1 Avy tagny amin'i Saoly tagny Gibea ny Zifta de nitaroga hoe: "Tsa misitrika agny amin'ny lhasahan'i Hakila, ze mifagnatrika amin'i jesimona ngaha i Davida? " 2 De nandeha i Saoly nandeha nidigna agny amin'ny efits'i Zifa,nitondra ny lihilahin'Israely voafatigna telo arivo niaraka taminazy, mba hitadia an'i Davida agny an-tany efits'i Zifa. 3 Nitoby teo amin'ny havoan'i Hakila i Saoly, ze nagnatrika an'i Jesimona, teo amoron-dalagna. Fa nitoatsa tagny atany efitsa i Davida, de hitany fa tavy hitadia anazy tagny atany efitsa i Saoly. 4 Ko nagniraka pitsikilo i Davida ko nahafatatsa fa tena avy tokoa i Saoly. 5 Nitsangagna i Davida de nandeha tagny amin'ny toerana ze nitobian'i Saoly; hitany ny toerana natorian'i Saoly, sy Abnera zanak'i Nera, ny jenralin'i tafiny; natory tao amin'i Saoly, de nitoby magnodidigna an-dreo ny ona, samy resitory aby. 6 De zao ro nataon'i Davida tamin'i Ahimeleka Hitita, sy tamin'i Abisay zanak'i Zeroia, rahalahin'i Joaba hoe: "Ia ro handeha hidigna handeha hoagny amin'i Saoly ao an-toby miaraka aminahy?" Zao ro nataon'i Abisay hoe: "Iaho! Hidigna miaraka aminao aho. " 7 Ko nandeha nadeha agny amin'ny tafika i Davida sy Abisay ny aligna. Natory tao amin'ny toby niaraka tamin'ny lefony nitsatoka tamin'ny tany teo agnilan'ny lohan'i Saoly. Ntory nagnodidigna anazy i Abnera sy ny miaramilany. 8 De zao ro nataon'i Abisay tamin'i Davida hoe: "Natoatsan'Andriamagnitsa eto agnilanao ny fahavalonao androany. Avilao roa aho hanindrogna anazy ho amin'ny tany indray mamely hiany amin'ny lefogna.Tsa hamely anazy fagnindroany mihintsy aho." 9 Zao ro nataon'i Davida tamin'i Abisay hoe: "Aza mamono anazy; fa ia ro afaka magninjitsa ny tagnany hamely ny voahosots'i Yaveh ko tsa ho meloka?" 10 Zao ro nataon'i Davida hoe: "Lehe vona velogna koa i Yaveh, de Yaveh ro hamono anazy, na ho avy ny andro hafatesany, na handeha hiady i ko ho maty agny. 11 Ho raràn'i Yaveh anie ny hagninjirako ny tagnako amin'i voahosony; fa androany, miangavy aminao aho, raiso ny lefogna ze eo an-dohany sy ny sinindrano, de andao handeha." 12 Ko de nalain'i Davida hategny an-dohan'i Saoly ny lefogna sy ny sinin-drano, de niala i reo . Tsa nahita an-dreo na nahalala ny momba anizay, na nisy ona nifoha, fa resitory aby reo, satria nilatsaka tamin-dreo ny torimaso laligna hatamin'i Yaveh. 13 De nandeha tegny apita i Davida sady nitsangagna teo an-tampon'ny tendrombohitsa lavitsa egny; nisy halavirana be nagnelagnelagna an-dreo. 14 Nitabataba mafy tamin'i vahoaka sy Abnera zanak'i Nera i Davida; zao ro nataon'ny hoe: "Tsa mamaly nga agnao?" De namaly Abnera hoe: "Ia agnao ze mangaingaika ny panjaka zao?" 15 Zao ro nataon'i Davida tamin'i Abnera hoe: "Tsa agnao nga ro lihilahy be herim-po? Ia ro tahaka anao eto Israely? Nahoana ary agnao ro tsa miambigna ny panjaka toponao? Fa nisy ona niditsa hamono ny panjaka toponao. 16 Tsa soa zao raha ataonao zao. lehe vona velogna koa i Yaveh, de mendrika ny ho maty agnao satria tsa niambigna ny toponao, de ny voahosots'i Yaveh. Androany de jireo ze misy ny lefogn'i panjaka sy ny sinin-drano teo agnilany lohany!" 17 Nahatsiaro ny feon'i Davida i Saoly ko nanao hoe: "Feonao nga zao?" Zao ro nataon'i Davida hoe: ''Feoko zao,ry panjaka, topoko." 18 Zao ro nataony hoe: "Nahoana ro mandodotsa ny panopon'ny topoko? Ina nga ro nataoko? ina ro ratsy eto atagnako? 19 Androany ary, miangavy aminao aho, aoka ny topony panjaka hieno ny tarogny ny panopony. Lehe i Yaveh ro napietagna anao hanohitsa anahy, aoka i hagneky fagnatitsa raika; fa lehe olombelogna zay, de ho voaozogna eo imason'i Yaveh anie i, fa nandroak anahy reo androany, mba tsa hifikirako amin'ny lovan'i Yaveh; zao ro nataon-dreo taminahy hoe: ' Mandihiana manopo andriamani-kafa.' 20 Androany ary, aza avela ho very eo amin'ny tany lavitsy ny fagnatrehan'i Yaveh ny ràko; fa efa nienga hitadia ny parasy kely raika tahaka ny fanamboran'olo tsipoy raika agny amin'ny tendrombohitsa ny panjakan'Israely." 21 De zao ro nataon'i Saoly hoe: "Nanota aho. mipodiana, ry Davida, zanako lahy; fa tsa hagnisy ratsy anao koa aho, satria sarobidy teo imasonao ny aiko androany. Io, niadaladala aho de nanao fahadisoana ratsy ndrindra." 22 Namaly i davida ko nanao hoe: "Io, ty ny lefognao, ry panjaka! aoka hisy amireo tovolahy hiapita sady hangalaka anizay ko hitondra anizay agny aminao. 23 Yaveh anie hamaly ny ona tsiraidraika nohon'ny fahamarinany sy ny fahamarinany aby; satria nametraka ano teto antagnako i Yaveh androany, kanefa tsa namely ny voahosony aho. 24 Io, tahaka ny saha sarobidy ny ainao androany teo imasoko, de enganie ka homendanja eo imason'i Yaveh tahaka anizay ny aiko, sady hagnavotsa anahy amin'ny fahoriana aby anie I." 25 De zao ro nataon'i Saoly tamin'i Davida: "Ho tahiana anie agnao, ry Davida zanako! Hanao raha lihibe tokoa agnao de hoambinina amizay.'' Ko nandeha tamin'ny lalany i Davida, de nipody tagny amin'ny toerany i Saoly.