Toko faha 25

1 De nodimandry i Samoela. Niara nivory aby ny Israely de nisaogna anazy, de nalevin-dreo tagny andragnony tagny Rama i. De nandeha i Davida sady nidigna nandeha agny agn'efits'i Parana. 2 Nisy lihilahy raika tagny Maona, ze tagny Karmela ny fanagnany. Tena nanakarena ny lihilahy. nanagna ondry telo arivo sy osy arivo i. 3 Nagnety ny ondriny tagny Karmela i. Nabana ro aganaran-dralihilahy, de ny agnarany vadiny de Abigaila. Naragni-tsaigna ny apela sady soa endrika. Fa ny lihilahy masiaka sady ratsy tamin'ny fitondrany. Tranaky ny akohognan'i Kaleba i. 4 Ren'i Davida tagny agn'efitsa fa nagnety ny ondriny i Nabala. 5 Ko de nandefa tovolahy folo i. De zao ro nataon'i Davida tamin'ny lihilahy :"Miakara agny Karmela, mandihiana agny amin'i Nabala, sady miarahaba anazy amin'ny agnarako. 6 Lazaonareo aminazy hoe: 'Miviloma agnatiny fagnambinana. Fiadanana anie ho anao de fiadagnana anie ho an'ny akohognanao, de fiadagnana anie ho anize aby anagnanao. 7 Reko fa managna pagnety agnao betsaka agnao. Efa niaraka taminay ny piambigna n ondrinao, sady tsamba nagnisy ratsy an-dreo agnay, de tsa nisy na ina na ina tsa ampy tamin-dreo tamin'ny tagny Karmela. 8 Agnotaneo ny tovolahinao, de ho lazain-dreo aminao. De avilao ny tovolahiko hahita sitraka eo imasonao, fa tsy maintsy avy agnay amin'ny andro fety. Mba meo roa na ina na ina hangnanao eo an-tagnanao ho an'i panomponao de ho an'i Davida zanaka lahinao." ' 9 efa avy ny tovolahin'i Davida, de nolazain-dreo tamin'i Nabala ho an'i Davida aby zay aby zay, sy avy eo de niandry reo. 10 Namaly ny panompon'i Davida i Nabala nanao hoe: " Ia zao Davida zao, Nisy panompo betsaka ze nisara-dalagna tamin'ny tompon-dreo tamizay andro zay. 11 Tokony hangalaka ny mofoko sy ny ranoko de ny henako ze efa novonoako ho an'ny pagnetiko nga iaho, sady hagnome anizay ona zay tsa fantako mihintsy hoe avy hataia na hataia?" 12 Ko de nipody sady nandeha nody ny tovolahin'i Davida, de nitarogna anizay aby nolazaina taminazy. 13 De zao ro nataon'i Davida tamin'ny olony: "Apitaho ny sabatsy ny ona tsiraidraika. De nametaka ny sabany koa i Davida. Lihilahy teo amin'ny efajato teo ro nagnaraka an'i Davida, de roanjato ro niegnina teo agnilan'ny entagna. 14 Fa niresaka tamin'i Abigaila, vadin'i Nabala, ny raika tamin'ny ona, nanao hoe: "Nandefa iraka betsaka avy hatagny agn'efitsa mba hiarahaba ny tomponay i Davida, de notsiratsirain-dreo. 15 Kanefa tena tena soa taminay tokoa ny ona. Fa tsa nisy ratsy nanjo anay sady tsa nisy tsa ampy taminay lehe vona nandeha niaraka tamin-dreo koa agnay tamin'ny tagny amin'ny saha. 16 Manda ho anay reo na andro na aligna, nandritsy anizay niarahanay niambign'ondry. 17 Noho izay fantaro sy hivero ze ho ataonareo, fa misy ratsy kasaina hatao amin'ny tomponay, sy ny akohonanay. De ny ratsy fagnahy tokoa i. ko tsa misy afaka mitarogna anazy." 18 Sy avy eo Abigaila nangalaka mofo roanjato faingana, dovay roa tavoangy, ondry voavoatsa dimy, fatsan-dango dimy, mofo voaloboka zato, sy apembanaviavy roanjato, de natoatsany teo ambony boriky reo. 19 De zao ro nataon'ny tamin'ny tovolahiny: "Mandihiana eo alohako, de hagnaraka anao aho sy avy eo." Kanefa tsa nitarogna tamin'ny Nabala vadiny i. 20 Sy efa nitengina ny boriky i de nidigna agnilany havoana, Davida sy ny olony nandeha tegny aminazy, de nifankahita tamin-dreo i. 21 De i Davida nitarogna hoe: "Tena raha foagana ny niambenako anize aby nanagnan'io lihilahy io tagny agn'efitsa, fa tsa nisy na ina na ina very zay aby zay, de novaliany ratsy ny soa nataoko anazy. 22 Hanao tahaka anizay anahy anie Andriamagnitsa, ry Davida, sady mihoatsa aza, lehe mamela nako de raika amireo ze anazy aho zizika maraigna. " 23 Sy efa nahita an'i Abigaila i Davida, de nidigna malaky hategny amin'ny borikiny sady nandohalika de niondrika sady napiakohoka ny tegnany teo amin'ny tany teo agnatrehan'i Davida. 