Toko faha 11

1 Nipetraky tagny Jerosalema reo mpitariky gny vahoaky, sady gny vahoaky ambiny la nanao filoka mba handay gny raiky amin'ireo folo hipetraky agny Jerosalema, zay tana masy, sady reo sivy hafa nipetraky tagny amin'ireo tana hafa. 2 Bakeo gny vahoaky nitso-drano gnan'ireo iaby zay nanolo-tena an-tsitrapo gny hipetraky agny Jerosalema. 3 Reo la manam-boninahitsy gny faritany zay nipetraky tagny Jerosalema. Kanefa . la nipetraky tagny amin'ny taniny iaby gny olo tagny amin'ny tanan'ny Joda, agnisan'io gny sasany amin'ireo Israelita, reo mpisoro, reo Levita, reo mpanompon'ny tempoly, voho reo avorohotan'ny mpanompon'i Solomona. 4 Tagny Jerosalema ro nipetrahan'ny sasany tamin'ireo avorohotan'i Joda voho reo avorohotan'i Joda la ahita gnan'i: Ataia anaky lahin'i Ozia anaky lahin'i Zakaria anaky lahin'i Amaria anaky lahin'i Sefatia anaky lahin'i Mahalila, zay avorohotan'i Fareza. 5 Tao Maseia anaky lahin'i Baroka anaky lahin'i Kola Azeha anaky lahin'i Hazaia anaky lahin'i Adaia anaky lahin'i Joiariba anaky lahin'i Zakaria, anaky lahin'ny Silonita. 6 Reo anaky lahin'i Farezaiaby zay nipetraky tagny Jerosalema la 468. Rozy la johary miavaky. 7 Reto iaby reo avorohotan'i Benjamina: Salo anaky lahin'i Mesolama anaky lahin'i Joeda anaky lahin'i Pedaia anaky lahin'i Kolaia anaky lahin'i Maseia anaky lahin'i Itiela anaky lahin'i Jesaia, 8 voho reo magnaraky gnazy, la Gabay voho Salay, johary 928. 9 Joela anaky lahin'i Zisria ro mpiandraikitsy gnan-drozy, sady Joda anaky lahin'i Hasenoa la faharoe amin'ny fibaikoa eo amin'ny tana. 10 Bakamin'ireo mpisoro: Jedaia anaky lahin'i Joariba, Jakina, 11 Seraia anaky lahin'i Hilikia, anaky lahin'i Mesolama anaky lahin'i Zadoka anaky lahin'i Meraiota anaky lahin'i ahitoba, lehiben'ny manam-pahefan'ny tragnon-Dranagnahary, 12 voho reo rahalahin-drozy zay nanao gny asa ao amin'ny tragno, johary 822, miaraky Adaia anaky lahin'i Jeroama anaky lahin'i Pelaia anaky lahin'i amzi anaky lahin'i Zakaria anaky lahin'i Pasora anaky lahin'i Malkia. 13 Reo rahalahiny la reo lohan'ireo foko, johary 242; Amasay anaky lahin'i Azerela anaky lahin'i Ahazay anaky lahin'i Mesilemota anaky lahin'i Imera, 14 voho reo rahalahiny, johary mahery fo amin'ny aly 128; reo mpiandraikiny la Zabdiela anaky lahin'i Hagedolima. 15 Bakamin'ireo Levita la: Semaia anaky lahin'i hasoba anaky lahin'i Azrikama anaky lahin'i Hasabia anaky lahin'i Bony, 16 sady Sabetay voho lozabada, zay bakamin'ny mpitarik'ireo Levita, zay misaha gny asa ivelan'ny tragnon-Dranagnahary. 17 Sady Matania anaky lahin'i Mika anaky lahin'i Zabdy, zay avorohotan'i Asafa, zay lehibe zay nanomboky gny fanoloram-pisaora tamin'ny vavaky , voho Bakbokia, faharoe amin'ireo rahalahiny, sady Abda anaky lahin'i Samoa anaky lahin'i Galala anaky lahin'i Jedotona. 18 Gny Levita iaby tao amin'ny tana masy la niisa 284. 19 Reo mpiamby vavahady la: Akoba, Talmona, voho reo namany, zay nagnaramaso reo vavahady, johary 172. 20 Gny Israely ambiny voho reo mpisoro ndraiky reo Levita zay tao amin'ireo tanan'i Joda iaby. Gny kirakiraiky nipetraky tao amin'ny lovan-taniny iaby. 21 Reo mpiasan'ny tempoly nipetraky tagny Ofela, sady Ziha voho Gispa nisaha gnan-drozy. 22 Gny lehiben'ny manam-boninahitsy teo amin'ireo Levita tagny Jerosalema la Ozy anaky lahin'o Bany anaky lahin'i Hasabiaha anaky lahin'i Mataniaha anaky lahin'i Mika, tamin'ny avorohotan'i Asafa, mpihira tamin'ny asa tao amin'ny tragnon-Dranagnahary. 23 Teo ambanin'ny baiko bakamin'ny mpanjaka rozy, sady reo baiko entitsy ro namea reo mpihira araky gny notakia isanan'andro. 24 Bakeo Petaia anaky lahin'i Mesezabela, avorohotan'i Zera anaky lahin'i Joda , la teo agnilan'ny mpanjaka tamin'ireo raha iaby mahakasiky gny vahoaky. 25 Laha reo tana voho reo sahan-drozy, gny sasany tamin'ny vahoakan'i Joda la nipetraky tagny Kiriata-Arba voho reo tanany, sady tagny Dibona voho reo tanany, sady tagny Jekabzela voho reo tanany, 26 sady tagny Jesoa, Milada, Beti-paleta, 27 Hazarasoala, voho Biry-seba voho reo tanany. 28 Gny sasany tamin'ireo vahoakin'i Joda la nipetraky tagny Ziklagy, Mekona voho reo tanany, 29 Anrimona, Zora, Jarmota, 30 Zanoa, Adolama, voho gny tanan'ireo , voho tagny Lakisa sahany sady Azeka voho reo tanany. Ka la nipetraky bakagny Beri-sheba ka hatragny amin'ny lohasahan'i Hinoma rozy. 31 Nipetraky teo alohan'i Geba avao koa reo vahoakin'i Benjamina, tagny Mikmasy voho Aia, tagny Betela voho reo tanany, 32 tagny Anatota, Noba, Anania, 33 Hazora, Rama, Gitaima, 34 Hadida, Jeboima, Nebala, 35 Loda, voho Ono, sady gny lohasahan'ireo mpanao asa tagna. 36 Gny sasany amin'ireo Levita zay nipetraky tagny Joda la notendre tamin'ny vahoakin'i Benjamina.