Toko faha 2

1 Nivavaka i Hana ko nanao hoe: "Ny foko mifaly amin'i Yaveh. Ny tandroko misandratsa amin'i Yaveh. Ny molotso mirehareha manoloagna ny fahavaloko, satria mifaly amin'ny famonjenao aho. 2 Tsa misy masina tahaka an'i Yaveh, fa tsa misy hafa ankoatsa anao; tsa misy vatolampy tahaka ny Andriamanitsika. 3 Aza mirehareha loatsa koa; aoka tsa ho aloaky ny vavanao ny fiavognavognana. Fa i Yaveh ro Andriamagnitsy ny fahalalana; avy amin'ny alalany ro handanjana ny asa. 4 Ny tsipiky ny lihilahy mahery de tapaka , fa ny tafitohigna kosa de misinkin-kery tahaka ny fehikibo 5 Reo ze voky de nikarama mofo; reo ze noana de niegnina tamin'ny hanoanana. Neko ny momba aza miteraka fito, fa ny apela manan-janaka betsaka kosa de mivalaketraka. 6 Yaveh ro mahafaty sy mitondra ho agny amin'ny fiaignana. I ro mapidigna agny amin'ny fiaigna-tsa hita sady manangagna. 7 Yaveh ro mapahantra ny ona sasany sady mapanakarena sasany. Mapietry I, nefa manandratsa hiany koa 8 Mapitraka ny mahantra hiala amin'ny vovoka I. Mapisandratsa ny mahory hiala amin'ny lavelogna mba hametraka an-dreo miaraka amin'ny andrian-dahy ko handova ny sezam-boninahitsa. Ny andrian'ny tany aby de an'i Yaveh de temireo ro namitrahany anizao totolo zao. 9 Hiaro ny tongotsy ny ona mahatoky i, fa ny ratsy fagnahy kosa de hapangininy agny amin'ny haizim-pito,satria tsa misy handresy amin'ny hery. 10 Reo ze manohitsa an'i Yaveh de ho potopotika; hapikotrok'oragna hatagny an-dagnitsa hanohitsa an-dreo I. Yaveh ro hitsara ny farany tany aby; hagnome hery ny panjaka I sady hanandratsa ny tandroky ny voahosony." 11 Sy avy eo i Elkana de nandeha agny Rama, tagny an-dagnony. Nanompo ana'Andriamagnitsa teo amin'ny fagnatrehan'i Ely mpisorgna zaza. 12 De ny lihilahy ratsy fagnahy ny zanaka lahin'i Ely. tsa nahalala an'i Yaveh reo. 13 Ny fanaony mpisorogna miaraka ami'ny vahoaka sy efa nisy lihilahy nanolotsa sorogna, de nagnatogna ny mpanompon'ny mpisorogna ko mitondra fitreboka telo ratsagna egny an-tagnany, lehe vona mangotraka ny hena. 14 Hasindrony ao agnatiny lasitra zay, na fandrahoana hena. na vilagny,na vilagny lihibe. ze hazan'ny fitrebika tao de alain'ny pisorogna aby ho anazy. Nataon-dreo tao Silo niaraka tamin'ny Israelita aby ze avy tao zay 15 Ratsy lavitsa aza, mialohan'ny nandoroan-dreo ny sabora, de avy ny mpanompon'ny mpisorogna, de nitarogna tamin'ny lihilahy ze nanao ny sorogna hoe: "Omeo hena ho atsatsika ny mpisorogna, fa tsa hagneky ny hena nandrahoana hataminao i, fa ny manta hiany." 16 Lehe mitarogna amin'ny hoe, "Tsy maintsy nodoroan-dreo aloha ny sabora, de sy avy eo afaka mangalaka betsaka araka ze tiànao agnao."De valiany hoe: "a a a, fa omenao zao an-kehitriny zao hiany zay; fa lehe tsa izay, de halaiko an-keriny zay. " 17 lihibe de lihbe tokoa ny heloky ny zatovo lahy mandriny an'i Yaveh, satria nataon-dreo tsinotsinona ny fagnatitsy Yaveh. 18 i Samoela de nanompo an'i Yaveh lehe vona zaza niakanjo efadora rongony fotsy. 