Toko faha 12

1 Reto iaby reo mpisoro voho reo Levita zay niakatsy tamin'i Zerobabela anaky lahin'i Sealtiela voho niaraky tamin'i Jesoa:Seraia, Jeremia, Azra, 2 Amaria, Maloka, Hatosy, 3 Sekania, Rehoma, voho Meremota. 4 Nisy gnan'i Ido, Ginetoy, Abia, 5 Miamina, Madia, Bilga, 6 Semaia, Joiariba, Jedaia, 7 Sao, Amoka, Hilkia, Jedaia. Reo ro mpitariky reo mpisoro voho reo mpiara-miasa amin-drozy tamin'ny andron'i Jesoa. 8 Reo Levita la Jesoa, Binoy, Kadmiela, Serebia, Joda, voho matania, zay nisaha gny hira fagnomezam-pisaora, miaraky amin'ireo mpiara-miasa aminy. 9 Bakbokia voho Ono, reo mpiara-miasa aminy, la nijoro nanandrify gnan-drozy nandritsa gny asa fanompoa. 10 Jesoa ro rain'i Joiakima, Joiakima niteraky gnan'i Eliasiba, Eliasiba niteraky gnan'i Joiada, 11 Joiada nteraky gnan'i Jonatana, Jonatana niteraky gnan'i Jadoa. 12 Tamin'ny andron'i Joiakima la reto iaby ro mpisoro, lohan'ireo fianakavia: Meraia lohan'i Seraia, Hanania lohan'i Jeremia, 13 Mesolama lohan'i Ezra, Johanana lohan'i Amaria, 14 Jonatana lohan'i Meliko, voho Josefa lohan'i Sebania. 15 Adna ro lohan'i Harima, Helkay ro lohan'i Meraiota, 16 Zakaria ro lohan'i Ido, Mesolama ro lohan'i Ginetona, voho 17 Zikry ro lohan'i Abia... gnan'i Miniamina.Piltahy ro lohan'i Moadia. 18 Samoa ro lohan'i Bilga, Jonatana ro lohan'i Semaia, 19 Matenay ro lohan'i Joariba, Ozy ro lohan'i Jedaia, 20 Kalay ro lohan'i Salay, Ebera ro lohan'i Amoka, 21 Hasabia ro lohan'i Hilikia, voho Netanela ro lohan'i Jedaia. 22 Tamin'ny andron'i Eliasiba, reo Levita Eliasiba, Joiada, Johanana, voho Jadoa ro norakety an-tsoratsy ho loham-pianakavia voho reo mpisoro ro norakety an-tsoratsy nandritsa gny fanjakan'i Dariosy zay Persiana. 23 Reo avorohotan'i Levy, reo lohan'ny fianakaviany la voarakitsa an-tsoratsy tao amin'ny bokin'ny tantara hatramin'ny andron'i Johanana anaky lahin'i Eliasiba. 24 Reo lohan'ireo Levita la Hasabia, Serebia, Jesoa anaky lahin'i Kadmiela, niaraky tamin'ny mpiara-miasa amin-drozy , zay nijoro nagnatriky gnan-drozy mba hagnome fandrengea voho hagnome fisaora, mifamaly gny isam-paritsy, ho fankatoava gny lilin'i Davida, zay joharin-Dranagnahary. 25 Matania, Bakbokia, Obadia, Mesolama, Talmona, voho Akoba ro moamby vavahady niamby teo amin'ny tragno fitehiriza teo am-bavahady. 26 Nanompo tamin'ny andron'i Joiakima anaky lahin'i Jesoa anaky lahin'i Jozadaka, voho tamin'ny andron'i Nehemia lay governora voho tamin'i Ezra mpisoro voho mpanora-dalagna rozy. 27 Tamin'ny fanokagna gny mandan'i Jerosalema, la nila reo Levita tamin'izay iaby nipetrahan-drozy gny vahoaky, handay gnan-drozy agny Jerosalema mba hankalaza gny fanokana am-pazotoa, amin'ny fanoloram-pisaora sady hihira amin'ny kipantsona, Valiha, voho amin'ny lokanga. 28 Reo mpiara-mihira la niara-nivory isan-tokony nagnodidy gnan'i Jerosalema voho bakamin'ireo tana agny Netofatita. 29 Bakagny Beti-gilgala avao koa rozy sady bakagny amin'ireo sahan'i Geba voho Azmaveta, fa reo mpihira la fa nagnamboatsy ana-bohitsy nagnodidy gnan'i Jerosalema ho gnan-drozy. 30 Bakeo reo mpisoro voho reo Levita la nagnadio gny vatan-drozy , sady bakeo nagnadio gny vahoaky , reo vavahady , voho gny manda. 