1 De tamin'io andro io ny Filistina de napivondrogna ny tafiny hiady amin'ny Israely. Zao ro nataon'i Akisy tamin'i Davida: "Fataro soa fa hienga hiaraka aminahy handeha agny aminy toby, agnao sy ny lihilahinao." 2 Zao ro nataon'i Davida tamin'i Akisy: "Ho fatatsao ze afaka hataon'ny panoponao." Zao ro nataon'i Akisy tamin'i Davida hoe: " Ko hataoko piambigna anahy rekitsa agnao." 3 De maty i Samoela, de ny Israely aby nisaogna anazy ko nandevigna anazy tao Rama, tao amin'ny tagnàny. Nofongoran'i Saoly tsa ho eo amin'ny tany hiany koa ze niresak tamin'ny maty na tamin'ny fagnahy. 4 De nivondrogna niaraka ny Filistina de avy sy nitoby tao Sonema; de Saoly napivondrogna ny Israely aby, ko nitoby tao Gilboa reo. 5 Sy efa nahita ny tafiky ny Filistina i Saoly, de natahotsa i, de nihorohoro mafy ny fony. 6 Nitalaho fagnapena tamin'i Yaveh i Saoly, kanefa tsa namaly anazy i Yaveh--na tamin'ny nofy, na tamin'i Orima, na tamin'ny paminany. 7 De zao ro nataon'i Saoly tamin'i panompony: "zao ro nataon'i Saoly tamin'ny panopony: "Itadiavo apela miresaka amin'ny maty aho, mba hafahako mandeha agny amin'ny mitadia hevitsa aminazy." Zao ro nataony tamin'ny panompony taminazy: "Io, misy apela agny Andora ze mitarogna fa miresaka amin'ny maty." 8 Nagnova endrika i Saoly, nanao akanjo hafa, de nadeha , sy ny lihilahy roa niaraka taminazy; nandeha amin'ny apela reo ny aligna. Zao ro nataony: "Mitalaho aminao aho, manaova fiantsoana ny maty ho anahy, miaraka amin'ny fagnahy, de fero miaraka amin'ny fagnahy, sady fero miakatsa ze agnarana tarognoko anao." 9 Zao ro nataon'ny apela taminazy: "Io, fatatsao ze nataon'i Saoly, ze namorognany ze miresaka aminy maty na min'ny fagnahy tsa ho eo amin'ny tany.Ko nahoana agnao ro mametraka fandrika ho an'ny aiko, mba hahafaty anahy?" 10 Nianiagna taminazy tamin'ny alalan'i Yaveh i Saoly ko nanao hoe: "Lehe vona velogna koa i Yaveh, de tsa hisy fagnasaziana hiantra aminao noho izao raha zao." 11 De zao ro nataon'ny apela: "Ia ro tokony ho feriko miakatsa eto aminao?" Zao ro nataon'i Saoly: "Fero miakatsa ho anahy i Samoela. " 12 Lehe nahita an'i Samoela ny apela, de nitabataba mafy i de niresaka tamin'i Saoly nanao hoe: "Nahoana agnao ro namitaka anahy? Fa Saoly agnao." 13 Zao ro nataon'ny panjaka taminazy: "Aza matahotsa. Ina ro hitanao?" Zao ro nataon'i apela tamin'i Saoly: "Mahita andriamagnitsa miakatsa avy ao amin'ny tany aho." Zao ro nataony taminazy: "Tahaka ny akory ny endriny?" 14 Zao ro nataony: "Lihilahy antitsa ro avy niakatsa; manao akanjo lava i." Fantats'i Saoly fa i Samoela zay, ko napiakohoka ny tavany tamin'ny tany i sady naneho fagnajana. 15 Zao ro nataon'i samoela tamin'i Saoly: "Nahoana agnao ro nagnakorotagna anahy ko nitondra anahy niakatsa?" Saoly namaly hoe: " ory loatsa aho, satria ny Filistina de mila ady hanohitsa anahy, de Andriamagnitsa nandao anahy de tsa namaly anahy koa, na tamin'ny paminany na tamin'ny nofy. Noho izay de nangaika anao aho, mba hafahanao mapahafantatsa anahy ze tokony hataoko." 16 Zao ro nataon'i Samoela: "Ina ary ro agnotanianao anahy, satria nandao anao yaveh, de nanjary fahavalonao I? 17 Nataon'i Yaveh taminao ze efa nolazainy hataony. Efa nagnatsoaka ny fanjakana tsa ho eo atagnanao i sady nagnome anizay ho an'olo-kafa ho an'i Davida. 18 Satria agnao tsa nagneky ny feon'i Yaveh sady tsa nitondra ny firihetan'ny fahasiahany tamin'ny Amalekita, de nataony taminao zay androany. 19 Akoats'izay, i Yaveh de hanolotsa anao sy ny Israely ho eo atagnan'ny Filistina. Sy apitso agnao sy ny zanakao lahy de hiaraka aminahy. Hatolots'i Yaveh ho eo atagnany Filistina hiany koa ny tafik'Israely." 20 Avy hatragny de nigietraka niapatsa tamin'ny tany i Samoela de nataohatsa i noho ny tarogn'i Samoela. Tsa nisy hery tao agnatiny, satria tsa nihina-kanina i nandritsy ny andro tontolo, na tao amin'ny aligna totolo. 21 Nandeha teo amin'ny Saoly ny apela de nahita fa tena nikorotatsaignai, Zao ro nataony taminazy: "Io, ny panopovavinao efa nihieno ny feonao; efa napetrako teo apelatagnako ny aiko sady efa napetrako teo apelatagnako ny aiko sady efa nihieno ny tarognao ze nambaranao taminahy. 22 Ko androany, miangavy aminao aho, henò hiany koa ny feon'ny panompo vavinao, sady avilao aho hametraka ny hanina kely eo alohanao. Mihinána mba hazahoanao hery sy efa handeha amin'ny lalanao agnao." 23 Fa i Saoly tsa nagneky sady nitarogna hoe: "tsa hihinana aho." Fa reo ny panompony, ko de nihieno ny feon-dreo i. Ko nitsangagna hateo amin'ny tany i de nitoatsa teo amin'ny fandrena. 24 Nanagna zanak'ômby mifahy tao an-dragnony rakialavavy; nandeha malaky i de anizay; nangalaka koba i, nafangarony anizay, de nagnendy ny mofo tsa misy lalivay niaraka tamizay. 25 Noferiny teo alohan'i Saoly sy ny panopony zay, de nihinana reo. De nitsangagna reo ko nandeha ny alin'igny.