19 Nagnam-boaran-dreniny akanjo lava kely i ko noferiny ho anazy isan-taogna isan-taogna zay, sy efa niakatsa niaraka tamin'ny vadiny mba hanolotsa ny fagnatitsa isan-taogna i. 20 De i Ely nitsondrano an'i Elkana sy ny vadiny ko nitarogna hoe: "Hagnome zaza anao betsaka amity apela ty anie Andriamagnitsa nohon'ny fangatahana ze nataony tamin'i Yaveh. " Sy avy eo de nipody tagny an-dragnony reo. 21 Nagnampy an'i Hana ndraika i Yaveh, ko nitoe-jaza ndraika i. Nandritsa anizay fotoagna zay, de nitombo teo amin'Andriamagnitsa i Samoela zaza. 22 De sy efa antitsa koa i Ely; reny aby ze raha nataon'ny zanany lahy tamin'ny Israely aby, sy ny natorian-dreo niaraka tamin'ny apela ze nanompo eo amin'ny fidirana ao amin'ny lay fihaognana. 23 Zao ro nataony tamin-dreo: "Fa nahoana agnareo ro manao raha tahaka anizay? Efa reko tamin'ny ona aby ny raha ratsy nataonareo. 24 Tsa mety, ry zanako; tsa tatitsa soa ro reko. mahatonga ny vahoakan'i Yaveh tsa hankato anareo. 25 "Lehe misy ona raika manota amin'ny raika ahafa, de hotsarain'Andriamagnitsa i; fa lehe misy lihilahy raika manota amin'i Yaveh, ia ro hisolo vava anazy?" Fa tsa hieno ny fen-drainy reo, satria i Yaveh nikiasa ny hahafaty an-dreo. 26 Nihalihibe i Samoela zaza, de nitombo fitia tamin'i Yaveh sy tamin'ny ona koa. 27 De nisy lihilahin'Andriamagnitsa nagnatogna an'i Ely ko nanao tamin'azy hoe: "Izao ro lazain'i Yaveh, 'Tsy efa nanoro ny tegnako taminao tamin'ny ankohognan'ny razambenao nga Iaho, lehe vona tagny Egypta tamin'ny fagnandivozan'ny ankohognan'i Farao reo? 28 Nofidiako tagnatin'ny fokon'Israely aby i mba ho pisoroko, mba hiakatsa egny amin'ny alitarako, de mba handoro ny didik-azo magnitsa, mba hiakanjo efoda mandriny Anahy. Nameko ho an'ny taranaky ny razambenao ny fagnatitsa aby nataon'ny vahoakan'Israely tamin'ny afo. 29 Nahoana ngaha, agnao ro maniratsira ny sorogna sy fagnatitso ze notakiako teo amin'ny toerana fonegnako? Nahoana ro omenao voninahitsa mihoatsa anahy amin'ny fagnatavezana ny tgnanareo amin'ny soa indrindra hatamin'ny fagnatitsa aby ny Israely vahoakako ny zanako? 30 Fa Yaveh, Andriamagnitsy ny Israely, mitarogna hoe: 'Napagnategna Aho fa ny taranakao, sy ny akohonan'ny razambenao, de handeha eo agnatrehako mandrakizay. 'Nefa androany de zao ro nataon'i Yaveh: 'Sagnatria Aminahy ny hanao anizay, ze magnome ,voninahitsa Anahy hiany ro hameko voninahitsa, fa ze manao tsinotsinona Ahy de ho tsinotsinisviko. 31 Io , ho avy ny andro ze hanapahako ny herinao sy ny herin'ny ankohonan'ny razambenao, ko tsa hisy lihilahy ho tratsa antitsa ko amin'ny taranakao. 32 Hahita fahoriana egny amize toerana hipitrahako agnao. Neko de homena soa aza ny Israely, de tsa hisy lihilahy ho tratsa antitsa ko amin'ny taranakao. 33 Ny sasany aminareo ze tsa halaina amin'ny alitarako, de ho ataoko pahina ny masonareo, sady hahatonga alahelo amin'ny fiaignanareo Aho. Ny lihilahy aby ze teraka ao amin'ny fianakavianareo de ho maty. 34 Izao ro famatarana ho anao ze hanjo ny zanakao roa lahy, amin'ny Hofinia sy Finehasa: Samy ho maty amin'ny andro raika i mirahalahy reo. 35 Hangagnampnopo mahatoky ho any tegnako ze hagnatateraka ny ao ampoko sy ny ao amin'ny fagnahiko aho. Hagnorigna tragno azo antoka ho anazy Aho; de handeha eo alohan'ny mpanjaka ze voahosotsa mandrakizay i. 36 Ze aby sisa tavela amin'ny taranakao de ho avy sady hiankohoka eo amin'ny, hangataka sombim-bolafotsy sy mofo, de hitarogna hoe: "mba tindreo ho isan'ny raika amin'ny mpisorogna aho mba hafahako mihinana sombi-mofo raika. " " '