31 Sady nampiakariko tegny an-tampon'ny manda reo lohan'i Joda, voho nanendry antokom-pihira bevata roe zay nagnome fisaora aho. Gny raiky la nandeha tagny ankavanan'ny manda nandeha teo amin'ny Vavahadin-Jeziky. 32 Hosaia voho gny antsasaky gny mpitarik'i Joda nagnaraky gnan-drozy, 33 voho nagnaraky gnan-drozy Azaria, Ezra, Mesolama, 34 Joda, Benjamina, Semaia, Jeremia, 35 voho gny sasany tamin'ireo anaky lahin'ny mpisoro niaraky tamin'ny trompetra, sady Zakaria anaky lahin'i Jonatana anak'i Semaia anak'i Matania anak'i Mikaia anak'i Zakora anak'i Asafa. 36 Nisy gnan'ireo longon'i Zakaria avao koa, la Semaia , Azarela, Milalay, Gilalay, May, netanela, Joda, Hanany, niaraky tamin'ireo raha magnenon'i Davida zay joharin-Dranagnahary. Ezra mpanora-dalagna la teo agnatrehan-drozy. 37 Teo agnilan'ny Vavahadin-Doharano ro niakatsy nahity tamin'ny tahotsy tao amin'ny tanan'i Davida, tamin'ny ana-tohatsy magnagny amin'ny manda agnabon'ny lapan'i davida, tagny amin'ny Vavahadin-Drano eo antignana rozy. 38 Nandeha tamin'ny lalan-kafa gny antoko mpihiran'ireo zay nagnome fisaora. Nagnaraky gnan-drozy teo amin'ny manda niaraky tamin'ny antsasaky gny vahoaky aho, sady teo agnabon'ny Tilikambon'ny fatana, teo amin'ny Manda bevata, 39 sady agnabon'ny Vavahadin'i Efraima, sady teo amin'ny Vavahady Taloha, voho teo amin'ny Vavahadin'ny Hazan-drano sady gny Tilikambon'i Hananela voho gny Tilikambon-jato, teo amin'ny Vavahadin'ny Aondry, sady nijano teo am-Bavahadin'ny Mpiamby rozy. 40 Ka nangalaky gny toeran-drozy tao an-tragnon-Dranagnahary re antokom-pihira roen'ireo zay nagnome fisaora, sady nangalaky gny toerako niaraky tamin'ny antsasaky gny manam-pahefa niaraky tamiko avao koa aho. 41 bakeo la nangalaky gny toerany reo mpisoro: Eliakima, Mahaseia, Miniamina, Mikaia, Elioenay, Zakaria, voho Hanania,mbamin'ireo trompetra, 42 voho mahaseia, Semaia, Eleazara, Ozy, Johanana, Malkia, Elama, voho Ezera avao koa, voho reo mpihira nanao zay handrenesa gnan-drozy sady Jizrahia ro mpitariky gnan-drozy. 43 Nanolotsy soro bevata rozy tamin'io andro io, sady niravo, fotony Ndranagnahary nampiravo gnan-drozy tamim-pazotoa bevata. Reo ampela voho gny aja avao koa la nazoto. Ka re baka lavitsy gny fazotoan'i Jerosalema. 44 Tamin'io andro io la nisy reo johary notendre hisaha gny tragno fitehirizan-drakitsy, reo voaloham-bokatsy, voho gny ampahafolon-karena, mba hamory gny anjara takin'ny lalagna ho gnan'ireo mpisoro voho ho gnan'ireo Levita ao amin'ireo. Gny kirakiraiky la notendre mba hiasa reo saha agnilan'ny renivohitsy. Fotony nazoto tamin'ireo mpisoro voho reo Levita zay nijoro teo agnatrehan-drozy Joda. 45 Nagnatanteraky gny asa ho gnan'ny Ndranagnaharin-drozy, voho gny asa fagnadiova rozy, nanao manahaky gnan'io koa reo mpihira voho reo mpiamby vavahady , tamim-pitandrema gny lilin'i Davida voho Solomona anaky lahiny. 46 Fa taloha ela tagny, tamin'ny andron'i Davida voho Asafa, la nisy mpitariky reo mpihira, sady nisy hira fandrengea voho fagnomezam-pisaora ho gnan-Dranagnahary. 47 Tamin'ny andron'i Zerobabela voho tamin'ny andron'i Nehemia, la nagnome gny anjara isan'andro ho gnan'ireo mpihira voho mpamby vavahady reo Israely iaby. Natokan-drozy gny anjara zay ho gnan'ireo Levita, sady reo Levita nanoka anjara ho gnan'ireo avorohotan'i arona.