Toko faha 7

1 Tamin'ny gn'andro nahavitan'i Mosesy gny tabernakely,la nihosorany zay ka natokany ho gnan'i Yaveh,niaraky tamin'ireo fanaky iaby.Nataony manahaky zay koa gny alitara voho gny fanaky iaby.Nihosorany zay ka natokany ho gnan'i Yaveh. 2 Tamin'izay andro zay la nanolotsy soro reo mpitarik'israely,voho reo lohan'ny hasaveregnamben'ny razambeny.Reo johary reo ro nitariky gny foko.Rozy ro nagnara-maso gny fagnisaha gn'olo tamin'ny fagnisaham-bahoaky. 3 Nandesin-drozy tagnatrehan'i Yaveh gny fagnatitsin-drozy.Nanday sarety misaro eny voho aomby roa ambin'ny folo rozy,ka gny mpitariky kiraikiraiky la nanday aomby raiky.Nanday sarety raiky isaky gny mpitariky roe iaby rozy,ka gny mpitariky la nanday aomby raiky iaby.Naterin-drozy tagnatrehan'ny tabernakely reo raha iaby reo. 4 La niresaky tamin'i Yaveh.Hoy Ie hoe: 5 Ekegno gny fagnatitsy bakamin-drozy ka ampiasao ho amin'ny gn'asa amin'ny tragno-lay fihaona gny fagnatitsy.Ameo gnan'ireo Levita reo fagnatitsy,la amin'ny kiraikiraiky magnaraky gny ilan-drozy amin'ny gn'asany iaby." 6 Nalan'i Mosesy reo sarety voho aomby reo,ka nameany gnan'ireo Levita. 7 Nagnome sarety roa voho aomby efatsy ho gnan'ny havorohotan'i Gersona ie, nohon'ny gny raha olan-drozy amin'ny gn'asany. 8 Nagnome sarety efatsy voho aomby valo ho gnan'ny havorohotan'i Itamara anakin'i Arona mpisoro.Nataony zay noho ze nitakian'ny gn'asan-drozy. 9 Fa tsy nagnome ndra ino ndra ino tamin'ireo raha reo ho gnan'ny havorohotan'i Kehata ie,fotony gn'asan-drozy la asa mifandramby amin'ny raha gnan'i yaveh ze ho lanjany an-tsorony teo. 12 Tamin'ny andro volohany,la Nasona anak'i Aminadaba,bakamin'ny fokon'i Joda,ro nanolotsy gny sorony. 13 Gny sorony la finga volafoty raiky milanja sekely 130 voho finga jobo raiky milanja sekely 70,magnaraky gny vilin'ny lanjan'ny sekelin'ny toera masy.Reo raha reo la samby atsiky divay voho koba soa lisa mifangaro soliky hatao fagnatitsy hohany. 14 Nagnome finga volamena reiky milanja sekely folo voho atsiky ditin-kazo magnitsy ie. 15 Nagnome vantots'aomby lahiny raiky,aondry raiky,voho anak'aondry lahiny tao raiky,ho fagnatitsy oroa ie. 16 Nagnome aosy lahiny ho fagnatitsy nohon'ny gn'ota ie. 17 Nagnome aomby roe,aondry limy,aosy lahiny limy,voho anak'aondry lahiny ze tao raiky,ho soro hatao fagnati-pilongoa ie.Zay ro soron'i Nasona anakiin'i Aminadaba. 18 Tamin'ny gn'andr faharoe,Netanela anakin'i Zoara,mpitarik'i Isakara,ro nanolotsy gny sorony. 19 Nanolotsy finga volafoty milanja sekely 130 voho finga jobo milanja sekely 70 ie ho sorony,magnaraky gny volon'ny sekelin'ny toera masy.Samby atsiky koba soa lisa mifangaro soliky ho fagnatitsy hohany reo raha reo. 24 Tamin'ny gn'andro fahatelo,Eliaba anakin'i Helona,mpitariky reo havorohotan'i Zebolona,ro nanolotsy soro. 25 Gny sorony la finga volafoty raiky milanja sekely 130,voho finga jobo raiky milanja sekely 70 magnaraky gny vilin'ny lanjan'n sekelin'ny toera masy.Samby atriky koba soa lisa mifangaro soliky ho gnan'ny fagnatitsy hohany reo raha reo. 26 Nagnome finga volamena milanja sekely folo,atriky diti-kazo magnitsy avao koa rozy. 27 Nagnome vantots'aomby lahiny raiky,aondry raiky,voho anak'aondry lahiny tao raiky ho fagnatitsy oroa ie. 28 Nagnome aosilahiny raiky ho fagnatitsy nohon'ny gn'ota ie. 29 Nagnome aomby roe,aondry limy,aosilahiny limy,voho anak'aondry lahiny tao raiky limy,ho soro ho gnan'ny fagnati-pilongoa ie.Zay ro soron'i Eliaba anakin'i Helona. 