1 De hazany Filistina ny fiaran'Andriamagnitsa, ko noferin-dreo hatagny Ebenezera ho agny Asdoda zay. 2 Nalain'ny Filistina ny fiaran'Andriamagnitsa, noferiny tao andragnon'i Dagona zay, de napetrany teo agnilany Dagona. 3 Sy efa nifoha maraigna ny vahoakan'i Asdoda sy apitso, de io, nigietraka nihohoka tamin'ny tany teo agnatrehan'ny fiaran'i Yaveh ny tavan'i Dagona. Ko de nalain-dreo i Dagona de napiakariny teo amin'ny toerany ndraika. 4 Fa sy efa nifoha maraigna reo ny apitso, de io, de nigietraka nihohoka tamin'ny tany teo agnatrehan'ny fiaran'i Yaveh ny tavan'i Dagona. Ny lohan'i Dagona sy ny tagnany roa de tapaka teo amin'ny varavaragna. Ny vatan'i Dagona hiany ro sisa nitoatsa. 5 De zay ro antony tsa handingianany Mpisorogn'i Dagona sy ze ona miditsa ao an-dragnon'i Dagona ny varavarany Dagona ao Asdoda, na mandrak'izao aza. 6 Ny tagnan'i Yaveh de navetsatsa teo amin'ny vahoakan'i Asdoda. Noringiagniny sy napahoriany tamin'ny fivotosana reo, i Asdoda sy ny faritaniny. 7 Sy efa tsapan'ny olon'i asdoda ze nitranga, de zao ro nataon-dreo hoe: "Aoka tsa hiegnina eto aminay ny fiaran'ny Andriamagnits'Israely, satria ny tagnany de manohitsa mafy anay sy Dagona andriamagnitsay." 8 Ko de napangaika reo sady namory ny panapaka ny filisitina aby; zao ro nataon-dreo taminazy: "Ina ro tokony hataonay amin'ny fiaran'ny Andriamagnits'Israely?" Namaly reo hoe: "Aoka ho ferina hagnodidigna an'i Gata ny fiarn'ny Andriamagnits'Israely. "Ko noferin-dreo tagny ny fiaran'ny Andriamagnits'Israely. 9 Fa sy efa noferin-dreo nagnodidigna anizay, de nanohitsa ny tanàna ny tagnan'i Yaveh, ko nahatonga fifanjevoana lihibe. Napahory ny tanàna I, na kely na lihibe; Ko nipoitsa tamin-dreo ny fivotosana. 10 Noho zay de nalefan-dreo tagny Ekrona ny fiaran'Andriamagnitsa. Fa vatany vo avy tagny Ekrona ny fiaran'Andriamagnitsa, de nikiakiaka mafy ny Ekronita, nanao hoe: "Nitondra ny fiaran'Andriamagnits'Israely ho antsika mba hamonoana antsika sy ny olotsika reo." 11 Ko napangaika reo sady namory ny panapaky ny filistinina aby; zao ro nataony tamin-dreo hoe: "Apodio ny fiaran'Andriamagnits'Israely, de apodiano amin'ny toerany hiany, mba tsa hamonoanizay antsika sy ny olontsika." Fa nisy fivorovoroana lihibe nanerana ny tanàna; tena navesatsa teo ny tagnan'Andriamagnitsa. 12 Ny ona ze tsa maty de napahoriana tamin'ny fiotosana, de ny fitaraignan'ny tanàna de niakatsa nagnenika ny lagnitsa.