Toko faha 24

1 Sy efa nipody avy nandodotsa an'ny Filistina i Saoly, de nolazaina taminazy hoe: "agny agn'efits'i En-jedy i Davida. " 2 Sy avy eo i Saoly de nangalaka lihilahy telo arivo voafantigna avy tamin'i Israely aby de nandeha nitadia an'i Davida sy ny lihilahy tegny amin'ny Vatolampiny Osi-dia. 3 Nandeha teo amin'ny valan'ondry tegny an-dalagna i, ze nisy zohy raika. Niditsa tao mba hanao maloto i Saoly. De i Davida sy ny lihilahily de nitoatsa lavitsa tao afarany tao amin'ny zohy. 4 Zao ro nataon'ny lihilahin'i Davida taminazy hoe: "Ity ro andro ze nirisahan'i Yaveh sy efa nitarogna taminao I hoe: ' Hatolotso eo apelantagnanao ny fahavalonao, mba hanaovanao ze tianao hatao aminazy.' "Sy avy eo i Davida nitsangagna sady nandady moramora nandroso ko nanapaka ny moron'akanjo lavan'i Saoly. 5 Sy efa afaka zay de nampijaly anazy ny fon'i Davida satria nanapaka ny moron'akanjo lavan'i Saoly i. 6 Zao ro nataon'i Tamin'ny lihilahy hoe: "Yavhe anie handrara anizao fanaovako raharaha zao amin'ny tompoko, ny voahosots'i Yaveh, de ny hagninjirako ny tagnako aminazy, lehe mahita fa voahosots'i Yaveh i." 7 De nitarogna mafy anireo lihilahy tamireo trogna reo i Davida, de tsa namela an-dreo hamely an'i Saoly. Nitsangagna i Saoly, nandao ny zohy, de nandeha tamin'ny lalany. 8 Sy efa afa afak'izay, de nitsangagna hiany koa i Davida, nandalo ny zohy, sady nangaika an'i Saoly hoe: "Ry panjaka tompoko. "Sy efa nijery anazy hatao afara i Saoly, de napiankohoka ny tavany tamin'ny tany i Davida sady naneho fagnajana anazy. 9 Zao ro naton'i Davida tamin'i Saoly hoe: "Nahoana agnao ro mihaino ny lihilahy ze manao hoe: 'Io, mihevitsa ny hanao ratsy anao i Davida 10 Androany hitan'ny masonao ny fomba namitrahan'i Yaveh anao teo am-pelatagnako tamitsika tao anjohy. Ny sasany nitarogna taminahy mba hamono anao, fa namindra fo taminao aho. Zao ro nataoko hoe: 'tsa hagninjitsa ny tagnako amin'ny panompoko aho; satria voahosots'i Yaveh i.' 11 Io, ry raiko, jireo ny morotongots'akanjo lavanao eo am-pelatagnako. Fa ny antony napangalako ny morotongots'akanjo lavanao sy tsa namonoako anao,de mba ho fantatsao sy ho itanao fa tsa misy ratsy na fivadihana eto am-pelatagnako, sady tsa nanota taminao aho, nako de mijery ny aiko mba hahafaty anahy aza agnao. 12 Yaveh anie hitsara anahy sy agnao, sady Yaveh anie hamaly faty anahy aminao, fa ny tagnako de tsa tokony hanohitsa anao. 13 Araka ny lazain'ny ohabolan'ny taolo hoe: 'Avy amin'ny ratsy fagnahy ro hiavian'ny faharatsiana.' Fa tsa hanohitsa anao ny tagnako. 14 Ho ania ro niengan'ny panajakan'Israely? Ia ro dozoronao? Amboa maty, Parasy! 15 Yaveh anie ho pitsara sy hagnome fitsarana anahy sy agnao, sady hijery amizy, de hisolo vava anahy sy hamela anahy hilefa amin'ny tagnanao." 16 Sy efa avy miresaka anireo tarogna reo tamin'ny Saoly i Davida, de zao ro nataon'i Saoly hoe: "feonao nga zao, ry Davida zanako?" Nanondrotsa ny feon'ny i Saoly sady nitomagny. 17 Zao ro nataon'ny tamin'ny Davida hoe: "Marina mihoatsa anahy agnao. Satria namaly soa anahy agnao, sy efa namaly ratsy anao aho. 18 Nolazainao androany ny fomba nanaovanao soa taminahy, satria tsa namono anahy agnao lehe nataon'i Yaveh teo an-tagnanao ny aiko. 19 Fa lehe misy lihilahy mahita ny fahavalony, de handefa anazy am-piadagnana ve i? Yaveh anie hamaly soa anao ny amizay vitanao taminahy androany. 20 Amizao fantako fa ho mpanjaka tokoa agnao de hapetraka eo am-pelantagnanao ny fanjakan'Israely. 21 Mianiana aminahy amin'i Yaveh fa tsa hamongotsa ny taranako mandimby anahy agnao, sady tsa hamotika ny agnarako hiala amin'ny tragnon-draiko." 22 Sy zay de nanao fianiagnana tamin'i Saoly i Davida. Sy avy eo de nandeha nody i Saoly, fa i Davida sy ny lihilahiny ro nandeha niakatsa amin'ny fiarovana mafy.