1 Tamin'izay andro izay la nivinakin-drozy teo an-tsofin'ny vahoaky gny Bokin'i Mosesy. Hita voasoratsy tao amin'izay fa tsy misy Amonita na Moabita tokony hilitsy ao amin'ny fiangonan-Drananagnahary, mandrakizay. 2 Izay la gnantony tsy avy teo amin'ny anak' Israely niaraky tamin'ny mofo voho rano rozy, fa nagnakara gnan'i Balama mba hanozo gny Israely rozy. Na la izay aza, navaliky gny Ndranagnaharintsika ho fitahia gny ozo. 3 Laha vao nahare gny lalagna rozy, la nisarahan-drozy tamin'Israely gny olo hafa firenena iaby. 4 Sady talohan'izay io Eliasiba mpisoro io la voatendry ho ao amin'ireo tragno fitehirizan'ny tragnon'ny Ndranagnaharintsika. Ie la nana fifandraisa tamin'i Tobia. 5 Nikarakara efitragno fitehireza bevata ho gnan'i Tobia i Eliasiaba, zay nitehirizan-drozy gny fagnatitsy, reo kojakoja, voho reo ampahafolom-bokatsy, divay vaovao, voho gny soliky, zay voatoka ho gnan'ireo Levita, reo mpihira, gny mpiandry vavahady, noho reo anjara ho gnan'ireo mpisoro taloha. 6 Nefa tamin'izay fotoa iaby izay la tsy tao Jerosalema zaho. Fa nandeha tagny amin'ny mpanjaka zaho tamin'ny faharoe amby telopolo tao nanjakan'i Artaksesy mpanjakan'i Babylona. Fotoa kely tafaran'izay la nangataky alala hagnenga gny mpanjaka zaho, 7 ka nimpoly tagny Jerosalema. Hainao mantsy gny raty zay fa nataon'i Eliasiba tamin'ny nanomezany gnan'i Tobia efitragno fitehiriza bevata tao an-kianjan'ny tragnon-Ndranagnahary. 8 Meloky mare zaho ka naboakiko teo amontony efitragno fitehiriza iaby reo entan'ny fianakavian'i Tobia iaby. 9 Nandidy gny hanadiovan-drozy reo efitragno fitehiriza zaho, sady nampoliko tao amy regny reo entan'ny tragnon-Dranagnahary, reo fagnatitsy hohany, noho gny ditin-kazo manitsy. 10 Haiko fa mbo tsy nomea an-drozy gny anjaran'ireo Levita, ka nitsoaky rozy, samby nangalany amin'ny taniny aby, reo Levita noho reo mpihira zay nanao gny asa. 11 Ka nifagnatriky tamin'ireo manam-boninahitsy zaho ka nanao hoe: " Nagnino ro notsinotsino gny tragnon-Dranagnahary?" Navoriko niaraky noho napetrako tamin'ny toerany reo. 12 Bakeo la nanday gny ampahafolom-bokatsy, gny divay vaovao, noho gny soliky ho gnan'ny efitragno fitehiriza gny Joda iaby. 13 Nanondro gnan'i Selemia mpisoro noho Zadoka mpanora-dalagna, noho tamin'ireo Levita, Pedaia, ho mpitam-bolan'ny tragno fitehirizan-Dranagnahary zaho. Teo agnilan-drozy i Hanana anaky lahin'i Zakora anaky lahin'i Matania, fa rozy ro voalaza ho mendri-pitokisa. Gny adidin-drozy la gny mizara reo vatsy ho gnan'ireo mpiara-miasa amin-drozy. 14 Tiarovo zaho, Ndranagnahariko, mahakasiky izay, noho ka fafa reo asa soa zay fa nataoko ho gnan'ny tragnon-Dranagnahary noho reo fanompoa izay. 15 Sady tamin'izay andro izay la nahita reo vahoaky tao Joda nanosihosy famiazam-boaloboky tamin'ny Sabata noho nanday salohim-bary ka nampitondra regny tamin'ny borikiny, sady koa divay, voaloboky, aviavy, noho reo karazan-jaha mavesatsy iaby, zay nandesin-drozy tao Jerosalema tamin'ny andro Sabata zaho. Nanohitsy mafy gny nivarotan-drozy hany tamin'izay andro izay zaho. 16 Reo johary baka Tyro nipetraky tao Jerosalema la nanday fia noho entam-barotsy sambihafa, sady nivarotan-drozy tamin'ny andro Sabata tamin'ny vahoakan'i Joda noho tao amin'ny tana regny! 