1 Ka reo johary reo voho gny valin-drozy la nanao fitaraigna bevata hanohitsy gny Jiosy namany. 2 Fotony nisy gny sasany nanao hoe:"Lako rahay misondry amin'ny gn'anakilahinay voho gny anakampelanay.Ka engao rahay hahazo vary mba hahazoanay mihina voho hovelo." 3 Nisy gny sasany hafa koa nanao hoe:"Manao fitana gny baibonay,gny tanim-boalobokay,voho gny tragnonay rahay,mba hahazoanay vary mandritsy gny mosary." 4 Nisy gny sasany avao koa nanao hoe:"Fa nitrosa drala handoava gny haban'ny gny mpanjaka tamin'ny baibonay voho gny tanim-boalobokay rahay. 5 Fe gny sandrinay voho gny lionay la manahaky gnan'ny gny rahalahinay avao,voho gnan'ny gn'anakay la manahaky amin'ny gn'anakin-drozy.Voatery namarotsy gn'anakilahinay voho gn'anakampelanay ho andevo rahay.Ka gn'ilany amin'ny gn'anakampelanay la fa nandevozy iaby.Fe tsy afaky manao gnan'izay rahay fotony fa olo hafa ro tompon'ny gny baibonay voho gny tanim-boboalobokay henanizao." 6 La neloky mare zaho laha nahanja gny fitaraignan-drozy voho reo safa reo. 7 La nametsivetsy mikasiky gnan'izay zaho,ka nanday fagnindria gnan'ireo manan-kanja voho gny manam-boninahitsy. La hoy zaho tamin-drozy:"Samby sarotiny amin'ny gny rahalahiny kiraikiraiky iaby nareo."La nanao fivoroambe hanohitsy gnan-drozy zaho 8 ka nivola tamin-drozy hoe:"Rahay,araky ze tratsinay,la fa nanohitsy tamin'ny fagnandevoza gny Jiosy rahalahinay ze navily tami'ny firenena,fe nareo aza nivarotsy gny rahalahinareo voho gny anambavinareo mba hivarota gnazy agnaminay!"La niegny voho tsy nahita raha ho safagny rozy. 9 La nivola koa zaho nanao hoe:"Tsy soa zao raha ataonareo zao.Nao,tsy tokony handeha amin'ny fahatahora gnan'Andrianagnaharintsika va nareo mba hisoroha gny vola raty ataon'gny tana rafintsika? 10 Zaho voho gny rahalahiko voho gny mpiasako la fa mampitrosa drala voho vary gnan-drozy.Fe tsika la tokony hampiegny gny fagnasazia zana-bola amin'ny fampitrosan-drala. 11 Ampolio amin-drozy amin'ny gn'andro androany zao gny baibon-drozy ,voho gny tanim-boalobokiny,gny baibo hitirian'ny gn'olivany,voho gny tragnony,voho gny isan-jaton'ny gny ndrala,gny vary,gny diavay vaovao voho gny soliky ze nampitrosanareo gnan-drozy." 12 La hoy rozy:"Hampolinay ze nalanay tagnamin-drozy,voho tsy hitaky ndra ino ndra ino amin-drozy rahay.Hagnaraky gny safanao rahay."La nikaiky gny mpisoro zaho,ka nampifanta gnan-drozy mba hanao gny raha fa nampitamagnin-drozy. 13 Nandreny ze niforitsy tamin'ny gny salotso zaho voho nivola hoe:"Engaho halan-Dranagnahary amin'ny gny tragnony voho gny fanagnany gn'olo ze tsy mità gny fampitamagnany.Engaho hala voho hofoagna ie."Ka gny fiangona iaby nivola hoe:"Amena,"voho nandrengy gnan'i Yaveh ka nagnaraky gny fampitamanan-drozy gny vahoaky. 14 Ka tamin'ny fotoa ze nanedrea gnahy ho goverinoran-drozy tagny amin'ny tanin'i Joda,nanomboky tamin'ny tao faharopolo ka zisiky tamin'ny tao faha telopolo roamby nanjakan'i Artaksersesy mpanjaka,folo roamby tao zay,mbo tsy nihina hany namea ho gnan'ny goverinera ndra zaho ndra gny rahalahiko. 15 Fe gny goverinera taloha ze talohako la nametraky enta mavesatsy tamin'ny gny vahoaky,voho nampandoa gnan-drozy sekely volafoty efapolo ho gnan'ny gny hany voho gny divain-drozy isan'andro.Ndra gny miasan-drozy aza nampijaly gny vahoaky.Fa tsy nanao gnan'izay zaho nohon'ny fatahorako gnan-Dranagnahary. 16 Nanohy gn'asa amin'ny manda avao koa zaho,voho tsy nivily tany rahay,voho gny mpiasako iaby la nivory toe hiasa. 17 Ka tamin'ny gny latabatso ro nisy gny Jiosy voho gny manam-pahefa,150 johary,ankoatsin'ny ze nagnagny agnaminay bakamin'ireo firenena magnodidy gnanay. 18 Ka ze nomagny isan'andro la aomby raiky,voho aondry vaofily eny,voho voro avao koa,ka isakin'ny folo andro la divay lako isan-karazany milipilipy,kanefa tamin'izay iaby zay la mbo tsy nangalaky gn'anjara hanin'ny goverinera zaho,fotony zay fangataha zay la vatany navesatsy mare tamin'ny vahoaky. 19 Tiarovo zaho,ry Andrianagnahariko,amin'ny gny soa ,noho ze raha nataoko iaby ho gnan'itoy vahoaky toy.