Toko faha 8

1 Nivola tamin'i Mosesy Yaveh.Hoy Ie hoe:" 2 Miresaha amin'i Arona.Volagno agnaminy hoe:"Tokony hagnome hazava agnatrehan'ny fasian-jiro reo jiro fito reo lafa mampirehitsy gnazy iha." 5 Nivola tamin'i Mosesy ndraiky Yaveh.Hoy Ie hoe:" 6 Alao bakamin'ireo vahoakin'Israely gny Levita ka liovo rozy. 7 Atavo amin-drozy zao mba hagnaliova gnan-drozy:Afafazo amin-drozy gny ranon'ny gny fagnavota.Ampagnarato gny vatany iaby ,hanasa gny salotsiny rozy,ka aminjay fomba zay ro hagnaliova gny vatan-drozy. 8 Voho ampangalao vatots'aomby voho fagnatitsy voa miaraky amin'ny lila soa lisa misy menaky rozy.Engao rozy hangalaky vatonts'aomby raiky hafa ho fagnatitsy noho gny ota. 9 Handay reo Levita alohan'ny tragno-lay fihaogna eo voho hamory gny vondron'ny vahoakin'Israely iaby iha. 10 Lafa manday reo Levita agnatrehan'i Yaveh eo iha,la tsy maintsy mametraky gny tagnany amin'ny Levita reo eo gny Isarely. 11 Tsy maintsy atolots' i Arona agnatrehan'i Yaveh eo reo Levita reo,manahaky gny fagnatitsy ahevaheva bakamin'ny vahoakin'Israely mba hahafan-drozy manao gny fanompoa gnan'i Yaveh. 12 Tsy maintsy apetraky Levita reo amin'ny lohan'ny aomby reo gny tagnany.Tsy maintsy manolotsy aomby raiky ho gnan'ny gny fagnatitsy nohon'ny gn'ota voho aomby raiky hafa koa ho gna'ny gny fagnatitsy oroa ho Gnahy,mba haagnoregna go gnan'ny Levita reo. 13 Atoro agnatrehan'i Arona eo voho agntrehan'ny anakilahiny reo eo Levita reoka akaro ho fagnatitsy ahevaheva ho Gnahy. 14 Amin'io fomba io ro tsy maintsy hagnasarahanao gny Levita amin'ny vahoakin'Israely reo.Ho Gnahy Levita reo. 15 Magnaraky gnan'izay,la tsy maintsy mandeha manompo an-tragno lay fihaogna ao Levita reo.Tsy maintsy magnalio gna-drozy iha.Tsy maintsy atolotrao manahaky gny fagnatitsy ahevaheva rozy. 16 Atavo zay,fotony rozy la Gnahy vatany ze bakamin'ny vahoakin'Israely.Hadramby gny toeran'ny gn'aja johary ze ateraky volohany rozy,la gny talagnolon'ny gny havorohotan'Israely iaby.Fa nangalaky Levita reo ho gnan'ny gny vatako Zaho. 17 Gnahy gny talagnolo bakamin'ny vahoakin'Israely iaby bami-gny gn'olo voho gny biby.Tamin'ny gn'andro ze nangalako gn'ain'ny talagnolo iaby tao amin'ny tany Egypta,la nanoka gnan-drozy ho Gnahy Zaho. 18 Fa nangalaky gny Levita baka amin'ny vahoakin'Israely reo ho solon'ny gny talagnolo iaby Zaho. 19 Fa nagnome gny Levita ho gnan'i Arona voho gnan'ny gnanakilahiny reo Zaho.Fa nangalaky an-drozy bakamin'ny vahoakin'Israely mba hanao gn'asan'ny vahoakin'Israely ao amin'ny tragno lay fihaogna zaho.Fa nagnoma gnan-drozy ho fagnavota gny vahoakin'Israely Zahomba tsy hisy arety mandrava hahazo gny vahoaky laha vo magnarikitsy gny toera masy rozy." 20 Mosesy,Arona,voho gny vondron'ny vahoakin'Israely iaby nanao gnan'izay tamy Levita reo.Nagnatanteraky reo raha iaby nandidian'i Yaveh gnan'i Mosesy mikasiky gnan'ny Levita reo rozy.Nanao gnan'izay niaraky tamin-drozy gny vahoakin'Israely. 21 Nagnadio gny vatany voho nanasa gny salony Levita reo,ka Arona nanolotsy gnazy ho fagnatitsy ahevaheva ho gnan'i Yaveh voho nanao fagnavota ho gnan-drozy mba hagnadiova an-drozy. 22 Magnaraky gnan'izay,la nandeha nanao gny fanompoa tao amin'ny tragno lay fihaogna magnatsiky gnan'i Arona voho gny anakilahiny Levita reo.Manahaky gny nandidian'i Yaveh gnan'i Mosesy mikasiky reo Levita reo.Zay ro fomba nagnandesany gnan'ny Levita iaby reo. 23 Nivola tamin'i Mosesy ndraiky i Yaveh.Hoy Ie hoe:24"Zao raha iaby zao la ho gnan'ny Levita ze dimampolo tao miakatsy.Tsy maintsy misondry amin'ny mpanompo mba hanompo an-tragno lay fihaogna ao rozy. 25 Tsy maintsy mitofa amin'ny fanompoa amin'izay fomba zay rozy lafa feno dimapolo tao.Amin'izay tao zay la tsy mahazo manompo sasy rozy. 26 Afaky magnampy gny rahalahiny ze manohy gn'asany amin'ny tragno lay fihaogna ao ie,fe tsy afaky manompo sasy.Tsy maintsy mitariky gny Levita amin'ireo raha iaby reo iha."