30 Tamin'ny gn'andro fahaefatsy,Elizora anakin'i Sedeora,mpitariky reo havorohotan'i Robena,ro nanolotsy gny sorony. 31 Gny sorony la finga volafoty milanja sekely130 voho gny finga jobo raiky milanja sekely 70,magnaraky gny vilin'ny lanjan'ny sekelin'ny toera masy.Samby atsiky koba soa lisa mifangaro soliky ho fagnatitsy ho fagnatitsy hohany reo raha reo. 32 Nagnome finga volamena raiky sekely folo,atriky diti-kazo magnitsy avao koa ie. 33 Nagnome vantots'aomby lahiny raiky,aondry raiky,voho anak'aondry lahiny tao raiky ho fagnatitsy oroa ie. 34 Nagnome aosilahiny ho fagnatitsy nohon'ny gn'ota ie. 35 Nagnome aomby roe,aondry limy,aosilahiny limy,voho anak'aondry tao raiky limy,ho soro ho gnan'ny fagnati-pilongoa ie.Zay ro soron'i Elizora anakilahin'i Sedora. 36 Tamin'ny gn'andro fahadimy,Selomiela anakin'i Zorisaday,mpitariky gny havorohotan'i Simeona,ro nanolotsy gny sorony. 37 Gny sorony la finga volafoty milanja sekely 70,magnaraky gny vilin'ny lanjan'ny sekelin'ny fitoera masy.Samby atsiky koba soa lisa mifangaro soliky ho fagnatitsy hohany reo raha reo. 38 Nagnome finga volamena milanja sekely folo,atsiky ditin-kazo magnitsy avao koa ie. 39 Nagnome vantots'aomby lahiny raiky,aondry raiky,voho anak'aondry lahiny tao raiky ho fagnatitsy oroa ie. 40 Nagnome aosilahiny raiky ho fagnatitsy nohon'ny gnota ie. 41 Nagnome aomby roe.aondry limy,aosilahiny limy,voho anak'oandry lahiny tao raiky ,ho soro ho gnan'ny fagnatitsi-pilongoa ie.Zay ro soron'i Selomiela anakin'i Zorisaday. 45 Nagnome vantots'aomby lahiny raiky,aondry raiky,voho anak'aondry lahiny tao raiky ho fagnatitsy oroa ie. 46 Nagnome aosilahiny raiky ho fagnatitsy nohon'ny gn'ota,aondry limy,aosilahiny limy,voho anak'aondry lahiny tao raiky,ho soro ho gnan'ny fagnatitsi-pilongoa ie.Zay ro soron'i Eliasafa anakin'i Doela. 54 Tamin'ny gn'andro fahavalo,Gamaliela anakin'i Pedazora,mpitariky gny havorohotan'i Manase,ro nanolotsy gny sorony. 55 Gny sorony la finga volafotsy milanja sekely 130 voho finga jobo milanja sekely 30,magnaraky gny vilin'ny sekelin'ny toera masy.Samby atsiky koba miharo soliky ho fagnatitsy hohany reo raha reo. 56 Nagnome finga volamena milanja sekely folo,atsiky ditin-kazo magnitsy avao koa ie. 57 Nagnome vantots'aomby raiky,aondry raiky,voho anak'aondry lahiny tao raiky ho fagnatitsy oroa ie. 58 Nagnome aosilahiny raiky ho fagnatitsy nohon'ny gn'ota ie. 59 Nagnome aomby roe,aondry limy,aosilahiny limy,voho anak'aondry lahiny,ho soro ho gnan'ny fagnati-pilongoa ie.Zay ro soron'i Gamaeliela anakin'i Pedazora. 60 Tamin'ny gn'andro fahasivy,Abidana anakin'i Gideony,mpitariky gny tarikin'i Benjamina,ro nanolotsy gny sorony. 