17 Sady nifagnatriky tamin'ireo mpitarik'i Joda zaho hoe: " Ino zao raha-raty ataonareo, mandoto gny andro Sabata zao? 18 Moa nanao zao va reo razanareo? Moa tsy Ndranagnahary va ro nanday zao raty iaby zao tamintsika noho tamy toy tana toy? Henanizao nareo la manday fahatezera bebe kokoa amin'Israely tamin'ny fandotoa gny Sabata." 19 Laha vatany mbo maiky teo amin'ny vavahadin'i Jerosalema talohan'ny Sabata, la nandidy gny hikatognan'ireo varavara noho gny tsy hisokafany regny sasy hatramin'ny afaran'ny Sabata zaho. Nametraky gny sasany tamin'ireo mpanompoko teo amin'ireo vavahady zaho mba tsy hisian'ny enta ho afaky enta militsy amin'ny andro Sabata. 20 Nivory tagny amonton'i Jerosalema ndraiky mandeha na indroe roe mpandranto noho mpivarotsy karazan'enta iaby. 21 Nefa zaho nampitandry an-drozy hoe: " Nagnino nareo ro mivory amonton'ny manda? Laha mbo mampimpoly izay nareo, la hikasi-tagna anareo zaho!" Nanomboky tamin'izay fotoa izay la tsy avy tamin'ny andro Sabata sasy rozy. 22 Bakeo nandidy reo Levita zaho mba hagnalio gny vatan-drozy, sady ho avy hiamby reo vavahady, mba hagnamasy gny andro Sabata. Tiarovo avao koa zaho gny amin'izay, Ndranagnahariko, noho mamindra fo agnamiko nohon'ny tsy fivadiham-panekea anagnanao amiko. 23 Tamin'izay andro izay la nahita reo Jiosy zay nanambaly reo ampelan'i Asdoda, Amona, noho Moaba avao koa zaho. 24 Nivola tamin'ny fivolagnan'i Asdoda gny antsasaky gny taranakin-drozy. Tsy nisy tamin-drozy nahay nivola gny fivolagnan'ny Joda, fa gny fivolagnan'ny raiky amin'ireo olo hafa regny avao. 25 Nifagnatriky tamin-drozy zaho, ka nanozo an-drozy, sady namely gny sasany tamin-drozy noho nandrirotsy gny volon-drozy. Nampianiana an-drozy tamin-Ndranagnahary zaho, nanao hoe: " Nareo la tsy tokony hagnome gny anaky ampelanareo ho gnan'ireo anaky lahin-drozy regny ho gnan'ny anaky lahinareo, na ho gnanareo. 26 Moa tsy nanota tamin'ireo ampela reo va i Solomona mpanjakan'Israely? Tsy nisy mpanjaka manahaky gnazy tamin'ireo firenena maro, ka tean'ny Ndranagnahary ie, noho Ndranagnahary nanao gnazy ho mpanjaka nanera gny Israely iaby. Na la izay aza, nampanotain'ireo valiny hafa firenena ie. 27 Moa va tokony hinjanjy gnanao rahay ka hanao izay raty bevata izay, ka mivaliky amin'ny Ndranagnahary amin'ny fangala ampela hafa firenena ho valy?" 28 Raiky amin'ireo anaky lahin'i Joiada anaky lahin'i Eliasiba mpisoronabe la vinanto lahin'i Sanbala Horonita. Noho izay la nampandosiriko tamin'ny fagnatrehako ie. 29 Tiarovo rozy regny, Ndranagnahariko, gnantony fa nandoto gny fisorogna, noho gny fagneken'ny fisorogna noho reo Levita. 30 Manahaky izay ro nandiovako gnazy regny tamin'ny raha iaby hafa firenena, ka nametraky reo adidin'ireo mpisoro noho reo Levita, gny kiraidraiky ho samby amin'ny asany aby. 31 Namatsy tamin'ny fotoa voatondro gny fagnatitsy kata noho reo voaloham-bokatsy zaho. Tiarovo amin'ny soa zaho, Ndranagnahariko.