1 Yaveh nivola tamin'i Mosesy. hoy Ie hoe: 2 Mivolagna amin-gny vahoak'i Israely. Safagno amin-drozy reo hoe: ' Laha misy johary na ampela mitokan-tena ho gnan'i Yaveh amin-gny voaly manokan-gny Nazirita, 3 la ao hifaly divay naraha finomy mahery ie. Ao tsy hisotro vinaitsy natao tamin-gny divay na tamin-gny raha finomy mahery ie.Aoky tsy hino ranom-boaloboky ie na hihina voaloboky soa na voaloboky maiky. 4 Amign'andro iaby ze hitokagnany ho Gnahy,la aoky tsy hihina ndra ino ndra ino ze vita bakamin'ny voaloboky ie,agnisan'izay gny raha iaby vita amin'ny voany ndra amigny holiny. 5 Mandritra gny fotoan'ny voadim-pitokiany iaby,la tsy hisy hety hampiasa ami-gny lohany zisiky hitamperan'ny gn'andro fitokagnany ho gnan'i Yaveh.Aoky hatoka ho gnan'i Yaveh ie.Aoky hagnenga gny volony holava ami-gny lohany ie. 6 Agnatin'ny fotoa iaby hitokagnany ho gnan'i Yaveh zay,la aoky tsy hagnarikitsy faty ie. 7 Aoky tsy handoto gny vatany ie ,eka ndra la ho gnan'ny babany, gny reniny,gny rahalahiny,gnanabaviny aza,laha maty reo.Zay la fotony nitoka ho gnan'Andrianagnahary ie,ze hitan'olo amin'ny halavan'ny gny volony. 8 Agnatinn'ny fotoan'ny fitokagnany iaby la masy ie,voatoka ho gnan'i Yaveh. 9 Laha misy olo maty atmpoky agnilany eo ka mandoto gny lohany voahasy,la engaho hagnaratsy gny lohany ie amin'ny gn'andro fagnadiova gnazy-amign'andro fahafito ro tsy maintsy hagnaratany gnazy. 10 Amign'andro fahavalo la engao handay voromahilala roe na ana-boromahilala roe ho gnan'ny mpisoro eo amin'ny filira agnagny amin'ny tragno-lay fihaogna ie. 11 Aoky hanolotsy voro raiky ho fagnatitsy noho-gny ota voho raiky hafa ho fagnatitsy oroa gny mpisoro.Reo la hagnonitsy gnazy fotony nanota ie tamin'ie tagnilan'ny faty eo igny.Aoky hagnamasy gny lohany draiky ie amy zay andro zay. 12 Engao hanoka gny vatany ho gnan'i Yaveh agnatin'ny gn'andro fagnamasigna gnazy ie.Engaho handay anak'aondry lahy tao raiky ho fagnatitsy nohon'ny gny helokiny ie.Gn'andro talohan'ny nampaloto gnazy la engao tsy hisahy,fotony nilotoa gny fahamasignany. 13 Zay ro lalagna mikasiky gny Nazirita lafa feno gny fotoa fitokagnany.Engao handesy amin'ny filira magnagny amin'ny tragno lay fihaogna ie. 14 Aoky hanolotsy gny fagnatitsy ho gnan'i Yaveh ie.Aoky hanolotsy anak'aondry lahy tao raiky voho tsy misy handra ho fagnatitsy oroa ie non'ny gn'ota ie.aoky hanolotsy ana'aondry vaviny tao raiky voho tsy misy handra ho fagnatitsy nohon'ny gn'ota ie.Aoky handay aondry lahiny ze tsy misy handra ho fagnatitsy filongoa ie. 15 Aoky handay mofo tsy lalivay feno sobiky ,mofo vita bakamin'ny kobam-bary soa lisa misy soliky ,mofo matify tsy misy lalivay najobo tagnaty menaky,miaraky amin'ny fagnatitsy hohany voho fagnatitsy hinomy avao koa. 16 Aoky hanolotsy reo agnatrehan'i Yaveh gny mpisoro.Aoky hanolotsy gny fagnatitsy nohon'ny gn'otany voho fagnatitsy oroa ie. 17 Miaraky amin'ny mofo tsy misy lalivay feno sobiky,ro hanolorany gn'aondrilahiny ho soro,la gny fagnatitsy filongoa ho gnan'i Yaveh.Aoky hanolotsy gny fagnatittsy hohany voho fagnatitsy hinomy avao koa gny mpisoro. 18 Aoky hagnaratsy gny lohany azy Nazirita igny ho fagnatoroa gny fitokagnany ho gnan'Andrianagnahary eo ami-gny filira magnagny amin'ny tragno-lay fihaogna.Aoky hangalaky gny volo-dohany ie ka handefa gnazy agnatin'ny bolo ze ambanin'ny gny soro ho fagnatitsy filongoa. 19 Aoky hangalaky gny soroky gn'aondrilahiny mandevy,tapa mofo tsy misy lalivay agnaty sobiky,voho mofo matify tsy misy lalivay raiky gny mpisoro.Aoky hametraky reo an-tagnan'ny azy Nazirita igny ie lafa baka nagnaratsy gny lohany hagnatoroa gny fitokagnany ie. 20 Gny mpisoro la engao hanevaheva reo fagnatitsy agnatrehan'i Yaveh,anjara masin'ny gny mpisoro,miaraky amin'ny tratra ze nahevaheva voho gny fe ze natolotsy ho gnan'ny mpisoro.Afaran'izay,la afaky mino divay gny Nazirita. 21 Zay ro lalagna ho gnan'ny Nazirita ze mivoady handay gny fagnatitsiny ho gnan'i Yaveh ho gnan'ny fitokagnany.Ndra ino ndra ino mety ameany,la aoky hagnaraky reo lilin'ny voady nataony ie,mba hitanjaky gny fampagnatena volagnin'ny gny lalagna ho gnan'ny Nazirita." 22 Nivola tamin'i Mosesy ndraiky Yaveh.Hoy Ie :" 23 Mivolagna amin'i Arona voho anakilahiny reo.Volagn0 hoe:"Tsofonareo rano amy zao fomba zao gny vahoakin'i Israely.Volagno amin-drozy hoe:" 24 Hitahy gnanao voho hiaro gnanao lahy Yaveh. 25 Hampamirapiratsy gny tarehiny agnaminao voho handefitsy agnaminao lahy Yaveh. 26 Hagnety gnano amim-pankasitraha voho hagnome fiadagna gnano lahy Yaveh." 27 Amy fomba zay ro tsy maintsy hametrahan-drozy gn'angnarako eo amin'ny vahoakin'i Israely.La hitahy gnan-drozy Zaho."