Toko faha 27

1 Nitarogna tao ampony i Davida hoe: "Ho matiny tagnan'i Saoly aho ndraikandro agny; tsa misy soa ho anahy hafatsy ny mandeha agny amin'ny tanin'ny Filistina; tsa hitadia anahy erany faritani'ny israely aby koa i Saoly; amizay lalagna zay ro hilifako hiala amin'ny tagnany." 2 Nitsangagna i Davida de nandeha, i sy ny lihilahy eninjato ze niaraka taminazy, handeha agny amin'i Akisy zanak'i Moaka, panjakan'i Gata. 3 Nitoatsa niaraka tamin'i Akisy tao Gata i davida, i sy ny lihilahiny, ny lihilahy tsiraidraika miaraka amin'ny akohonany aby, de i Davida miaraka amin'ny vadiny roa, ahinaoma Jezirelita sy Abigaila Karmelita, vadin'i Nabala. 4 Nolazaina tamin'i Saoly fa nilefa agny Gta i Davida, ko tsa nitadia anazy ko i. 5 Zao ro nataon'i Davida tami'i Akisy: "lehe nahita fitia teo imasonao aho, aoka reo hagnome toerana ao amin'ny tanàna raika eo amin'ny firenena ho anahy, ko hahafahako mitoatsa agny fa nahoana ny panoponao ro hiara-hitoatsa ao atanànanan'ny panjaka miaraka aminao? " 6 De namen'i Akisy anazy andronio Ziklaga; zay ro antony niavian'i Ziklaga handeha agny amin'i Panjakan'i Joda nanomboka tamizay andro zay ndrindra. 7 Heritaogna feno sy efabolagna ro isan'ny andro ze nitoeran'i Davida tagny amin'ny tanin'i Filistina. 8 De toerana karazany betsakaka ro notafihin'i Davida sy ny lihilahiny, nanao fanafihana tagny Gesorita,Gizrita, de Amalekita; satria reo firenena reo de ponina tao amin'ny tany, lehe handeha agny sora, ko zizika amin'ny tany Egipta agnao. Efa nitoatsa tagny reo taloha. 9 Nanafika ny tany Davida ko tsa nisy navelany na ny lihilahy na ny apela; noferiny ny ondry, ny omby, ny apondra, ny rameva, de ny fitafiana; de nipody handeha agny amin'i Akisy ndraika i. 10 De zao ro nataon'i Akisy hoe: "Ia ro notafihinareo androany ? De namaly i davida hoe: "Ny atsimon'i Joda, " na " Ny atsimon'i Karmelita," na " Ny atsimon'i Kenita." 11 De tsa nisy navelan'i Davida ho velogna mba ho ferina agny Gata na lihilahy na apela, fa zao ro nataon-dreo hoe: "Mba tsa hafahan-dreo mitarogna hoe:'Manao anizao sy zao i Davida. " Izay ro nataonay nadritsa ny fotoagna aby nitoeranay tagnya amin'ny firenen'i Filistina. 12 Nino an'i Davida i Akisy ko nanao hoe: "Efa nataonay ze hakahalan'ny Israely vahoakany anazy tanteraka; noho izay de ho panopoko mandrakizay i."