1 Sady tamin'ny andro faha folo efatrsambin'io vola io avao la nivory voho nifaly hany gny vahoakan'Israely, sady nagnisy akanjo fisaogna rozy,sady nagnosotsy vovoky gny lohany. 2 Nagnasaraky gny vatany tamin'ireo vahiny iaby gny avorohotan'Israely. Nitsanga voho niaiky gny fahotany rozy voho reo raty nataon'ny razamben-drozy. 3 Nitsanga teo amin'ny toerany rozy, sady tamin'ny ampahefatsy gny andro la namaky gny tao amin'ny bokin'ny lalan'i Yaveh Ndranagnahary rozy. Fa tamin'ny ampahefatsy gny andro hafa la niaiky gny helony voho niankohoky teo agnatrehan'i Yaveh Ndranagnahariny rozy. 4 Reo Levita, Jesoa, bany, Kadmiela, Sebania, Bony, Serebia, Bany, voho Kenany, la nijoro teo amin'ny tohatsy sady nikaiky tamy gny feo abo gnan'i Yaveh Ndranagnaharin-drozy. 5 Sady reo Levita, jesoa, voho Kadmiela, bany, Hasbania, Serebia, Hodia, Sebania, voho Petahia, nanao hoe:" Mitsangana voho mandrengea gnan'i Yaveh Ndranagnaharinareo mandrakizay doria." Hisaotra gny agnaranao be voninahitsy anie rozy, sady asandratsy agnabon'ny fisaogna voho fidera iaby anie io. 6 Iha ro Yaveh. Iha raiky avao. Iha ro nanao gny lagnitsy , gny lagnitsy abo indrindra, mbamin'ny miaramilany manontolo, voho gny tany zay iaby eo aminy, sady gny ranomasina voho zay iaby eo aminy. Nagnome aina gnan-drozy manontolo Iha, sady gny miaramilan'ny lagnitsy manompo Gnanao. 7 Iha ro Yaveh, lay Ndranagnahary zay nifily gnan'i Abrama , voho nanday gnazy niboaky gnan'i Oran'ny Kaldeana, voho nagnome gnazy gny agnara Abrahama. 8 Iha la nahita fa nahatoky teo agnatrehanao gny fony, sady Iha nanao fagnenkea taminy mba hagnome gny tanin'ireo Kananita , reo Hetita, reo Perizita, reo Jebosita, voho reo Girgasita ho gnan'ny avorohotany. Nita gny fampanantenanao Iha fotony Iha la marina. 9 Nahita gny fahorian'ny razanay tagny Egypta Iha, sady nahare gny fitaraignan-drozy teo amin'ny Ranomasy Mena. 10 Nagnome reo famantara voho fahagaga manohitsy gnan'i farao, voho gny mpanompony iaby, sady gny olo iaby tao amin'ny taniny Iha, fotony Iha la nahay fa reo Egyptiana la nanao fihetsiky agn'avognavo tamin-drozy. Kanefa nanao agnara ho Gnanao Iha zay mijoro mandrak'androany. 11 Sady nagnasaraky gny ranomasina teo agnatrehan-drozy iha, mba hahafahan-drozy mandeha agnivon'ny ranomasina amin'ny tany maiky; sady nanoraky reo zay nagnenjiky gnan-drozy ho agny amin'ny laliky, manahaky gny vato atoraky agnaty rano laliky Iha 12 Tamin'ny andrin-drahona ro nagnandesanao gnan-drozy tamin'ny andro, sady andriam-bolo koa mandritsa gny haly mba hijilo gny lala handehanan-drozy. 13 Nizotso tao an-tendrombohitsy Sinay Iha sady niresaky tamin-drozy bakao amin'ny lagnitsy sady nagnome gnan-drozy fitsipiky mahity voho lalagna marina, baiko voho lily soa. Nampahaizinao gnan-drozy gny andro Sabata masinao, sady nagnome gnan-drozy lily, voho fitsipiky, sady lalagna tamin'ny alalan'i Mosesy mpanomponao Iha. 15 Nagnome mofo bakagny an-dagnitsy gnan-drozy Iha noho gny mosariny, voho rano bakamin'ny vatolampy nohon'ny hetahetany, sady Iha nivola gnan-drozy mba hilitsy hangalaky gny tany nianianao mba hamea gnan-drozy. 16 Fa tsy nagnaja gnanao rozy voho gny razanay, voho mahery loha, sady tsy nijanjy reo lilinao rozy. 17 Nanda tsy hijanjy rozy, sady tsy nisaina momba reo fahagaga zay fa nataonao tamin-drozy, fa lasa mahery loha, sady tamin'ny fikomian-drozy la nanondro mpitariky himpoly amin'ny fagnandevoza rozy. Fa Iha la Ndranagnahary zay feno famelan-keloky, be fahasoava voho fangoraha, tsy mora masiaky, voho feno fitiava tsy miova . tsy nagnenga gnan-drozy Iha. 18 Ndra la fa nana gny aomby lahy kely agn'idina aza rozy voho nanao hoe:" Toy ro Ndranagnaharinareo zay nanday gnanareo niakatsy niala tagny Egypta; sady fa nanao faniratsira bevata , Iha, tamin'ny fangoram-ponao. 19 la tsy nagnenga gnan-drozy tagny agn'efitsy. Gny andrian-drahona mitariky gnan-drozy amin'ny lala la tsy mba nagnenga gnan-drozy nandritsa gny andro, na gny andriam-bolon'ny haly mba hagnazava gny lalan-kalehan-drozy. 20 nameanao gnan-drozy gny Fagnahinao soa mba hampianatsy gnan-drozy, sady tsy niaro gny mananao tsy ho eo amin'ny vavan-drozy Iha, sady gny rano nameanao gnan-drozy noho gny hetahetany. 