1 Ao amin'ireo antontan-taratasy voatombo-kase Nehemia, governora, anaky lahin'i Halakia Zebekia, 2 Seraia, Azaria, jeremia, 3 Pasora, Amaria, malkia, 4 Hatosy , Sebania, Malika, 5 Harima, Meremota, Obadia, 6 Daniela, Ginetona, Baroka, 7 Mesolama, Abia, Miamina, 8 Mazia, Bilgay, voho Semaia. Reo ro mpisoro. 9 Reo Levita la: Jesoa anaky lahin'i Azania, Binoy bakamin'ny fianakavian'i Henadada, Kadmiela, 10 sady reo Levita namany la sebania, Hodia, Kelita, Pelaia, hanana, 11 Mika, Rehoba, hasabia, 12 zakora, Serebia, Sebania, 13 Hodia, Bany voho Benino. 14 Reo mpitariky gny olo la: Parosy, pahata-moaba, Elama, zato, Bany, 15 Bony, azgada, Bebay, 16 adonia, Bigvay, Adina, 17 Atera, Hezekia, Azora, 18 Hodia, Hasoma, Bezay, 19 Harifa, Anatota, Nebay, 20 Magpiasy, Mesolama, Hezira, 21 Mesezabela, Zadoka, Jadoa, 22 Pelatia, Hanana, Anaia, 23 Hosea, hanania, hasoba, 24 Halohesy, Pila, Sobeka, 25 Rehoma, Hasabna, Mahaseia, 26 ahia, Hanana, Anana, 27 Maloka, Harima, voho Bana. 28 Fa gny olo sisa, zay mpisoro, Levita, mpiamby vavahady, mpihira, mpanompon'ny tempoly, voho gny iaby zay nagnasaraky gny vatany tamin'ireo olo teo amin'ny tany magnodidy voho nanokan-tena ho gnan'ny lalagnan-Dranagnahary, agnisan'io reo valiny, reo anaky lahiny voho anaky ampelany, reo iaby manam-pahaiza voho fahazavan-tsay, 29 niara-nitambatsy tamin'ireo rahalahiny, reo olo agnabony rozy, sady namehy gny vatany tamin'ny ozo voho gny fianiana gny handeha amin'ny lalagnan-Dranagnahary, zay namean'i Mosesy mpanompon-Dranagnahary, sady mba handiniky voho hankato gny lilin'i Yaveh Tompontsika voho gny fitsipiny sady reo lalagnany manontolo. 30 Nianiana rahay fa tsy hagnome gny anaky ampelanay ho gnan'ny vahoan'ny tany na hangalaky gny anakky ampelan-drozy ho gnan'ny anaky lahinay. 31 Nianiana avao koa rahay fa laha manday entam-barotsy na mety ho vary havily reo vahoakin'ny tany amin'ny andro Sabata, la tsy hivily amin-drozy amin'ny andro Sabata na amin'izay andro masy rahay. Isaky gny fito tao ro hampangalanay aina gny taninay, sady haravanay reo trsa iaby zay nifagnarahanay tamin'ireo Jiosy hafa. 32 Ekenay gny fandidia gny hagnomeza gny ampahatelon-tsekely isan-tao ho gnan'ny fanomponoa gny tragnon'ny Ndranagnaharinay, 33 ho famatsia ho gnan'ny mofon'ny fagnatreha, voho ho gnan'ny fagnatitsy hahony tsy tapaky, gny fagnatitsy dorana amin'ny andro Sabata, reo fetin'ny voaloham-bola voho reo andro firavoravoa voatondro, voho ho gnan'ireo fagnatitsy masy, voho ho gnan'ireo fagnatitsy noho gny fahota ho fagnavota ho gnan'ny Israely , mbamin'izay iaby asa ho gnan'ny tragnon-Dranagnaharinay. 34 Nanao filoka ho gnan'ny fagnatitsy kata reo mpisoro, reo Levita, voho gny vahoaky. Reo filoka ro hifily gny amin'izay fianakavianay handay gny kata ho ao an-tragnon-Dranagnaharinay amin'ny fotoa voatondro isan-tao, mba horoa eo amin'ny alitaran'i Yaveh Ndranagnaharinay, araky zay voasoratsy ao amin'ny lalagna. 35 Nianiana gny handay gnan'ireo voaloham-bokatsy zay mitiry bakamin'ny taninay, voho reo voaloham-bokatsy gny hazo iaby isan-tao ao an-tragnon'i Yaveh rahay. 36 araky zay voasoratsy ao amin'ny lalagna, nianiana gny handay gny voalohan-terak'ireo anaky lahinay voho reo aomby voho gny aondry aman'aosy ao an-tragnon-Dranagnahary voho ho eo amin'ireo mpisoro zay manompo ao rahay. Handesinay gnyvoalohan-kobanay voho gny fagnatitsy hohany, sady gny voan'ny hazo iaby, voho gny divay vaovao voho gny diloilo zay andesy eo amin'ireo mpisoro, ho agny amin'ny efitsy fitehirizan'ny tragnon'ny Ndranagnaharinay. Handesinay eo amin'ireo Levita reo ampahafolon'ny bakamin'ny taninay fotony reo Levita la mamory gny ampahafolon-kanagna eo amin'ireo reniohitsy iaby zay hiasany. 38 Tsy maintsy misy mpisoro, avorohotan'i Arona miaraky amin'ireo Levita lafa mandramby gny ampahafolon-kanagna rozy. Reo Levita la tsy maintsy manday gny ampahafolo amin'ny ampahafolon-karena ho ao amin'ny tragnon-Dranagnaharinay ho agny amin'ny efitsy fitehirizan'ny fandatsahan-drakitsy. 39 Gny olon'Israely voho reo avorohotan'i Levy ro manday reo fandraisa anjara amin'ny vary, divay vaovao, voho diloilo agny amin'ny efitsy fagnajaria zay hagnajaria gny raha masy voho zay hanompoan'ny mpisoro, voho reo mpaimby vavahady, sady hipetrahan'ireo mpihira. tsy hataonay antsirambina gny tragnon'ny Ndranagnaharinay.