Toko faha 31

1 De ny filistina niady nanohitsa an'Israely. De ny lihilahin'Israely nilefa teo alohan'i Filitsina de maty teo amin'ny Tendrombohits'i Gilboa. 2 Ny Filistina nandodotsa marìny an'i Saoly sy ny zanany lahy. Novonoan'ny Filistina i Jonatana, Abinadaba, de i Malkisoa, zanany lahy. 3 Niha-henjagna teo amin'i Saoly ny ady, de n pandefa zanatsipìka nahavoa anazy. Tao agnatiny fanaitaignana mafy i tratsan'ny amin-dreo. 4 De zao ro nataon'i pitondra ny fiadiany: "Avoaho ny sabatsao de trobaho amizay aho. Lehe tsa izay, ny tsa voafora reo ro ho avy ko hagnararaotsa anahy." Fa tsa nanao anizay ny pitondra ny fiadiany, satria natahatsa mafy i. Ko nalain'i Saoly ny Sabany de nigietraka tambonin'izay i. 5 Sy efa hitany pitondra ny fiadiana zay fa maty i Saoly, de nigietraka tamboniny sabany tahaka anizay hiany koa i ko maty niaraka taminazy. 6 Ko de maty i Saoly, sy ny zanany telo lahy, de ny pitondra ny fiadiany --reo lihihlahy reo de niara-maty tamin'igny andro igny hiany. 7 Sy efa hitan'ny Lihilahi' Israely ze tegny apitan'ny lohasaha, sy reo ze tegny andafin'i Jordana, fa nilefa ny lihilahin'Isaely, de maty i Saoly sy ny zanany lahy, de namela ny tanànany de nilefa reo, de avy ny Filistina de nitoatsa teo amin-dreo. 8 De ny apitson'igny, sy efa avy hagnala ny faty ny Filistinaro nahita ny an'i Saoly sy ny zanany telo lahy maty teo amin'ny tendrombohitsa Gilboa. 9 Notpahan-dreo ny lohany sady nindahiny ny fiadiany, de nandefa ny pitondra hafatsa manerana ny tanin'i Filistina mba hitondra ny vaovao agny amin'ny tempolin-tsampin-dreo sy agny amin'ny vahoaka reo. 10 Natoatsan-dreo tao amin'ny Tempolin'i Astarta ny fiadiany, de ny vatany narohiny teo amin'ny mandan'ny tanànan'i Beti-sana. 11 Sy efa nandre anizay nataon'ny Filistina tamin'i Saoly ny ponon'i Jabesy Gileada, 12 de nitsangagna ny lihilahy piady aby de nadeha ny alinigna igny ko nangalaka ny fatin'i Saoly sy ny fatin'ny zanany lahy teo amin'i mandan'i Beta-sana. Nandeha tagny Jabesa reo de nodoroany teo reo. 13 Sady nalain-dreo ny tolagnan-dreo ko naleviny tambanin'ny hazo tamariska tao Jabesy, de nifady hanina nandritsy ny fito andro reo.