1 Ka lafa jajin'i Sanbala,Tobia,voho Gasema Arabo voho gny fahavalonay sisa tavela fa fanagnamboatsy gny manda ndraiky zaho ka tsy nisy faritsy tataky hiboahany sasy,ndra la mbo tsy nananga gny varavaragna tam-bavahady teo aza zaho, 2 la hoy i Sanbala voho Gasema tagnamiko,nanao hoe:"Ndena,ndao tsika hihoa agny amin'ny gebon'i Ono agny ho agny."Kanefa nikinia gny hagnisy raty gnahy rozy. 3 Nagniraky mpanday hafatsy tagnamin-drozy agny zaho,nanao hoe:"Manao asa bevata zaho,ka tsy afaky minjotso.Nagnino ro hanjanoko gn'asa ka la hengako fa hinjotso zaho hagnaminao agny?" 4 Nandefa hafatsy mitovy ingefatsy tagnamiko rozy,fe nivaleako mitovy isakin'ny mandefa rozy. 5 Nagniraky gny mpiasany tagnamiko atoy manahaky gnan'izay fagnindiminy i Sanbala,nanday taratasy mivoha an-tagnany egny . 6 Voasoratsy tamin'izay tao hoe:"voaatitsy amin'ny firenena zao,sasy nambaran'i Gasema avao koa,fa mitetiky gny hanohitsy iha voho gny Jiosy,ka noho zay ro agnambaranao gny vala ndraiky.Manahaky gny ambaran'ireto tatitsy reto,la fa hanjary mpanjakan-drozy iha. 7 Fa nanendry mpaminany avao koa iha mba hanao gnan'izao fagnambara mikasiky gnanao zao agny Jerosalema,manao hoe:"Misy mpanjaka agny Joda!Mahazo matoky iha fa ho janjin'ny mpanjaka reto tatitsy reto.Noho zay miavia,ndao tsika hifampiresaky." 8 La nandefa safa tagnaminy agny zaho manao hoe:"Tsy nisy raha niseho manahaky raha safagninao zao,fa tagnatinao ao avao ro namorognanao gnazy." 9 Fa te hampatahotsy gnanay rozy,nametsivetsy hoe:"Mampiraviravy gny tagnan-drozy amin'ny fagnanova gny asa rozy,ka tsy ho vita zay."Fe henanizao,Andrianagnahary,mba fatraro gny tagnako." 10 Nagnagny an-tragnon'i Semaia anakilahin'i Delaia anakilahin'i Mehetabela,ze tsy afaky nihetsiky tan-tragnony tao zaho.Hoy ie:"Ndao hihoa an-tragnon-Dragnahary agny tsika,agnatin'ny tempoly ao,ka ndao hiliantsika gny varavagnan'ny tempoly,fotony avy hamono gnanao rozy.Ho avy hamono gnanao rozy amin'ny haliky." 11 Namaly zaho hoe:"Johary manahaky gnahy va ro handositsy?Hilitsy an-tempoly ao mba hahazoany magnavotsy gn'ainy va gny johary manahy gnahy?Tsy hilitsy zaho!" 12 Tonga say zaho fa tsy Ndragnahary ro nagniraky gnazy,fa naminany hanohitsy gnahy ie. 13 Nikaraman'i Tobia voho Sanbala ie.Nikarama gnazy rozy mba hampatahotsy gnahy,mba hagnanovako ze raha nisafagniny ka hanotako,mba hagnomezan-drozy gnahy agnara raty ka hangalan-drozy gny barakako. 14 Tiarovo Tobia voho Sanbala,Andrianagnahariko,voho ze raha nataon-drozy iaby.Tiarovo avao koa i Noadia mpaminany ampela voho gny mpaminany sasany ze nampatahotsy gnahy. 15 La vita tamin'ny gn'andro ropolo limiamby gny volo Elola gny vala.tafaran'ny gny dimanpolo roamby andro. 16 Lafa njanjin'ireo fahavalonay iaby zay,gny firenena iaby magnodidy gnanay,la navaka rozy ka tonta mare ta-mason-drozy teo avao.Fa hain-drozy fa vita tamin'ny fagnampean'ny Ndranagnahary gn'asa. 17 Tamin'izay fotoa zay la nandefa taratasy lako tagny amin'i Tobia gny manan-kaja tao Joda,ka la niavy tagnamin-drozy agny avao koa gny taratasin'i Tobia. 18 Fa nisy lako tagny Joda ro voafatotsin'ny gny fifanta tagnaminy,fotony vinantolahin'i Sekania anakilahin'i Ara ie.Ka Johanana anakilahiny fa nanambaly gn'anakampelan'i Mesolama anakilahin'i Berekia. 19 Nivola tagnamiko mikasiky gn'asa soany voho nitatitsy gny safako tagnaminy agny avao koa ie.Nandefasa taratasy bakamin'i Tobia zaho mba hampatahotsy gnahy.