Toko faha 6

1 Sady ny fiaran'i Yaveh de teo amin'ny tanànan'ny Filistina nandritsa ny fito volagna. 2 Sy avy eo ny vahoakan'i Filistina nangaika ny mpisorogna sy ny pimasy; zao ro nataon'ny tamin-dreo hoe: "Ina ro tokony hataonay amin'ny fiaran'i Yaveh?" Lazao anay ny fomba hagnapodiananay anizay agny amin'ny firenen'izay manokagna.'' 3 Zao ro nataon'ny pimasy sy ny pisorogna hoe: "Lehe apodiareo ny fiaran'ny Andriamagnitsy ny Israely, de aza apody tsa miaraka amin'ny fagnomezana zay; andifaso fagnatitsa nohon'ny heloka amin'ny fomba aby I. de ho sitragna agnareo, sady ho fantatsareo ny antony tsa nagnalany ny tagnany taminareo mandrakizao." 4 De zao ro nataon-dreo hoe: "Tokony ho ina ro fagnatitsa nohon'ny heloka ze apodinay aminazy?" Namaly reo hoe: "Vongam-bolamena dimy sy totozy volamena dimy, ny dimy de isa mitovy amin'ny isan'ny panapaky ny Filistina. Fa loza mitovy ro napahory anareo sy ny panapakareo. 5 Noho izay de tsy maintsy manao ny sarin'ny fivotoanareo agnareo, de ny sarin'ny totozinareo ze mandringagna ny tany, sady magnome voninahitsa an'ny Andriamagnits'Israely. Angamba mety hagnala ny tagnany aminareo I, amin'ny andriamagnitsareo, de ny ny amin'ny taninareo. 6 Nahoana ro tokony hagnamafy ny fonareo agnareo, tahaka ny nagnamafisany Egyptiana sy Farao ny fon-dreo? Izay de tamin'ny namilezan'ny Andriamagnits'Israely mafy an-dreo; nga tsa nalefan'ny Egyptiana ny ona, de nandeha reo? 7 Zao ary, magnomagna sarety vaovao miaraka amin'ny omby vavy mapinono roa ze vona tsa nitondra zoga mihintsiny. Arohizo amin'ny sarety reo omby reo, fa fero mody ny zanak'omby, hiala amin-dreo. 8 Sy avy eo de raiso ny fiaran'Yaveh de ataovo ao agnatin'ny sarety zay. Apitraho agnaty vata eo agnilany sarin-draha volamena ze hapodinareo aminazy mba ho fagnatitsa nohon'ny heloka. De alifaso zay de avilao handeha amin'ny lalany. 9 Sy avy eo jireo; lehe mandeha miakatsa agny amin'ny lalagna mandeha agny amin'ny tany manokagna agny Beti-semesy zay, de Yaveh ro nanao anizay loza lihibe zay. Fa lehe tsa zay, de ho fantatsika fa tsa ny tagnany ro napahory antsika; fa zao, ho fantatsika fa nitranga tsy nahy tamitsika zay." 10 Ny lihilahy de nanao ze araka nolazaina tamin-dreo; nangalaka omby mapinonoroa roa reo, nandrohy anizay teo amin'ny sarety, de nitondra ny zanak'omby tagny an-dragno. 11 napetra-dreo teo amin'ny sarety ny fiaran'i Yaveh, niaraka tamin'ny vata nisy ny totozy volamena sy ny sarin'ny fivotosan-dreo. 12 Nandeha mahitsy tagny amin'ny lalagna mandeha Beti-semesy ny omby vavy. Nandeha tamin'ny lalambe raika reo, nimàma tegny apandihianana, de tsa nivilivily na tagny akavia na tagny akavagnana. nagnaraka an-dreo tagny amin'ny sisin'i Beti-semesy ny panapak'i Filistina. 13 De nila ny varin-dreo tegny an-dohasaha ny vahoalan'i Beti-semesy. sy efa nanandratsa ny masony reo ko nahita ny fiara, de falifaly. 14 Avy tagny amin'ny sahan'i Josoa avy hatagny tanànan'i Beti-semesy ny sarety de niegnina tao. Nisy vato lihibe tao, ko namaky ny hazo tamin'ny sarety reo, sady nanolotsa ny omby vavy mba hatao fagnatitsa doroana ho an'i Yaveh. 15 Napidignin-dreo ny fiaran'i Yaveh sy ny vata ze niaraka tamizay, ze niay ny sary volamena, de napetrany teo amin'ny vato lihibe reo. Nanolotsa fagnatitsa doroana sy nanao sorogna ho an'i Yaveh ny andron'io hiany ny ponin'i Beti-semesy. 16 Sy efa hitany panapaka dimin'ny Filistina zay, de nipody tagny Ekrona ny andronio hiany reo. 17 Reto aby ny vokam-bolamena ze napodin'ny Filistina hatao fagnatitsa nohon'ny heloka ho an'i Yaveh: raika ho an'i Asdoda, raika ho an'i Gaza, raika ho an'i Askelona, raika ho an'i Gata, de ny raika ho an'i ekrona. 18 Ny totozy volamena de nitovy isa tamin'ny isan'ny tananan'ny Filistina aby ze an'ny panapaka dimy, de ny tanana mimanda sy ny zana-bohitsy ny tanàna. Ny vato lihibe, teo agnilan'ny namitrahan-dreo ny fiaran'i Yaveh, de mitoatsa ho vavolom-belogna raika ao amin'ny sahan'i Josoa ny Beti-semesita zizika androany. 19 Namely ny sasany poniny Beti-Semesy i Yaveh satria nijery tao agantin'i Fiaran'i Yaveh reo. Namono lihillahy 50.070 I. Nisaogna ny vahoaka, satria namely mafy ny vahoaka i Yaveh. 20 Zao ro nataon'i ponin'i Beti-semey hoe: "Ia ro afaka hitsangagna mariny an'i Yaveh, ity Andriamagnitsa masina ity? Ho aminia ro iakaran'ny fiara aty amitsika?" 21 Nagniraka pitondra hafatsa tagny amin'ny poniny Kiriata- Jearima reo, nanao hoe: "Noferiny filistina nipody ny fiaran'i Yaveh: midigna de fero mipody miaraka aminareo zay."