Toko faha 29

1 De namory ny tafiny aby tao Afeka ny Filistina; 2 nitoby teo agnilan'ny loharano ze tagny Jezirela ny Israelita. Ro zarain'ny andrian'ny Filistina an-jatony sy anarivony ny miaramila; Davida sy ny olony nandeha avy teo amin'ny piambigna ny vodilalagna niaraka tamin'i Akisy. 3 De zao ro nataon'i Andrian'ny Filistina: " Ina ro ataon'ny Hebreo reo aty?" Zao ro nataon'i Akisy tamin'ny andrian'ny Filistina hafa: ''Fa tsa i Davida ve io, ny panopon'i Saoly, panajakan'Israely, ze efa niaraka taminahy tamin'nigny andro igny, na tamin'igny andro igny akory aza, de tsa nahita fahadisoana taminazy aho hatramizay niarahany taminahy zizika androany?" 4 Nefa ny andrian'ny Filistina de nasiaka taminazy; zao ro nataon-dreo taminazy: "Alifaso mandeha agny zay lihilahy zay, aoka i hipody agny amin'ny toerany ze nomenao anazy; aza avela mandeha miaraka amitsika handeha agny amin'ady i, mba hanjary fahavalotsika amin'ady i. fa nahoana ro nafahan'io namana io hihavana amin'ny topony? Nga ve tsa amin'ny alalan'ny lohan'ny olotsika? 5 Nga ve tsa io i Davida ny napihiran-dreo tamim-pandihizana, nanao hoe: 'nahafaty agnarivony i Saoly de i davida nahafaty agnaliny'? " 6 DE i Akisy nangaika an'i Davida ko nanao taminazy hoe: "Lehe vona velogna koa i Yaveh, de soa agnao, sady sitrako ny miara-mienga aminao ao amin'ny tafika; fa tsa vona nahita fahadisoana taminao aho hatramin'ny andro niavianao taty aminahy ko zizika androany. Neko de zay aza, de tsa akasitrahany andriana agnao. 7 Ko androany mipodiana de mandihiana apiadagnana, mba tsa hapasiaka ny andrian'ny Filistina agnao" 8 Zao ro nataon'i Davida tamin'i Akisy: "Fa ina ro nataoko? Ina ro hitanao tamin'ny panoponao hatramizay naha teo agnatrehanao anahy zizika androany, ro de tsa afaka mandeha miady hanohitsa ny fahavalon'ny topoko panjaka aho? " 9 Namaly i Akisy ko nanao tamin'i Davida hoe: "Fantako fa tsa manatsigny tahaka ny anjelin'Andriamagnitsa eo imasoko agnao; neko de zay aza, ny andrian'ny Filistina nanao hoe: 'Tsa mahazo miakatsa miaraka amitsika handeha agny amin'ady i. ' 10 Ko androany mifohaza maraim-be miaraka amin'ny panopony toponao ze avy niaraka taminao; vatany vo mifoha agnao ny maraim-be de mazava ny andro, de mandihiana. " 11 De i Davida nifoha maraim-be, i sy ny olony, mba hiala maraigna, mba hipody agny amin'ny tanin'ny Filistina. Nefa ny filistina niakatsa tagny Jezirela.