Toko faha 3

1 Nanompo an'i Yaveh teo amin'ny fagnatrehan'i Ely i Samoela zaza. Vitsy ny tarogn'i Yaveh tamin'ny andro reo; tsa de nisy fahitana ara-paminaniana matetika. 2 tamizay fotoagna zay, Ely, ze efa nanomboka pahigna ny masony ko tsa mahita soa, de natory teo apandreny. 3 Vona tsa maty ny fanilon'Andriamagnitsa, de nandry mba hatory ao amin'ny tempolin'i Yaveh i Samoela, tao amize nisy ny fiaran'Andriamagnitsa. 4 Yaveh nangaika an'i Samoela, ze nanao hoe: "Itito aho. " 5 Niridiridy nandeha agny amin'ny Ely i Samoela nitarogna hoe: "itito aho, fa nangaika anahy agnao. "Zao ro nataon'i Ely: "Tsa nangaika anao aho, mipodiana matory. "Ko nandeha natory i Samoela. 6 Nangaika ndraika i Yaveh hoe: "Ry Samoela. "De nitsangagna ndraika i Samoela de nadeha agny amin'i Ely, nanao hoe: "Itito aho, fa nangaika anhy agnao. "De namaly i Ely hoe: "Tsa nangaika anao aho, ry zanako, mipodina matory." 7 De i Samoela de vona tsa de nahafantatsa loatsa an'i Yaveh, na nisy hafatsa hatamin'i Yaveh vona nilaza taminazy. 8 Nangaika an'i Soela fagnitelony ndraika i Yaveh. Nitsangagna ndraika i Samela de nandeha agny amin'ny Ely sy nitarogna hoe: " Itito aho, fa mangaika anahy agnao." De fantats'i Ely fa Yaveh ro nangaika ny zanany lahy. 9 De zao ro nataon'i Ely tamin'ny Samoela: "Mandihiana de mipodiana matory; Lehe vona mangaika anao ndraika I, de tsy maintsy milaza anizao agnao hoe: " mitarogna, ry Yaveh, fa mihieno ny panoponao. " ' Ko nandeha i Samoela de natory tamin'ny toerany ndraika. 10 Avy i Yaveh ko nitsangagna; nangaika tahaka ny tamin'ny fotoagna hafa hoe: "Samoela,Samoela."De zao ro nataon'i Samoela hoe: "Mitarogna ry Yaveh fa mihieno ny panoponao. " 11 Zao ro nataon'i Yaveh tamin'ny Samoela hoe: "Io, hanao raha eo amin'ny Israely Aho ko ny sofiny ze mandre anizay de hangoritsigna. 12 Amizay andro zay de hagnatanteraka ny raha aby efa nolazaiko tamin'i Ely momba ny ankohonany, hatramin'ny voalohany zizika amin'ny farany Aho. 13 Nilaza taminazy Aho fa hitsara ny akohonany ndray mandeha tsa mipody ny amin'ny fahotana ze fantany, satria ny zanany de nitondra ozogna tamin'ny tegnan-dreo de nanakagna an-dreo i. 14 Sy zay de nianiagna tamin'ny Ely Aho fa ny fahotanio ankohonan'i Ely io de tsa ho voahonitsa amin'ny sorogna na fagnatitsa mihintsy." 15 Natory zizika maraigna i Samoela; de namoha ny varavarany tragnon'i Yaveh i. fa natahotsa ny hilaza amin'i Ely momba ny fahitana i Samoela. 16 Sy avy eo de nangaika an'i Samoela i Ely ko nanao taminazy hoe: "Ry Samoela, zanako." De zao ro nataon'i Samoela hoe: "Itito aho. 17 Zao ro nataony: "Ina ro raha nolazainy taminao? Aza asitrika reo zay. Hanao anizay aminao anie Andriamagnitsa, sady mihoatsa noho izay aza, lehe manitrika raha aminahy ny amin'ny tarogna aby ze nolazainy anao agnao. " 18 De nolazain'i Samoela taminazy aby ny raha aby; tsa nanitrika na ina na ina taminazy i. Zao ro nataon'i Ely: " I ro Yaveh. Avilao I hano ze mety hoe soa Aminazy." 19 Niha lihibe i Samoela, de i Yaveh niaraka taminazy, de tsa navelany hisy tsa tanteraka ny teny faminaniany. 20 Ny Israely aby hatramin'ny Dana ko zizika Beri-sheba de nahafantatsa fa i Samoela de voatendry ho paminanin'i Yaveh. 21 Niseho tao silo ndraika i Yaveh, satria nagnambara ny tegnany tamin'ny tarony tamin'i Samoela tao Silo I.