21 nandritsa gny efapolo tao ro namatsianao gnan-drozy tagny agn'efitsy. Gny akanjon-drozy la tsy tonta sady gny lela-tombon-drozy la tsy nivonto. 22 Nagnome fanjaka voho vahoaky ho gnan-drozy, tamin'ny fanendrea gnan-drozy isaky gny vazan-tany. sady nangalaky gny tanin'i Siona mpanjakan'i Hesbona voho gny tanin'i Oga mpanjakan'i Basana ho fanagna rozy. 23 Nataonao maro isa manahaky gny kintan'ny lagnitsy gny anan-drozy, sady nandesinao tagny amin'ny tany zay niresahinao gny razambeny mba handehana voho hala ho lanagna rozy. 24 Ka nilitsy gny vahoaky sady nangalaky gny tany ho fanagna sady Iha nandresy reo olon'ny tany, la reo Kananita teo agnatrehan-drozy. Nameanao reo mba ho eo an-tagnan-drozy, miaraky amin'ny mpanjakan-drozy voho gny vahoakan'ny tany, mba hahafahan'i Israely manao zay mahafinaritsy gnazy eo amin-drozy. 25 Nambabo reo tana mimanda voho gny tany mamokatsy rozy, sady nambabo reo tragno feno raha soa, famorian-drano fa voahaly, reo tanim-boaloboky voho tanin'oliva, sady hazo fihinam-boa maro. Sady nihina voho afa-po voho niha-natavy sady nanao zay nampazoto gnazy rozy noho gny hasoanao bevata. 26 Sady lasa tsy mankato rozy voho nikomy hanohitsy Gnanao. natoran-drozy tagny an-dambosiny gny lalagnanao. Namono reo mpaminaninao zay nampitandry gnazy mba himpolia aminao rozy, sady nanao faniratsira bevata rozy. 27 ka natolotsao tegny am-pelatagnan'ny fahavalony, zay nampijaly gnazy rozy. Tamin'ny fotoa nijaliany, la nitaray taminao rozy, sady Iha nahare gnan-drozy bakagny an-dagnitsy , sady noho gny famindram-ponao bevata la nandefa mpamonjy mba hagnavotsy gnan-drozy eo an-tagnan'ireo fahavalony Iha. 28 Fa lafa baka nijano rozy, la nanao raty teo agnatrehanao ndraiky, sady nagnenga gnan-drozy teo an-tagnana'ny fahavalony Iha, nohon'io la nifehy gnan-drozy gny fahavalony. kanefa lafa nimpoly voho nitaray taminao rozy, la nahare bakagny an-dagnitsy Iha, 29 sady matetiky Iha ro namonjy gnan-drozy noho gny famindram-ponao. Nampitandry gnan-drozy gny amin'ny mba himpolian-drozy amin'ny lalagnanao Iha. Kanefa niavognavo voho tsy nijanjy gny lilinao rozy. Nanota nanohitsy gny fitsipikao zay nagnome aina ho gnan'izay nankato gnazy rozy. nagnamafy gny hatony voho nampihemotsy gny sorony sady nanda tsy hijanjy rozy. 30 Fa tao maro ro nandeferanao voho nampitandremanao gnan-drozy tamin'ny alalan'ireo mpaminaninao. Kanefa tsy nijanjy rozy. Ka la natolotsao ho eo an-tagnan'ireo vahoaky magnodidy rozy. 31 Kanefa noho gny habevatan'ny famindram-ponao la tsy nandringa gnazy tanteraky Iha, na nahafoy gnan-drozy fotony Iha la Ndranagnahary be fahasoava voho be indrafo. 32 Sady nohon'io , ry Ndranagnaharinay__Iha bevata, mahery, sady matahotsy zay nitandry gny fagnekenao voho gny fitiavanao tsy miovaova__ao tsy ho kely Aminao zao raha sarotsy iaby zay nihatsa taminay, tamin'ireo mpanjakanay, tamin'ireo andrian-dahinay, voho tamin'ireo mpisoronay, voho tamin'ireo mpaminaninay, voho tamin'ireo razambenay, sady tatamin'ny vahoakanao iaby hatramin'ny andron'ny mpanjakan'i asyria ka mandrak'androany zao. 33 Iha la marina tamin'izay iaby nanjo gnanay, fotony Iha la nanday am-pahatokia, kanefa rahay ro nanao fihetsiky naneho faharatia. 34 Reo mpanjakanay, reo andrian-dahinay, reo mpisoronay, voho reo razambenay la tsy nitandry gny lalagnanao, na nitandry reo lily voho reo lalam-pagnenkea zay nampitandremanao gnan-drozy. 35 Ndra la tamin'ny fanjakan-drozy manoka aza , laha nankafy gny soa bevata natanao taminy rozy, tamin'ny tany malalaky voho mamokatsy zay nataonao teo agnatrehan-drozy, la tsy mba nanompo Gnanao rozy na niala tamin'ireo fomba ratiny. 36 amizao rahay la andevo amin'ny tany nameanao gny razambenay mba hankafy gny vokatsy voho gny fagnomeza soan'io, sady ingo, andevo ao amin'io rahay! 37 gny mpanan-kanagna nahazo tombony tamin'ny taninay la magnagny amin'ny mpanjaka zay napetrakao mba hanjaka eo aminay noho gny fahotanay. Rozy la manapaky eo amin'ny vatanay voho gny biby fiharinay araky zay tiany. agnaty fahoria bevata rahay. 38 Nohon'io iaby io, la manao fagnenkea an-tsoratsy entitsy rahay. ao amin'ny antontan-taratasy voatombo-kase gny agnaran'ireo andrian-dahinay, reo Levita, voho reo mpisoro.'