1 Avy ny olon'i Kiriata Jearima, nangalaka ny fiaran'i Yaveh, de nitondra anizay tao an-dragnon'i abinadaba tagny amin'ny havoagna.Nanokagna ny Eleazara zanany lahy i mba hitandrigna ny fiaran'i Yaveh. 2 Nanomboka tamin'ny andro ze nitoeran'ny fiara tao Kiriata Jearima, de taogna betsaka ro nandeha, roapolo taogna. Ny akohonan'Israely aby de nalahelo an'i Yaveh ko nagniry hipody amin'i Yaveh. 3 Zao ro nataon'i Samoela tamin'ny akohonan' Israely manontolo hoe: "Lehe mipody amin'i Yaveh amin'ny fonareo aby agnareo, de mialà amin'ny andriamani-kafa sy ny Astarta, atodiho amin'i Yaveh ny fonareo, de I rery hiany ro tompò, de hamonjy anareo eo an-tagnany Filistina i. " 4 De nagnala ny Bala sy ny Astarta ny vahoakan'ny Israely, de nanompo an'i aveh rery hiany. 5 e zao ro nataon'i Samoela hoe: "Fero ho agny mizpa ny israely aby, de hivavaka de hivavaka amin'i Yaveh ho anareo aho. " 6 Nivory tao Mizpa reo, de nanovo rano ko nandraraka anizay teo imason'i Yaveh. Nifady hanina reo tamizay andro zay ko nanao hoe: "Efa nanota tamin'i Yaveh tsika."Tagny ro nanapahan'i Samoela hevitsa hitsara ny fifandiran'ny vahoakan'ny Israely sy nitondrany anazy. 7 De lehefa ren-dreo Filistina fa niangogna tao Mizpa ny vahoakan'Israely, de nanafika ny Israely ny panapaky ny Filistina. Lehe naheno anizay ny vahoa- kan'Israely, de de natahotsa ny Filistina reo. 8 De zao ro nataon'ny vahoakan'Israely tamin'i Samoela: "Aza mijanona miantso an'i Yaveh Andriamagnitsika ho antsika, fa hagnavotsa antsika eo an-tanan-dreo Filistina i." 9 De nangalaka zanak'omby vona minono i Samoela sady nagnome anizay aby mba hatao fagnatitsa ho an'i Yaveh. De nangaika mafy an'i Yaveh ho agny Israely Samoela, ko namaly anazy i Yaveh. 10 dy lehe vona nagnatitsa ny fagnatitsa fotoagna Samoela, de nagnatogna hanafika ny Israely ny filistinina. Fa Yaveh napikotrok'oragna tamin'ny feo mahery tamizay andro zay hanohitsa ny Filistinina ko napifnjevo an-dreo, de resy teo alohan'Israely reo, de resy alohan'ny Israely reo. 11 De ny lihilahy ny Israely niala hatagny Mizpa, de nagnenjika ny filistinina ko namono an-dreo mandrapiaviny teo ambanin'i Betikara. 12 Sy avy eo de nangalaka vato i Samoela sady nametraka anizay teo agnelagnelan'i Mizpa sy Sena. Nataony hoe Ebenezera ny agnaran'izay, manao hoe: "Hatramizao ro namonjen'i Yaveh antsika." 13 De resy ny Filistinina ko tsa niditsa teo amin'ny faritanin'ny Israely. Ny tagnan'i Yaveh nanohitsa ny Filistinina tamin'ny andron'ny Samoela aby. 14 Ny tanàna ze nalain'ny Filistinina tamin'Israely de tafapody tamin' Israely, hatragny Ekrona zizika agny Gata; nipody tagny amin'ny Filistinina. De nisy fihavagnana teo amin'ny Israely sy ny Amorita. 15 Nitsara an'Israely nandritsa ny andro-piaignany aby i Samoela. 16 Isan-taogna de nandeha nivezivezy tagny Betela, Gilgala, de Mizpa i. Nanapak-evitsa ny amin'ny ady ho an'Israely teo aminin'ny toerana aby reo i. 17 De nipody tagny rama ndraika i. satria tagny ro tragnony; de tsgny hiany koa ro nanapahany hevitsa tamin'ny ady ho an'ny Israely. Nagnorigna alitara ho an'i Yaveh tagny hiany koa i.