1 De sy efa avy tagny Ziklaga i Davida sy ny olony tamin'ny andro fahatelo, de nanafika teo amin'ny Negeva sy teo amin'i Zikklaga ny amalekita. Nanafika an'i Ziklaga reo, sady nandoro anizay, 2 sady nisambotsa ny apela sy ny klonga aby ze tao amizay, na kely na lihibe. Tsa namono na ia na ia reo, fa nitondra an-dreo sady nandeha tamin'ny lalany. 3 Sy efa nandeha tagny amin'ny tanàna i davida sy ny olony, de efa may zay, de ny vadiny, sy ny zanany lahy, sy ny zanany vavy de nalaina ho babo. 4 Sy avy eo de napiakapeo i Davida sy ny ona niaraka taminazy sady nitomagny mandrapaha laniny hery tao agnatiny tao ko tsa nahatomagny koa. 5 Voababo ny vadin'i Davida roa, Ahinoama Jezeralita, de i Abigaila vadin'i Nabala Karmelita. 6 Nijaly tateraka i Davida, satria niresaka ny momba ny hitoraham-bato anazy ny vahoaka, satria mangidy arapagnahy ny vahoaka aby, ny ona tsiraidraika nohon'ny zanany lahy sy ny zanany vavy; fa Davida nagnatanjaka ny tegnany tamin'i Yaveh, Andriamagniny. 7 Zao ro nataon'i Davida tamin'i Abiatara zanak'i Ahimeleka, ny pisorogna: "Miangavy aminao aho, fero aty amionahy ny efoda."de noferin'i Abiatara teo amin'i Davida ny efoda. 8 Nangataka torolalagna tamin'i Yaveh i Davidan nanao hoe: "Lehe mandoodotsa anio antokoio aho, hoazako ve reo? " De i Yaveh namaly anazy: "Tòzoro, fa azoko antoka fa hoazanao tokoa reo, sady azoko antoka fa hamerigna ny raha aby agnao." 9 De nandeha i Davida, i sy ny eninjato lahy ze niaraka taminazy; de niaraka taminazy;de avy tagny amin'ny reniranon'i Besora reo, ze niagnenan'ny ze tavela tagny afara. 10 Fa tratsany fagninjehana an'i Davida, reo sy ny efajato lahy; fa ny eninjato niegnina tagny afara, ze tena osa ko tsa afaka ny handeha eo amin'ny lohasahan-driakan'i Besora. 11 Nahita Egyptiana raika tegny atanimboly reo sady nitondra anazy tagny amin'i Davida; namen-dreo mofo i, de nihinana; namen-dreo rano hosotroana i; 12 de namen-dreo apahana mofomamin'aviavy sy sapam-boaoboka roa i. Sy efa nihinana i, de nahazo hery ndraika, satria tsa nihinana mofo na nisotro rano mandritsy ny telo andro sy telo aligna i. 13 Zao ro nataon'i Davida taminazy: "Ania moa agnao? Hataia agnao?" De zao ro nataony hoe: "Tovolahin'i Egypta aho, mpanopona Amalekita raika; namela anahy ny topoko satria narary aho telo andro zay. 14 Nanafika an'i Negevan'i Keretita agnay, sy ze an'i Joda, de negevan'i Kaleba, de nodoroany i Ziklaga." 15 Zao ro nataon'i Davida taminazy: "Hitondra anahy mandeha agny amin'ny atoko panafika ve agnao?" Zao ro nataon'i Egyptiana: "Mianiàna aminahy amin'Andriamagnitsa mba tsa hamonoana anahy na hamadihanao anahy eo apelatagnana'ny topoko, de hitondra anao hidigna amizay atoko panafika zay aho." 16 Sy efa nitondra an'i Davida nidigna ny Egyptiana, de niparitaka teo amin'ny tany aby ny panafika, nihinana sy nisotro sady nandihy nohony babo aby ze nolazain-dreo tamin'ny tanin'i Joda. 17 Nanafika an-dreo i Davida nanomboka ny harivan'ny andro magnaraka. tsa nisy nako ona raika aza tafalefa hafatsy ny tovolahy efajato, ze nitengigna rameva ko nilefa. 18 De tafapodin'i Davida ze aby nalain'i Amalekita; de voaavots'i Davida ny vadiny roa. 19 Tsa nisy raha tsa ampy, na kely na lihibe, na ny zanany lahy na ny zanany vavy, ny ny babo, na reo aby ze nobaboan'ny panafika ho an-dreo. Napodin'i Davida ny raha aby. 20 Nalain'i Davida ny ondry aman'osy aby sy ny omby, ze noferin'olo nialiha ny biby fiompy hafa. Zao ro nataon-dreo hoe: "Ireo ro babon'i Davida. " 21 Avy tagny amin'ny ona roanjato ze tena osa lehe hagnaraka anazy i Davida, ny zanany ze nataon'ny hafa niegnina tagny amin'ny reniranon'i Besora. Ny lihilahy de nadroso mba hihaogna amin'ny Davida sy ny vahoaka niaraka taminazy. Sy efa avy teo amin'ny ona reo i Davida, de niarahaba an-dreo i. 22 De ny ona ratsy fagnahy sy ny namana tsa misy ilàna anazy teo ami'ze efa nandeha niaraka tamin'i Davida nilaza hoe: "Satria tsa niaraka tramitsika reo lihilahy reo, de tsa hagnome an-dreo babo ze efa hazatsika tsika. Letsy hoe afaka mangalaka ny vadiny sy ny zanany reo lihilahy tsiraidraika, ko mitarika an-dreo, de mandeha." 23 De zao ro nataon'i Davida: "Tsa tokony hanao anizay, amize efa nomen'i Davida atsika, agnareo ry rahalahiko. Efa narovany tsika sady efa natolony teo atagnatsika ny panafika ze avy nanohitsa atsika. 24 Ia ro hieno anao amizay tranga zay? Fa ny fizarana de ho an'izay mandeha agn'ady, sy ho an'ny ona ze miandry ny entagna koa; fa hizara mitovy reo." 25 De tahaka anizay ny tamizay andro zay ko hatramizao, satria nataon'i Davida ho didy sy lalàna ho an'Israely zay. 26 Sy efa avy tagny Ziklaga i Davida, de nandefa ny sasany tamin'ny babo ho an'ny loholon'i Joda, ho an'ny namany i, nanao hoe: "Io, itito misy fagnomezana ho anao avy hatamin'ny babo hatamin'ny fahavalon'i Yaveh." 27 Nandefa ny sasany tagny amin'ny loholona ze agny Betela hiany koa i, de ho an'ny ze tagny Ramotan'ny atsimo, 28 sy ho anireo ze agny Jatira, de ho anireo ze agny Aroera, sy ho anireo ze agny Sifmota, de ho an'ny ze agny Estemoa. 29 Nandefa ny sasany tagny amn'ny loholona ze agny Rakala, sy reo ze agny amin'ny tanànan'i Jeremelita, de reo ze agny amin'ny tanànan'i Kenita, 30 de ho anireo ze agny Horma, sy reo Korsana, de ho anireo z agny ataka, 31 sy ze agny Hebrona, de amin'ny toerana aby ze nandihianan'i Davida sy ny olony matetika i.