina soa, de hiaraka aminareo hipody aho. Lehe agny amin'ny tany i, de hotadiaviko amin'ny Joda agn'arivony aby 24 Sy avy eo ko nitsangagna reo ko nandeha agny Zifa talohan'i Saoly. De tagny amin'ny efitsy ny Maona i Davida sy ny lihilahiny, tagny Araba atsimon'i Jesimona. 25 Nandeha nitadia anazy i Saoly sy ny lihilahiny. Fa nolazaina tamin'i Davida zay, ko nidigna tagny amin'ny tany havoana be vato i sady nitoatsa tagny agn'efitsy Maona. Sy efa nandre anizay i Saoly, de nandodotsa an'i Davida tagny an-tany efits'i Maona i. 26 De i Saoly nandeha tagny amin'ny ilany tendrombohitsa raika, Davida sy ny lihilahy hafa tagny amin'ny ilany hafa. Nnandeha malaky i Davida hagnalavitsa an'i Saoly. Sy efa nagnodidigna an'i Davida sy ny lihilahiny i Saoly sy ny lihilahiny mba hangalaka an-dreo, 27 de nisy pitondra teny nanatogna an'i Saoly ko zao ro nataon'ny taminazy hoe:" Malàky be moa, fa manao fanafihana hanohitsa ny tany ny filistina. " 28 De nipody avy hatagny amin'ny fagninjehana an'i Davida i Saoly sady nandeha nifagnandrigna tamin'ny Filistina. De izay ro nangehana anio teorana io hoe: Vatolampiny filifana. 29 Niakatsa avy hatagny Davida ko nitoatsa tao amin'ny fiarovana mafin'i En-jedy.