Toko faha 4

1 Avy tamin'Israely aby ny tarogn'i Samoela. De nienga niady tamin'i Filistina ny Israely. Nametraka toby tao Ebenezera reo, de nametraka toby tao Afeka koa ny Filistina. 2 Nilahatsa hiady tamin'ny Israely ny Filistina. Sy efa niely ny ady, de resin'ny Filistina ze nahafaty teo ho eo amin'ny efatra arivo lahy teo amin'ny sahan'adin'Israely. 3 Sy efa niditsa tao amin'ny toby ny vahoaka, de zao ro nataon'ny loholon'Israely hoe: "Nahoana Yaveh ro naharesy antsika teo agnatrehan'i Filistina androany? Andao ho feritsika hatagny Siloha handeha aty ny fiaran'ny fagniken'I Yaveh, mba hiaraka amitsika aty zay, ko hiaro antsika amin'ny tagnany fahavalotsika." 4 Ko de nandeha nagniraka lihilahy nandeha agny Siloha ny vahoaka; avy hatagny ro nitondran-dreo ny fiaran'ny fagniken'i Yaveh tompony maro, ze mitoatsa ambonin'ny kerobima. Teo niaraka tamin'ny fiaran'ny fagniken'Andriamagnitsa ny zanak'i Ely roalahy, de i Hohifinia sy finehasa. 5 Sy efa niditsa tao amin'ny toby ny fiaran'ny fagniken'i Yaveh, de niara nikiakiaka mahery ny vahoakan'Israely aby, de nagnakoako ny tany. 6 Sy efa ren'ny Filistina ny kotaba ny kiakiaka, de zao ro nataon'dreo hoe: "Fa ina ro dikan'izao kotaba mahery ao amn'ny tobin'ny Hebreo zao?" Sy avy eo de azon-dreo atsaigna fa avy ao an-toby ny fiaran'i Yaveh. 7 Natahotsa ny Filistina; zao ro nataon-dreo hoe: "Misy Andriamagnitsa avy ao min'ny toby." Zao ro nataon-dreo hoe: 8 "Loza ho antsika! tsa vona nisy raha nitranga takanizao taloha! Loza ho antsika! Ia ro hiaro antsika amireo Andriamagnitsa mahery reo? Reo ro andriamagnitsa ze namely ny Egyptiana tamin'ny loza be isakarazany tany efitsa. 9 Alao ny hery, sady mbà lihilahy, agnareo ry filistina, sode ho avy andevon'ny Hebreo agnareo, tahaka ny nahandevonareo an-dreo.mbà lihilahy, ko miadia 10 De nidy ny filistina, de resy ny Israely. Nilefa tagny an-dragnony aby ny lihilahy, de henjagna ny famonoana; fa miaramila mitsangagna telo aligna hatagny Israely ro lavo. 11 Nandeha ny fiaran'i Yaveh, de maty i Hofinia sy Finehasa, zanak'i Ely roa lahy. 12 Nisy lihilahin'i Benjamina raika nilailava hatagny amin'ny filaharan'ady ko nandeha agny Siloha taminio andro io hiany, avy niaraka tamin'ny akanjo rovitsa sy vovo-tany teo andohany. 13 Sy efa avy i, de nitoatsa teo amin'ny sezany teo amoron-dalagna nijeryi Ely satria nagovitsa ny amin'ny fiaran'Andriamagnitsa ny fony. Sy efa niditsa ny tanàna ny lihilahy sady nilaza ny vaovao, de nitabataba mahery ny tanàna iray manon-tolo. 14 Sy efa ren'i Ely ny kiakiaka ny tabataban'ny, de zao ro anataon-dreo hoe: " Avy malaky ny lihilahy de nitatara tamin'i Ely. 15 De valo ambin'ny sivifolo taogna i Ely; pahigna ny masony, de tsa nahita i. 16 ZAo ro nataon-rdalihilahy tamin'i Ely: " Iaho no raika ze hatagny amin'ny laharan'ady. Nilefa ny ady aho androany." 17 Zao ro nataon'i Ely: "Nanao akory ny fizotrany, anaka?"Namaly ny lhilahy nitondra ny vaovao ko nanao hoe: "Nilefa ny Filistina ny Israely. SAdy zao, nisy faharisena lihibe teo amin'ny vahoaka. de zao koa, maty Hofinia sy finehaza, zanakao roa lahy, de nandeha ny fiaran'Andriamagnitsa." 18 Sy efa nanognona ny fiaran'Andriamagnitsa i, de nitoboka niala avy hategny amin'ny sezany teo agnilan'ny vavahady i ElyTapaka ny vozony, ko maty i, satria efa antitsa sady reraka. Nitsara ny Israely nandritsa ny efapolo taogna i. 19 De ny vinatovaviny , Finehasa, de nitoejaza sady efa ho teraka. De sy efa nandre ny vaovao i fe roso ny fiaran'Andriamagnitsa de maty ny rafozandahin'ny sy ny vadiny, de nandohalika i de teraka, kanefa nadavo an-dreo ny fiterahany. 20 tokony ho tamin'i fotoagna afatesany de nitarogna tami'ny apela ze niatrika hoe: "Aza matahotsa fa niteraka zazalahy agnao. "Kanefa tsa namaly i na nandray ampo ze notarognin-dreo. 21 kehin'ny hoe Ikaboda ny agnaran'ny zaza, fa zao ro nataony hoe: "Afa-boninahitsa Israely!"fa nandeha ny fiaran'Andriamagnitsa, de ny rafozandahiny sy ny vadiny koa. 22 Zao ro nataony hoe: "Afa-boninahitsa Israely, satria nandeha ny fiaran'Andriamagnitsa."