1 Sy efa antitsa i Samoela, de nagnotany ho pitsara eo amin'ny Israely ny zanany lahy. 2 Joela ro agnaran'ny lahimatoany, de i Abia ro agnarany zanany lahy faharoa. Pitsara tao Beri-sheba reo. 3 Tsa nandeha tamin'ny lalany ny zanany lahy, fa nitadia fihariana tsa marina. Nandray kolikoly reo sady namadika ny rariny. 4 De niara nivory ny loholon'Israely aby de avy teo amin'i Samoela tao Rama. Zao ro nataon-dreo taminazy: " 5 Zao, antitsa agnao, sady tsa mandeha amin'ny lalano koa ny zanakao. Manindre panjaka ho anay mba hitsara anay tahaka ny firenena aby." 6 Nefa tsa nakasitrahan'i Samoela zay nitarogna reo hoe: "Omeo panjaka agnay mba hitsarana anajy." Ko nivavaka tamin'i Yaveh i Samoela. 7 Zao ro nataon'i Yaveh tamin'i Samoela hoe: " ikeo ny feo'ny vahoaka amin'ny raha aby ze lazain-dreo aminao; fa tsa agnao ro lavin-dreo, fa Iaho ro lavin'ny tsa ho panjakan-dreo. 8 Amizao reo de manao tahaka ny nataony hatramin'ny andro nitondrako an-dreo nienga hatagny Egypta, nahafoa Anahy, de nanopo ny andriamanik-kafa, de tahaka anizay koa ro nataon-dreo aminao. 9 Amizao henò reo; nefa apitandremo mafy ko apahafantaro ny fomba hanapahan'ny panjaka eo amin-dreo." 10 Ko de notarognin'i Samoela tamin'ny vahoaka ze nangataka ny tarogn'i Yaveh aby. 11 Zao ro nataony: "Izao ro fanaon'ny panjaka ze hanjaka eo aminareo. Hangalaka ny zanakareo lahy i ko hanendry an-dreo ho an'ny kalesiny sy ho hanjary pitengi-tsovaliny, de hiridiridy eo alohan'ny kalesiny. 12 hanendry kapiten'ny an-drivony, de kapiten'ny dimapolo ho anazy i. Hapiasainy tany ny sasany, mila ny vokatsa ny sasany, de hamboatsa ny fitaova-piadiana sy ny fitaovana ho an'ny kalesy ny sasany. 13 Ny zanakareo vavy koa de hataon'ny pangaroharo raha-magnitsa, mpahandro, sady panao mofo. 14 Halain'ny ny soa ndrindra eo amin'ny tanimbolinareo, ny tanim-boalobokareo, de ny tanin'olivanareo, ko hameny an'ny mpanompony. 15 Halainy ny apahafolon'ny varinareo sy ny hatamin'ny tanim-boalobokareo ko hameny an'ny mana-pahefany sy ny mpanompony. 16 Halainy ny panomponareo lahy sy ny panomponareo vavy de ny soa ndrindra amin'ny tovolahinareo sy ny borikinareo; hapiasainy ho anazy i aby. 17 Halainy ny apahafolon'ny ondry aman'osinareo, ko hanjary andevony agnareo. 18 Ko amizay andro zay de hitaraigna tratsan'ny panjakanareo ze nifidianareo agnareo; kanefa tsa hamaly amareo i Yaveh amizay andro zay." 19 Kanefa nandà ny hieno an'i Samoela ny vahoaka; zao ro nataon-dreo: "Tsa mety! tokony hisy panjaka eto aminay 20 mba hitovianay amin'ny firenena hafa aby, sady mba hitsaran'ny panjakanay anay sy hiengany eo alohanay ko hiady ny odinay." 21 Sy efa ren'i Samoela ny tarogny ny vahoaka aby de napodiny teo apotots'ofin'i Yaveh zay. 22 Zao ro nataon'i Yaveh tamin'i Samoela hoe: "Ikeo ny feon-dreo de ataovo manjary mpanjakan-dreo ny ona raika. " Ko zao ro nataon'i Samoela tamin'i olon'ny Israely: "Tsy maintsy mandeha agny amin'ny tanànany aby ny lihilahy tsiraidrika."