Toko faha 8

1 Nivory manahaky gn'olo raiky an-monto egny tagnilan'ny vavahadin-drano gny vahoaky iaby.Rozy la nangataky gnan'i Ezra mpisoro mba handay gny bokin'ny lalagnan'i Mosesy,ze nandidian'i Yaveh gnan'i Ysraely. 2 Tamin'ny gnandro volohany tamin'ny gny vola faha fito,la nanday gny lalagna tagnatrehan'ny gny fiangona i Ezra mpisoro,ndra johary ndra sevaky,voho gn'olo iaby ze afaky ninjanjy voho nahatakatsy. 3 Niatriky gny kianja malalaky agnatrehan'ny gny vavahadin-drano ie,ka namaky gnan'izay mbo mangotignana la zisiky midy,nagnatriky gny johary voho gny sevaky,voho ze afaky mahatakatsy,ka la ninjanjy soa gny bokin'ny lalagna gn'olo iaby. 4 Bakeo Ezra mpanoratsy lalagna nintsanga tagnabon'ny hazo ze namboarin'ny gn'olo ho agmin'izay teo.Nintsanga tankavanany teo i Matitia,Sema,Anania,Oria,Hilkia,voho Mahasela:voho i Pedaia,Misaela,Malkia,Hasoma,Hasbadana,Zakaria,voho Mesolama la nintsanga tamin'ny gn'ilany ankavia teo. 5 Nisokafan'i Ezra ta-mason'ny gn'olo iaby gny boky,fotony nintsanga agnambo mihoatsy gn'olo iaby ie,ka laha nisokafany zay la nintsanga iaby gn'olo. 6 Ezra la nagnome fisaora gnan'i Yaveh,Andrianagnahary bevata,voho gn'olo iaby nananga gny tagnany ka namaly hoe:"Amena!Amena!"Bakeo rozy nagnodriky gny lohan-drozy voho nandrengy gnan'i Yaveh tamin'ny fametraha gny tarehin-drozy tamin'ny gny tany. 7 Jesoa,Bani,Serebia,Jamina,Akoba,Sabetahy,Hodia,Mahaseia,Kelita,Azaria,Jozabada,Hanana,Pelalia,voho gny Levita la nagnampy gn'olo mba hahatakatsy gny lalagna avao koa,laha mbo nifitaky tamin'ny pilasiny tegny gn'olo. 8 Nivakin-drozy tzmin'ny boky tao,gny lalagnan'Andrianagnahary,nanazava gnan'izay tamin'ny fandika voho fagnomeza gny dikan'izay mba hahatakaran'ny gn'olo gny vakin-teny. 9 Nehemia goverinora,voho i Ezra mpisoro voho mpanoratsy lalagna,voho gny Levita ro nandika tamin'ny gn'olo ka nivola tamin'ny gn'olo iaby hoe:"Masy toy andro toy amin'i Yaveh Andrianagnaharinareo.Ka miojy voho ka tomagny."Fotony niatagny iaby gn'olo iaby lafa nahanja gny safan'ny gny lalagna. 10 Bakeo Nehemia nivola tamin-drozy hoe:"Mandena amin'ny gny lalanareo,mihinana gny vondraky ka minoma raha finomy mamy,ka alefaso amin'ny ze tsy nahaoma ndra ino ndra ino gny sasany amin'izay,fa toy andro toy la masy amin'ny gny Tompontsika.Ka malahelo,fa gny fisinisinian'i Yaveh ro herinao." 11 Ka la nampiegnen'ny reo Levita reo gn'olo,nanao hoe:"Mantsitsigny!Fotony masy toy andro toy.Ka malahelo." 12 Ka nandeha tamin'ny lalany gn'olo iaby mba hihina voho hino voho mba hizara hany voho hankalaza am-pisinisinia bevata fotony takatsin-drozy gny safa ze nampahafantary gnan-drozy . 13 Tamin'ny gn'andro faharoe gny mpitariky gny hasaveregnan'ireo razambe bakamin'ny gn'olo iaby,gny mpisoro voho gny Levita,la nisondry niavy tamin'i Ezra mpisoro teo mba handiniky laliky gny safan'ny gny lalagna. 14 Hitan-drozy voasoratsy tamin'ny lalagna ao gny fomba nandidian'i Yaveh tamin'ny lalagnan'i Mosesy fa gny vahoakin'Israely la tokony hifitaky agnaty lay mandritsin'ny gny firavoaravoa amin'ny gny vola fahafito. 15 Rozy la tokony hanao fagnambara egny amin'ny tana iaby egny,voho ao Jerosalema ao,manao hoe:"Mandena amin'ny tany abo egny,ka magnandesa tahon-drotsy,tahon-drofia voho tahon-kazo bevata,mba hagnamboara lay,manaraky gny voasoratsy." 16 La niboaky gn'olo ka nanday gny tahon-kazo nimpoly ka nanao lay ho gnan-drozy,isakin'ny tafon-drozy iaby,tan-tokotanin'ny tragnon'Andrianagnahary tegny ,tegny amin'ny kianja mamalaky agnatrehan'ny vavahadin-drano,voho tegny amin'ny kianja malalaky agnilan'ny vavahadin'i Efraima. 17 Gny fiangona gn'olo ze nimpoly bakamin'ny hababoa la nagnamboatsy lay ka nifitaky tangnaty tao.Fa namototsy tamin'ny gn'andron'i Josoa anakilahin'i Nona zisiky tamin'io ndro io,la tsy nankalaza gnan'izay firavoravoa zay gny vahoakin'Israely,ka la bevata tokoa gny hafalean-drozy. 18 Isan'andro isan'andro avao koa,namototsy tamin'ny gn'andro volohany ka zisiky farany,la namaky gny bokin'ny lalagnan-Dranagnahary i Ezra.Nitandry gny firavoaravoa nadritsy gny fito andro rozy ka gn'andro fahavalo ro fivoria magnetriketriky,mba ho fankatoava gny lalagna.