24 Nandohalika teo amin'ny tongony i de nanao hoe: ''Ho aminahy rery hiany, ry topoko, ny fahamelohana. Avilao re ny panomponao mba hiresaka aminao, de mihienoa ny tarogny ny panomponao. 25 Aoka tsa hijery anio i Nabala, lihilahy ratsy fagnahy io tompoko, fa araka any agnarany, de tahaka anizay hiany i. Nabala ro agnarany, sady miaraka amin'ny hadalana. Fa iaho panomponao de tsamba nahita ny tovolahin'ny tompoko, ze nalefanao. 26 Androany ary, ry tompoko, lehe vona velogna ko ai Yaveh, sady lehe vona velogna koa agnao, satria narovan'i Yaveh tamin'ny fandatsahan-drà, sy tamin'ny famaliany tegnanao tamin'ny tagnanao hiany agnao, de aoka ny fahavalonao, sy ny ze mitadia hanao ratsy amin'ny tompoko, ho tahaka an'i Nabala. 27 De aoka ty fagnomezana ze efa noferin'ny panomponao tamin'ny tompoko ty mba hatolotsa ho an'ny tovolahy ze magnaraka ny tompoko. 28 Mba avilao re ny fahadisoan'ny panomponao, fa hanangagna fonegnana azo antoka ho an'i tompoko tokoa i Yaveh, satria miady ny adin'i Yaveh ny tompoko; de ny ratsy de tsa ho hita egny aminao lehe vona velogna koa agnao 29 Neko de mitsangagna hagnenjika anahy mba hagnala ny ainao aza ny lihilahy, de efa nofihiezin'i Yaveh Andriamagnitsao amin'ny fatoran'ny velogna ny ain'ny tompoko; de ho atsipy ny ainy fahavalonao, eo amin'ny foatsan'ny tsamotady. 30 De ho ataon'i Yaveh amin'ny tompoko ny raha aby napagnatigniany anao, araka ny nanindreny anao ho pitondra eo amin'ny Israely. 31 Tsa ho entamavesatsa ho anao-- ny nandatsahanao rà tsa manatsigny, na nohon'ny nagnandraman'ny tompoko hagnavotsa ny tegnany. Fa sy efa hanao soa ho an'ny tompoko i Yaveh, de tsarovo n y panomponao." 32 D e zao ro nataon'i Davida tamin'i Abigaila: "Isaorana anie Yaveh, Andriamagnits'Israely, I ro nandefa anay hiaogna aminahy androany. 33 Ho tahiana ny fahindrenao, sady ho tahiana agnao, satria efa narovana tamin'ny fandatsaha-dra sy famaliana faty ny tegnako tamin'ny tagnako hiany aho! 34 Fa lehe ny marina, lehe vona velogna koa i Yaveh, Andriamagnitsy ny Israely, I ro niaro anahy mba tsa handratsa anao, lehe tsa nandeha malaky hiaogna aminahy agnao, de tsa ho nisy niangagna ho an'i Nabala hafatsy zaza lahy kely raika ny maraigna. " 35 Ko de nandray ze noferiny ho anazy hatamin'ny tagnany i Davida; Zao ro nataony taminazy: "Mandihiana ampiadagnana agny amin'ny akohognanao; indro, efa nihieno ny feonao aho, sady efa nagneky anao." 36 De nandeha nipody tagny amin'i Nabala i Abigaila; io, nanao fanasana tao an-dragnony i, tahaka ny fanasan'ny panjaka; de ny fon'ny panjaka faly tao agnatiny, satria mamo tanteraka i. Ko tsa nitarogna na ina na ina i zizika maraigna. 37 sy maraigna, sy efa nisava ny dovan'i Nabala, de notarogniny ny vadiny taminazy aby ny raha aby reo; de nilofika tao agnatiny ny fony, de nanjary tahaka ny vato i. 38 De folo andro taty afara de namely an'i Nabala i Yaveh de maty i. 39 Sy efa ren'i Davida fa maty i Nabala, de zao ro nataony: "Isaorana anie i Yaveh, ny nagnala ny faniratsiran'i Nabala anahy tatagnan'i Nabala, sady niaro ny panopony tamin'ny ratsy. Nagnapody ny ratsy nataon'i Nabala teo andohany hiany i." Sy avy eo i Davida nagniraka sady niresaka tamin'i Abigaila, mba hangalaka anazy ho vady. 40 Sy efa avy tagny amin'ny abigaila tagny Karmela ny panopon'i davida, de niresaka tamin-dreo sady nanao hoe: "Nandefa anay aty aminao i Davida mba hangalaka anao ho vadiny." 41 De nitsangagna i, napiakohoka ny tavany tamin'ny tany, sady nanao hoe: "io, ny panompo vavinao de mpanompo hanasa ny tongotsy ny panompon'ny tompoko." 42 De nitsangagna malaky i Abigaila, sady nitengigna ny boriky niaraka tamin'ny panompo vaviny dimy ze nagnaraka anazy; de nagnaraka ny irak'i Davida i de najary vadiny. 43 De nalain'i Davida ho vadiny koa Ahinaoma Jezirela; de samy najary vadiny aby i roa. 44 De, i Saoly nanolotsa ny zanany vavy, vadin'i Davida, ho an'i Palty zanaka alahin'i Laisa, ze avy hatagny Galima.