61 Gny sorony la finga volafoty milanja sekely 130 voho finga jobo milanja sekely 70,magnaraky gny vilin'ny sekelin'ny toera masy.Samby atsiky koba soa lisa mifangaro soliky ho fagnatitsy hohany reo raha reo. 62 Nagnome finga volamena sekely folo,atsiky ditin-kazo magnitsy avao koa ie. 63 Nagnome vantots'aomby raiky,aondry raiky,voho anak'aondry lahiny tao raiky ho fagnatitsy oroa ie. 64 Nagnome aosilahiny raiky ho fagnatitsy nohony gn'ota ie. 65 Nagnome aomby roe,aondry limby,aosilahy limy,voho anak'aondry lahiny tao raiky,ho soro ho gnan'ny fagnati-pilongoa ie.Zay ro soron'i Abidana anakin'i Gideony tamin'ny gn'andro fahafolo,Ahiezera anakin'i Amisaday,mpitariky gny havorohotan'i Dana,ro nanolotsy gny sorony. 67 Gny sorony la finga volafoty milanja sekely 130 voho gny fonga jobo milanja sekely 70,magnaraky gny sadan'ny lanjan'ny sekelin'ny toera masy.Samby atsiky koba soa lisa mifangaro soliky ho fagnatitsy hohany reo raha reo. 68 Nagnome finga volamena milanja sekely folo,atsiky ditin-kazo magnitsy koaie. 72 Tamin'ny gn'andro faharaiky ambin'ny folo,Pagiela anakin'i Okrana,mpitariky gny havorohotan'i Asera,ro nanolotsy gny sorony. 73 Gny sorony la finga volafoty milanja sekely 130 voho finga jobo milanja sekely fitopolo,magnaraky gny sadan'ny lanjan'ny sekelin'ny toera masy.Samby atsiky koba soa lisa mifangaro soliky ho fagnatitsy hohany reo raha reo. 74 Nagnome finga volamena milanja sekely folo,atsiky ditin-kazo magnitsy avao koa ie. 78 Tamin'ny gn'andro faharoa ambin'ny folo,Ahira anakin'i Enana,mpitariky gny havorohotan'i Naftaly,ro nanolotsy gny sorony. 79 Gny sorony la finga volafoty mialanja sekeny 130 voho finga jobo milanja sekely 70,magnaraky gny vilin'ny lanjan'ny sekelin'ny toera masy.Samby atsiky koba soa lisa mifangaro soliky ho fagnatitsy hohany reo raha reo. 80 Nagnome finga volomena milanja sekely folo,atsiky ditin-kazo magnitsy avao koa ie. 81 Nagnome vantots'aomby raiky,aondry raiky,voho anak'aondry lahiny tao raiky ho fagnatitsy oroa ie. 82 Nagnome aosilahy raiky ho fagnatitsy nohon'ny gn'ota ie. 83 Nagnome aomby roe,aondry limy,aosilahy limy,voho anak'aondry lahiny tao raiky,ho soro ho gnan'ny fagnati-pilongoa ie.Zay ro soron'i Ahira anakin'i Enana. 87 Natokan-drozy iaby reo biby ho fagnatitsy oroa,la aomby lahiny roe ambin'ny folo,aondry roambin'ny folo,voho anak'aondry lahiny tao raiky roambin'ny folo.Namean-drozy gny fagnatitsy hohany.Nagnome aosilahiny roa ambin'ny folo ho fagnatitsy nohon'ny ota rozy. 88 Nagnome aombilahiny efatsy ambin'ny roapolo,aondry enimpolo voho anak'aondry lahiny tao raiky enimpolo bakamin'ny biby fihariny rozy,ho soro ho gnan'ny fagnati-pilongoa.Zay la ho gnan'ny fanokagna gny alitara tafaran'ny nagnosora gnazy. 89 Lafa nilitsy tamin'ny tragno-lay fihaogna mba hiresaky amin'i yaveh Mosesy,la nahanja gny feon'ny nivola tagnaminy ie.Nivola tagnaminy bakagnambon'ny sarom-pagnavota ao amin'ny fiaran'ny vavolombelo,ka tan-tegnategnan'ny Kerobima roe Yaveh.Niresaky tagnaminy Ie.